< Mark 12 >

1 AND he began to speak to them in parables. A man planted a vineyard, and set a hedge around it, and digged a wine-press, and built a tower, and let it out to husbandmen, and went abroad.
Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
2 And in the season he sent a servant to the husbandmen, that he might receive from the husbandmen of the fruit of the vineyard.
Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka.
3 But they took him, and beat him, and sent him away empty.
Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
4 And again he sent unto them another servant; and they cut the account short with him, by stoning him, and sent him away shamefully treated.
Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.
5 And again he sent another; and him, they slew; and many others, some of whom they beat, and others they killed.
Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
6 Now he had yet one son, his beloved, and he sent him unto them last, saying, They will reverence my son.
Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
7 But these husbandmen said to each other, This is the heir; come, let us kill him, and the inheritance will be our own.
Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.
8 And they took him, and killed him, and cast him out of the vineyard.
Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan’ ny tanim-boaloboka.
9 What then will the lord of the vineyard do? He will come and destroy these husbandmen, and give his vineyard to others.
Koa ahoana no hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka amin’ izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.
10 Have ye never read this scripture? “The stone which the builders rejected, the same is become the head of the corner:
Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masìna izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;
11 this was the Lord’s doing, and it is marvellous in our eyes.”
Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika?
12 And they sought to seize him, and were afraid of the people: for they knew that he had spoken this parable against them: and leaving him, they departed.
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany; dia nandao an’ i Jesosy ny olona ka lasa.
13 And they sent unto him certain of the Pharisees and of the Herodians, that they might entrap him in discourse.
Ary nirahiny hankeo amin’ i Jesosy ny sasany avy tamin’ ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin’ ny teniny.
14 And they come and say to him, Master, we know that thou art true, and carest not for any man: for thou regardest not the person of men, but teachest the way of God in truth: Is it lawful to pay tribute to Caesar, or not?
Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan’ olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
15 shall we pay, or shall we not pay it? but he, perceiving their hypocrisy, said unto them, Why tempt ye me? bring me a denarius, that I may see it.
Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.
16 And they brought it. And he said unto them, Whose figure and inscription is this? they say unto him, Caesar’s.
Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An’ iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An’ i Kaisara.
17 And Jesus addressing them, said, Render the things which are Caesar’s, to Caesar; and what belongs to God, to God. And they marvelled at him.
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.
18 And the Sadducees come to him, who say that there is no resurrection; and they put a question to him, saying,
Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:
19 Master, Moses left it in writing for us, that if a man’s brother die, and leave a wife, and leave no children; that his brother should take his wife, and raise up seed for his brother.
Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
20 Now there were seven brothers; and the first took a wife, and dying left no issue:
Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
21 and the second took her, and died, and neither did he leave issue; and the third in like manner.
Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.
22 And the seven had her, and left no issue. Last of all died also the wife.
Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran’ izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
23 In the resurrection therefore, when they shall rise, whose wife of them shall she be? for the seven had the very same wife.
Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
24 And Jesus answering said unto them, Do ye not therefore err, from not knowing the scriptures, and the power of God?
Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna sy ny herin’ Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
25 For when they rise from the dead, they will neither marry, nor be given in marriage; but they are as the angels which are in heaven.
Fa amin’ ny hitsanganana amin’ ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.
26 But concerning the dead, that they do rise; have ye not read in the book of Moses, how God spake to him at the bush, saying, I am the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob?
Ka ny amin’ ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin’ ny bokin’ i Mosesy, eo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan’ Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba?
27 He is not the God of the dead, but the God of the living. Ye are therefore vastly erroneous.
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ ny velona; koa diso indrindra ianareo.
28 And one of the scribes coming, and hearing them questioning him, perceiving that he had answered them admirably, asked him, Which is the first commandment of all?
Dia nanatona an’ i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin’ ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’ izy rehetra?
29 Then Jesus replied to him, The first of all the commandments is, Hear O Israel; the Lord thy God is one Lord:
Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;
30 and thou shalt love the Lord thy God, with all thy heart, and with all thy soul, and with all thy mind, and with all thy strength. This is the first commandment.
koa tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.
31 And the second, like it, is this; Thou shalt love thy neighbour as thyself: there is no greater commandment than these.
Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
32 And the scribe said unto him, Admirably, Master! thou hast spoken the very truth: for there is one God; and there is no other besides him:
Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
33 and to love him with all the heart, and with all the understanding, and with all the soul, and with all the strength; and to love his neighbour as himself, is better than all burnt offerings, and sacrifices.
Ary ny ho tia Azy amin’ ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
34 And Jesus perceiving that he had answered as a man of intelligence, said to him, Thou art not far from the kingdom of God. And no man thenceforth presumed to question him.
Ary raha hitan’ i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’ Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
35 And Jesus addressing them said, as he taught in the temple, How say the scribes that the Messiah is the Son of David?
Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain’ ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak’ i Davida?
36 for David himself saith by the Spirit, The Lord said to my Lord, Sit thou at my right hand, until I make thy enemies the foot-stool for thy feet.
Kanefa ny tenan’ i Davida dia nampilazain’ ny Fanahy Masìna hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
37 David himself therefore calleth him Lord; and whence then is he his son? And a vast multitude heard him with delight.
Ny tenan’ i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin’ ny hafaliana.
38 And he spake to them in the course of his teaching, Beware of the scribes, who love to go about in trailing robes, and like salutations in the places of concourse,
Ary hoy Izy amin’ ny fampianarany: Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain’ olona eny an-tsena,
39 and the principal seats in the synagogues, and the first couch at suppers:
ary tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin’ ny fanasana,
40 who devour widows’ houses, and in pretence make long prayers: such shall receive greater damnation.
ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
41 And as Jesus was sitting opposite the treasury, he saw a multitude casting money into the treasury: and many who were rich cast in many pieces.
Ary raha nipetraka tandrifin’ ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.
42 And one poor widow coming, cast in two mites, which is a farthing.
Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy avy.
43 And having called his disciples, he said unto them, I tell you truly, that this poor widow hath cast in more than all who have cast into the treasury:
Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ ny fandatsahan-drakitra.
44 for all they have cast in of their superfluities; but she from her indigence hath cast in all that she had, even her whole substance.
Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.

< Mark 12 >