< 2 Samuel 24 >

1 And again the anger of the LORD was kindled against Israel, and He moved David against them, saying: 'Go, number Israel and Judah.'
Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra indray tamin’ ny Isiraely, ka dia nanome saina an’ i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin’ ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.
2 And the king said to Joab the captain of the host that was with him: 'Go now to and fro through all the tribes of Israel, from Dan even to Beer-sheba, and number ye the people, that I may know the sum of the people.'
Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Joaba, komandin’ ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen’ isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
3 And Joab said unto the king: 'Now the LORD thy God add unto the people, how many soever they may be, a hundredfold, and may the eyes of my lord the king see it; but why doth my lord the king delight in this thing?'
Fa hoy Joaba amin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ ny mason’ ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan’ ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
4 Notwithstanding the king's word prevailed against Joab, and against the captains of the host. And Joab and the captains of the host went out from the presence of the king, to number the people of Israel.
Nefa tsy azon’ i Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nolavina ny tenin’ ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan’ ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
5 And they passed over the Jordan, and pitched in Aroer, on the right side of the city that is in the middle of the valley of Gad, and unto Jazer;
Ary nita an’ i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan’ ilay tanàna afovoan’ ny lohasahan-driak’ i Gada, dia nankany Jazera.
6 then they came to Gilead, and to the land of Tahtim-hodshi; and they came to Dan-jaan, and round about to Zidon,
Dia tonga tany Gileada izy, tany amin’ ny tamin’ i Tatima-hodsy, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,
7 and came to the stronghold of Tyre, and to all the cities of the Hivites, and of the Canaanites; and they went out to the south of Judah, at Beer-sheba.
ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin’ ny tanànan’ ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin’ ny tany atsimo izay an’ ny Joda hatrany Beri-sheba izy.
8 So when they had gone to and fro through all the land, they came to Jerusalem at the end of nine months and twenty days.
Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro.
9 And Joab gave up the sum of the numbering of the people unto the king; and there were in Israel eight hundred thousand valiant men that drew the sword; and the men of Judah were five hundred thousand men.
Dia natolotr’ i Joaba ny mpanjaka ny isan’ ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin’ ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ ny Joda.
10 And David's heart smote him after that he had numbered the people. And David said unto the LORD: 'I have sinned greatly in what I have done; but now, O LORD, put away, I beseech Thee, the iniquity of Thy servant; for I have done very foolishly.'
Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
11 And when David rose up in the morning, the word of the LORD came unto the prophet Gad, David's seer, saying:
Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin’ i Gada mpaminany, mpahitan’ i Davida, ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
12 'Go and speak unto David: Thus saith the LORD: I lay upon thee three things; choose thee one of them, that I may do it unto thee.'
Mandehana, ka lazao amin’ i Davida hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
13 So Gad came to David, and told him, and said unto him: 'Shall seven years of famine come unto thee in thy land? or wilt thou flee three months before thy foes while they pursue thee? or shall there be three days' pestilence in thy land? now advise thee, and consider what answer I shall return to Him that sent Me.'
Ary Gada nankany amin’ i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin’ ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin’ izay naniraka ahy.
14 And David said unto Gad: 'I am in a great strait; let us fall now into the hand of the LORD; for His mercies are great; and let me not fall into the hand of man.'
Dia hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
15 So the LORD sent a pestilence upon Israel from the morning even to the time appointed; and there died of the people from Dan even to Beer-sheba seventy thousand men.
Ka dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin’ ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
16 And when the angel stretched out his hand toward Jerusalem to destroy it, the LORD repented Him of the evil, and said to the angel that destroyed the people: 'It is enough; now stay thy hand.' And the angel of the LORD was by the threshing-floor of Araunah the Jebusite.
Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
17 And David spoke unto the LORD when he saw the angel that smote the people, and said: 'Lo, I have sinned, and I have done iniquitously; but these sheep, what have they done? let Thy hand, I pray Thee, be against me, and against my father's house.'
Ary nony hitan’ i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin’ i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko.
18 And Gad came that day to David, and said unto him: 'Go up, rear an altar unto the LORD in the threshing-floor of Araunah the Jebusite.'
Ary Gada nankany amin’ i Davida tamin’ izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
19 And David went up according to the saying of Gad, as the LORD commanded.
Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’ i Gada, araka izay nandidian’ i Jehovah.
20 And Araunah looked forth, and saw the king and his servants coming on toward him; and Araunah went out, and bowed down before the king with his face to the ground.
Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka.
21 And Araunah said: 'Wherefore is my lord the king come to his servant?' And David said: 'To buy the threshing-floor of thee, to build an altar unto the LORD, that the plague may be stayed from the people.'
Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan’ ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’ i Jehovah hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
22 And Araunah said unto David: 'Let my lord the king take and offer up what seemeth good unto him; behold the oxen for the burnt-offering, and the threshing-instruments and the furniture of the oxen for the wood.'
Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin’ ny omby hatao kitay.
23 All this did Araunah the king give unto the king. And Araunah said unto the king: 'The LORD thy God accept thee.'
Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen’ i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
24 And the king said unto Araunah: 'Nay; but I will verily buy it of thee at a price; neither will I offer burnt-offerings unto the LORD my God which cost me nothing.' So David bought the threshing-floor and the oxen for fifty shekels of silver.
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an’ i Jehovah Andriamanitro amin’ izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin’ i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.
25 And David built there an altar unto the LORD, and offered burnt-offerings and peace-offerings. So the LORD was entreated for the land, and the plague was stayed from Israel.
Ary Davida nanao alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken’ i Jehovah ny fifonana natao ho an’ ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.

< 2 Samuel 24 >