< Exodus 25 >

1 And the LORD spoke unto Moses, saying:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 'Speak unto the children of Israel, that they take for Me an offering; of every man whose heart maketh him willing ye shall take My offering.
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ ny olona rehetra izay amporisihin’ ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
3 And this is the offering which ye shall take of them: gold, and silver, and brass;
Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
4 and blue, and purple, and scarlet, and fine linen, and goats' hair;
sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy,
5 and rams' skins dyed red, and sealskins, and acacia-wood;
sy hoditr’ ondrilahy efa nomen’ aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
6 oil for the light, spices for the anointing oil, and for the sweet incense;
sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
7 onyx stones, and stones to be set, for the ephod, and for the breastplate.
sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin’ ny efoda sy amin’ ny saron-tratra.
8 And let them make Me a sanctuary, that I may dwell among them.
Ary asaovy manao fitoerana masìna ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.
9 According to all that I show thee, the pattern of the tabernacle, and the pattern of all the furniture thereof, even so shall ye make it.
Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
10 And they shall make an ark of acacia-wood: two cubits and a half shall be the length thereof, and a cubit and a half the breadth thereof, and a cubit and a half the height thereof.
Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
11 And thou shalt overlay it with pure gold, within and without shalt thou overlay it, and shalt make upon it a crown of gold round about.
Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.
12 And thou shalt cast four rings of gold for it, and put them in the four feet thereof; and two rings shall be on the one side of it, and two rings on the other side of it.
Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray koa.
13 And thou shalt make staves of acacia-wood, and overlay them with gold.
Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.
14 And thou shalt put the staves into the rings on the sides of the ark, wherewith to bear the ark.
Ary ampidiro ny bao ho eo amin’ ny vava volamena, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.
15 The staves shall be in the rings of the ark; they shall not be taken from it.
Eo amin’ ny vava volan’ ny fiara no hitoeran’ ny bao, ka tsy hesorina eo izy.
16 And thou shalt put into the ark the testimony which I shall give thee.
Ary ataovy ao anatin’ ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
17 And thou shalt make an ark-cover of pure gold: two cubits and a half shall be the length thereof, and a cubit and a half the breadth thereof.
Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
18 And thou shalt make two cherubim of gold; of beaten work shalt thou make them, at the two ends of the ark-cover.
Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ ny sakany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana
19 And make one cherub at the one end, and one cherub at the other end; of one piece with the ark-cover shall ye make the cherubim of the two ends thereof.
Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin’ ny sakany roa.
20 And the cherubim shall spread out their wings on high, screening the ark-cover with their wings, with their faces one to another; toward the ark-cover shall the faces of the cherubim be.
Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
21 And thou shalt put the ark-cover above upon the ark; and in the ark thou shalt put the testimony that I shall give thee.
Ary apetraho eo ambonin’ ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
22 And there I will meet with thee, and I will speak with thee from above the ark-cover, from between the two cherubim which are upon the ark of the testimony, of all things which I will give thee in commandment unto the children of Israel.
Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
23 And thou shalt make a table of acacia-wood: two cubits shall be the length thereof, and a cubit the breadth thereof, and a cubit and a half the height thereof.
Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
24 And thou shalt overlay it with pure gold, and make thereto a crown of gold round about.
Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
25 And thou shalt make unto it a border of a handbreadth round about, and thou shalt make a golden crown to the border thereof round about.
Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
26 And thou shalt make for it four rings of gold, and put the rings in the four corners that are on the four feet thereof.
Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra izay eo amin’ ny tongony efatra ireo:
27 Close by the border shall the rings be, for places for the staves to bear the table.
eo akaikin’ ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.
28 And thou shalt make the staves of acacia-wood, and overlay them with gold, that the table may be borne with them.
Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin’ ireo no hilanjana ny latabatra.
29 And thou shalt make the dishes thereof, and the pans thereof, and the jars thereof, and the bowls thereof, wherewith to pour out; of pure gold shalt thou make them.
Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
30 And thou shalt set upon the table showbread before Me alway.
Ary asio mofo aseho eo ambonin’ ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
31 And thou shalt make a candlestick of pure gold: of beaten work shall the candlestick be made, even its base, and its shaft; its cups, its knops, and its flowers, shall be of one piece with it.
Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
32 And there shall be six branches going out of the sides thereof: three branches of the candlestick out of the one side thereof, and three branches of the candle-stick out of the other side thereof;
Ary hisy sampany enina amin’ ny ankilany roa: dia sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray koa,
33 three cups made like almond-blossoms in one branch, a knop and a flower; and three cups made like almond-blossoms in the other branch, a knop and a flower; so for the six branches going out of the candlestick.
dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin’ ny sampany enina izay amin’ ny fanaovan-jiro.
34 And in the candlestick four cups made like almond-blossoms, the knops thereof, and the flowers thereof.
Ary eo amin’ ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,
35 And a knop under two branches of one piece with it, and a knop under two branches of one piece with it, and a knop under two branches of one piece with it, for the six branches going out of the candlestick.
dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.
36 Their knops and their branches shall be of one piece with it; the whole of it one beaten work of pure gold.
Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin’ ny volamena tsara izy rehetra.
37 And thou shalt make the lamps thereof, seven; and they shall light the lamps thereof, to give light over against it.
Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
38 And the tongs thereof, and the snuffdishes thereof, shall be of pure gold.
Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
39 Of a talent of pure gold shall it be made, with all these vessels.
Volamena tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin’ ireny fanaka rehetra ireny.
40 And see that thou make them after their pattern, which is being shown thee in the mount.
Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.

< Exodus 25 >