< 1 Samuel 14 >

1 Now it fell upon a day, that Jonathan the son of Saul said unto the young man that bore his armour: 'Come and let us go over to the Philistines' garrison, that is on yonder side. But he told not his father.
Ary tamin’ ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak’ i Saoly, tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy.
2 And Saul tarried in the uttermost part of Gibeah under the pomegranate-tree which is in Migron; and the people that were with him were about six hundred men,
Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin’ i Gibea teo ambanin’ ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy;
3 and Ahijah, the son of Ahitub, Ichabod's brother, the son of Phinehas, the son of Eli, the priest of the LORD in Shiloh, wearing an ephod. And the people knew not that Jonathan was gone.
ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak’ i Ahitoba, rahalahin’ i Ikaboda, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Ely, mpisoron’ i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
4 And between the passes, by which Jonathan sought to go over unto the Philistines' garrison, there was a rocky crag on the one side, and a rocky crag on the other side; and the name of the one was Bozez, and the name of the other Seneh.
Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan’ ny hadilanana izay nitadiavan’ i Jonatana hankanesana ao amin’ ny miaramilan’ ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran’ ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran’ ny anankiray kosa Sene.
5 The one crag rose up on the north in front of Michmas, and the other on the south in front of Geba.
Ny iray amin’ ireo harambato ireo dia nijoro avo teo an-daniny avaratra manandrify an’ i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an’ i Gibea.
6 And Jonathan said to the young man that bore his armour: 'Come and let us go over unto the garrison of these uncircumcised; it may be that the LORD will work for us; for there is no restraint to the LORD to save by many or by few.'
Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.
7 And his armour-bearer said unto him: 'Do all that is in thy heart; turn thee, behold I am with thee according to thy heart.'
Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.
8 Then said Jonathan: 'Behold, we will pass over unto the men, and we will disclose ourselves unto them.
Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin’ ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
9 If they say thus unto us: Tarry until we come to you; then we will stand still in our place, and will not go up unto them.
Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin’ izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.
10 But if they say thus: Come up unto us; then we will go up; for the LORD hath delivered them into our hand; and this shall be the sign unto us.'
Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.
11 And both of them disclosed themselves unto the garrison of the Philistines; and the Philistines said: 'Behold Hebrews coming forth out of the holes where they hid themselves.'
Dia niseho tamin’ ny miaramilan’ ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
12 And the men of the garrison spoke to Jonathan and his armour-bearer, and said: 'Come up to us, and we will show you a thing.' And Jonathan said unto his armour-bearer: 'Come up after me; for the LORD hath delivered them into the hand of Israel.'
Ary ny miaramila namaly an’ i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Isiraely izy.
13 And Jonathan climbed up upon his hands and upon his feet, and his armour-bearer after him; and they fell before Jonathan; and his armour-bearer slew them after him.
Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan’ i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany.
14 And that first slaughter, which Jonathan and his armour-bearer made, was about twenty men, within as it were half a furrow's length in an acre of land.
Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin’ i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin’ ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera.
15 And there was a trembling in the camp in the field, and among all the people; the garrison, and the spoilers, they also trembled; and the earth quaked; so it grew into a terror from God.
Koa nisy hovitra tao amin’ ny toby tany an-tsaha sy tamin’ ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin’ ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin’ Andriamanitra.
16 And the watchmen of Saul in Gibeath-benjamin looked; and, behold, the multitude melted away, and they went hither and thither.
Ary ny mpitilin’ i Saoly ao Gibean’ ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
17 Then said Saul unto the people that were with him: 'Number now, and see who is gone from us.' And when they had numbered, behold, Jonathan and his armour-bearer were not there.
Ary hoy Saoly tamin’ ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
18 And Saul said unto Ahijah: 'Bring hither the ark of God.' For the ark of God was there at that time with the children of Israel.
Dia hoy Saoly tamin’ i Ahia: Ento etỳ ny fiaran’ Andriamanitra (fa teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ny fiaran’ Andriamanitra fahizany).
19 And it came to pass, while Saul talked unto the priest, that the tumult that was in the camp of the Philistines went on and increased; and Saul said unto the priest: 'Withdraw thy hand.'
Ary raha Saoly mbola niresaka tamin’ ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin’ ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin’ ny mpisorona: Aoka ihany.
20 And Saul and all the people that were with him were gathered together, and came to the battle; and, behold, every man's sword was against his fellow, and there was a very great discomfiture.
Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin’ ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin’ ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
21 Now the Hebrews that were with the Philistines as beforetime, and that went up with them into the camp round about; even they also turned to be with the Israelites that were with Saul and Jonathan.
Ary ny Hebreo izay teo amin’ ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin’ ny tany manodidina dia nikambana tamin’ ny Isiraely izay teo amin’ i Saoly sy Jonatana koa.
22 Likewise all the men of Israel that had hid themselves in the hill-country of Ephraim, when they heard that the Philistines fled, even they also followed hard after them in the battle.
Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely izay niery tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, raha nandre ny nandosiran’ ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin’ ny ady.
23 So the LORD saved Israel that day; and the battle passed on as far as Beth-aven.
Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin’ izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
24 And the men of Israel were distressed that day; but Saul adjured the people, saying: 'Cursed be the man that eateth any food until it be evening, and I be avenged on mine enemies.' So none of the people tasted food.
Ary ory ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
25 And all the people came into the forest; and there was honey upon the ground.
Ary ny olona rehetra amin’ ny tany dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin’ ny tany.
26 And when the people were come unto the forest, behold a flow of honey; but no man put his hand to his mouth; for the people feared the oath.
Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin’ ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.
27 But Jonathan heard not when his father charged the people with the oath; and he put forth the end of the rod that was in his hand, and dipped it in the honeycomb, and put his hand to his mouth; and his eyes brightened.
Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin’ ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
28 Then answered one of the people, and said: 'Thy father straitly charged the people with an oath, saying: Cursed be the man that eateth food this day; and the people are faint.'
Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.
29 Then said Jonathan: 'My father hath troubled the land; see, I pray you, how mine eyes are brightened, because I tasted a little of this honey.
Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin’ ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan’ ny masoko tamin’ ilay nanandramako kely tamin’ ity tantely ity.
30 How much more, if haply the people had eaten freely to-day of the spoil of their enemies which they found? had there not been then a much greater slaughter among the Philistines?'
Ka mainka fa raha navela hihinanan’ ny olona ny babo azony tamin’ ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina?
31 And they smote of the Philistines that day from Michmas to Aijalon; and the people were very faint.
Ary izy ireo namely ny Filistina tamin’ izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.
32 And the people flew upon the spoil, and took sheep, and oxen, and calves, and slew them on the ground; and the people did eat them with the blood.
Dia nanaovan’ ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman’ osy sy omby ary zanak’ omby izy, dia namono azy teo amin’ ny tany, ka dia nohanin’ ny olona mbamin’ ny ràny.
33 Then they told Saul, saying: 'Behold, the people sin against the LORD, in that they eat with the blood.' And he said: 'Ye have dealt treacherously; roll a great stone unto me this day.'
Ary nisy nanambara tamin’ i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin’ i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin’ ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.
34 And Saul said: 'Disperse yourselves among the people, and say unto them: Bring me hither every man his ox, and every man his sheep, and slay them here, and eat; and sin not against the LORD in eating with the blood.' And all the people brought every man his ox with him that night, and slew them there.
Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin’ ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin’ i Jehovah amin’ ny fihinanana zavatra mbamin’ ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin’ izany alina izany ka namono azy teo.
35 And Saul built an altar unto the LORD; the same was the first altar that he built unto the LORD.
Ary Saoly nanao alitara ho an’ i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an’ i Jehovah.
36 And Saul said: 'Let us go down after the Philistines by night, and spoil them until the morning light, and let us not leave a man of them.' And they said: 'Do whatsoever seemeth good unto thee.' Then said the priest: 'Let us draw near hither unto God.'
Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan’ ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an’ Andriamanitra etoana.
37 And Saul asked counsel of God: 'Shall I go down after the Philistines? wilt Thou deliver them into the hand of Israel?' But He answered him not that day.
Ary Saoly nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan’ ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr’ iny.
38 And Saul said: 'Draw nigh hither, all ye chiefs of the people; and know and see wherein this sin hath been this day.
Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao?
39 For, as the LORD liveth, who saveth Israel, though it be in Jonathan my son, he shall surely die.' But there was not a man among all the people that answered him.
Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin’ i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
40 Then said he unto all Israel: 'Be ye on one side, and I and Jonathan my son will be on the other side.' And the people said unto Saul: 'Do what seemeth good unto thee.'
Dia hoy kosa izy tamin’ ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin’ i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
41 Therefore Saul said unto the LORD, the God of Israel: 'Declare the right.' And Jonathan and Saul were taken by lot; but the people escaped.
Dia hoy Saoly tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.
42 And Saul said: 'Cast lots between me and Jonathan my son.' And Jonathan was taken.
Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.
43 Then Saul said to Jonathan: 'Tell me what thou hast done.' And Jonathan told him, and said: 'I did certainly taste a little honey with the end of the rod that was in my hand; here am I: I will die.'
Dia hoy Saoly tamin’ i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin’ ny tendron’ ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.
44 And Saul said: 'God do so and more also; thou shalt surely die, Jonathan.'
Dia hoy Saoly: Hataon’ Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
45 And the people said unto Saul: 'Shall Jonathan die, who hath wrought this great salvation in Israel? Far from it; as the LORD liveth, there shall not one hair of his head fall to the ground; for he hath wrought with God this day.' So the people rescued Jonathan, that he died not.
Fa hoy ny vahoaka tamin’ i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin’ ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ ny tany, fa niara-niasa tamin’ Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an’ i Jonatana, ka dia tsy maty izy.
46 Then Saul went up from following the Philistines; and the Philistines went to their own place.
Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin’ ny taniny.
47 So Saul took the kingdom over Israel, and fought against all his enemies on every side, against Moab, and against the children of Ammon, and against Edom, and against the kings of Zobah, and against the Philistines; and whithersoever he turned himself, he put them to the worse.
Ary Saoly nahazo ny fanjakan’ Isiraely ary niady tamin’ ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin’ ny Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan’ i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
48 And he did valiantly, and smote the Amalekites, and delivered Israel out of the hands of them that spoiled them.
Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin’ ny tànan’ izay namaboazy.
49 Now the sons of Saul were Jonathan, and Ishvi, and Malchi-shua; and the names of his two daughters were these: the name of the first-born Merab, and the name of the younger Michal;
Ary izao no zanakalahin’ i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran’ ny zananivavy roa: ny anaran’ ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran’ ny faravavy Mikala.
50 and the name of Saul's wife was Ahinoam the daughter of Ahimaaz; and the name of the captain of his host was Abner, the son of Ner, Saul's uncle.
Ary ny anaran’ ny vadin’ i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin’ i Ahimaza: ary ny anaran’ ny komandin’ ny miaramilany dia Abnera, zanak’ i Nera, rahalahin-drain’ i Saoly.
51 And Kish was the father of Saul, and Ner the father of Abner was the son of Abiel.
Ary Kisy no rain’ i Saoly; ary Nera, rain’ i Abnera, dia zanak’ i Abiela.
52 And there was sore war against the Philistines all the days of Saul; and when Saul saw any mighty man, or any valiant man, he took him unto him.
Ary mafy ny ady tamin’ ny Filistina tamin’ ny andron’ i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan’ i Saoly, dia nalainy ho azy.

< 1 Samuel 14 >