< Job 1 >

1 Once there was a man called Job who lived in the land of Uz. He was a man of integrity who did what was right. He respected God and avoided evil.
Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
2 He had seven sons and three daughters.
Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
3 He owned seven thousand sheep, three thousand camels, five hundred teams of oxen, and five hundred female donkeys, as well as many servants. He was more wealthy than anyone else in the East.
Ary ny fananany dia ondry aman’ osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
4 Job's sons used to take turns holding feasts in their homes on their specific day, also inviting their sisters to come and eat and drink with them.
Ary fanaon’ ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an’ androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
5 When the days of feasting were over, Job would send for them and purify them by getting up early in the morning to offer a burnt offering for each of them. He was concerned, thinking to himself, “Maybe my children have sinned in some way and have unintentionally offended God.” This is what Job always did.
Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan’ izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’ Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’ i Joba mandrakariva.
6 One day the angels came to present themselves to the Lord, and Satan came with them.
Ary tamin’ ny indray andro nony avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
7 The Lord asked Satan, “What have you been doing?” “Traveling around on earth, going here and there,” Satan replied.
Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an’ i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ ny tany aho ka nivezivezy teny.
8 “Have you paid attention to Job, my servant?” asked the Lord. “There's no one like him on earth, a man of integrity who does what is right, who respects God and avoids evil.”
Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
9 “Is it for nothing that Job respects God?” Satan answered. “You've placed a protective fence around him and his family—in fact around everything he has.
Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’ i Joba an’ Andriamanitra?
10 You have blessed everything he does. His flocks and herds have increased so much they fill the whole land!
Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman’ ondriny.
11 But if you reach out and take everything he has, he will definitely curse you to your face.”
Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e!
12 The Lord told Satan, “Very well, you have the power to do whatever you want to everything he has, but don't hurt him physically.” Then Satan left the Lord's presence.
Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’ i Jehovah.
13 The day came when while Job's sons and daughters were eating and drinking wine in their eldest brother's house,
Ary tamin’ ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon’ ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
14 a messenger came to Job and told him, “As the oxen were plowing and female donkeys were grazing nearby,
ary nisy iraka tonga tany amin’ i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
15 the Sabeans attacked and took them, killing the herdsmen. Only I escaped to bring you this news.”
dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
16 While he was still speaking another messenger arrived and said, “The fire of God fell from heaven and set the sheep and shepherds on fire and burned them up. Only I escaped to bring you this news.”
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon’ Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman’ osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
17 While he was still speaking another messenger arrived and said, “Three armed companies of Chaldeans attacked the camels and took them, killing the herdsmen. Only I escaped to bring you this news.”
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
18 While he was still speaking another messenger arrived and said, “Your sons and daughters were eating and drinking wine in the house of their eldest brother
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ ny zokiny lahimatoa;
19 when all of a sudden a tremendous wind came in from the desert. It hit the house on all four sides so that it collapsed on them and they died. Only I escaped to bring you this news.”
ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
20 Then Job stood up and tore his robe. Then cut off his hair and fell to the ground in worship.
Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin’ ny tany ka niankohoka
21 “I was naked when I came out of my mother's womb, and I shall be naked when I leave,” he said. “The Lord gave, and the Lord has taken away. May the Lord's name be honored.”
sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’ i Jehovah
22 In all of this Job did not sin, nor blame God.
Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’ Andriamanitra.

< Job 1 >