< Isaiah 59 >
1 Behold, the LORD'S hand is not shortened, that it cannot save, neither His ear heavy, that it cannot hear;
Indro, ny tànan’ i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
2 But your iniquities have separated between you and your God, and your sins have hid His face from you, that He will not hear.
Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
3 For your hands are defiled with blood, and your fingers with iniquity; your lips have spoken lies, your tongue muttereth wickedness.
Fa ny tananareo dia voaloto amin’ ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
4 None sueth in righteousness, and none pleadeth in truth; they trust in vanity, and speak lies, they conceive mischief, and bring forth iniquity.
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
5 They hatch basilisks' eggs, and weave the spider's web; he that eateth of their eggs dieth, and that which is crushed breaketh out into a viper.
Mikotrika ny atodin’ ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin’ ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
6 Their webs shall not become garments, neither shall men cover themselves with their works; their works are works of iniquity, and the act of violence is in their hands.
Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
7 Their feet run to evil, and they make haste to shed innocent blood; their thoughts are thoughts of iniquity, desolation and destruction are in their paths.
Ny tongony miriotra ho amin’ ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany.
8 The way of peace they know not, and there is no right in their goings; they have made them crooked paths, whosoever goeth therein doth not know peace.
Ny lalan’ ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin’ ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
9 Therefore is justice far from us, neither doth righteousness overtake us; we look for light, but behold darkness, for brightness, but we walk in gloom.
Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
10 We grope for the wall like the blind, yea, as they that have no eyes do we grope; we stumble at noonday as in the twilight; we are in dark places like the dead.
Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny maizimaizina isika, ary eo amin’ ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.
11 We all growl like bears, and mourn sore like doves; we look for right, but there is none; for salvation, but it is far off from us.
Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
12 For our transgressions are multiplied before Thee, and our sins testify against us; for our transgressions are present to us, and as for our iniquities, we know them:
Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
13 Transgressing and denying the LORD, and turning away from following our God, speaking oppression and perverseness, conceiving and uttering from the heart words of falsehood.
Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
14 And justice is turned away backward, and righteousness standeth afar off; for truth hath stumbled in the broad place, and uprightness cannot enter.
Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
15 And truth is lacking, and he that departeth from evil maketh himself a prey. And the LORD saw it, and it displeased Him that there was no justice;
Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom’ ny sasany. Ary hitan’ i Jehovah ny tsi-fisian’ ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
16 And He saw that there was no man, and was astonished that there was no intercessor; therefore His own arm brought salvation unto Him; and His righteousness, it sustained Him;
Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
17 And He put on righteousness as a coat of mail, and a helmet of salvation upon His head, and He put on garments of vengeance for clothing, and was clad with zeal as a cloak.
Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
18 According to their deeds, accordingly He will repay, fury to His adversaries, recompense to His enemies; to the islands He will repay recompense.
Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ ny fahavalony, famaliana ho an’ ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
19 So shall they fear the name of the LORD from the west, and His glory from the rising of the sun; for distress will come in like a flood, which the breath of the LORD driveth.
Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin’ ny Fanahin’ i Jehovah.
20 And a redeemer will come to Zion, and unto them that turn from transgression in Jacob, saith the LORD.
Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin’ ny Jakoba izay miala amin’ ny fahadisoana, hoy Jehovah.
21 And as for Me, this is My covenant with them, saith the LORD; My spirit that is upon thee, and My words which I have put in thy mouth, shall not depart out of thy mouth, nor out of the mouth of thy seed, nor out of the mouth of thy seed's seed, saith the LORD, from henceforth and for ever.
Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ ny vavanao, na amin’ ny vavan’ ny taranakao, na amin’ ny vavan’ ny taranaky ny taranakao, hatramin’ izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.