< Genesis 26 >

1 There was a famine in the country—not the one that happened before in Abraham's time, but a later one. So Isaac moved to Gerar in the territory of Abimelech, king of the Philistines.
Ary nisy mosary indray teo amin’ ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon’ i Abrahama. Ary Isaka nankany amin’ i Abimeleka mpanjakan’ ny Filistina, tany Gerara.
2 The Lord appeared to Isaac and told him, “Don't go to Egypt—live in the country that I tell you to.
Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midìna any Egypta ianao; mitoera eo amin’ ny tany izay holazaiko aminao.
3 Stay here in this country. I will be with you and I will bless you, because I'm going to give you and your descendants all these lands. I will keep the solemn promise that I swore to Abraham your father.
Mivahinia eto amin’ ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin’ i Abrahama rainao;
4 I will make your descendants as numerous as the stars of heaven and I will give them all these lands. All the nations of the earth will be blessed by your descendants,
dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany;
5 because Abraham did what I told him, and kept my requirements, my commands, my regulations, and my laws.”
satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
6 So Isaac stayed in Gerar.
Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.
7 When the men there asked him about his wife, he told them, “She's my sister,” because he was afraid. He said to himself, “If I say she's my wife, the men here will kill me to get Rebekah, because she's so beautiful.”
Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin’ ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
8 But later on, after he'd been there a while, Abimelech, king of the Philistines, happened to look out the window and saw Isaac lovingly fondling his wife Rebekah.
Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan’ ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
9 Abimelech sent for Isaac and complained. “From what I saw she's clearly your wife!” he said. “Why on earth did you say, ‘She's my sister’?” “Because I thought I'd be killed because of her,” Isaac replied.
Ary Abimeleka dia niantso an’ Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.
10 “Why would you do this to us?” Abimelech asked. “One of the men here might have slept with your wife, and you would have made us all guilty!”
Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin’ ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
11 Abimelech issued orders to all the people, warning them, “Anyone who touches this man or his wife will be executed.”
Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
12 Isaac sowed grain that year, and the Lord blessed him with a harvest that was a hundred times what he planted.
Dia namafy tamin’ izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin’ izay taona izay, satria efa notahin’ i Jehovah izy.
13 He became a rich man, and his wealth steadily increased until he was very rich.
Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
14 He owned many flocks of sheep and herds of cattle, as well as many slaves. He had so much that the Philistines became jealous of him.
fa nanana fananana be izy, dia ondry aman’ osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.
15 So the Philistines used dirt to block up all the wells his father Abraham's servants had dug.
Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin’ ny mpanompon-drainy fony fahavelon’ i Abrahama rainy, dia efa novonoin’ ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
16 Then Abimelech told Isaac, “You have to leave our country, because you've become much too powerful for us.”
Ary hoy Abimeleka tamin’ Isaka: Miala atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay.
17 So Isaac moved away and set up his tents in the Gerar Valley where he settled down.
Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan’ i Gerara ka nonina teo.
18 He unblocked the wells that had been dug in his father Abraham's time—the ones the Philistines had blocked after the death of Abraham. He gave them the same names his father had.
Dia noloaran’ Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’ i Abrahama rainy, fa efa novonoin’ ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
19 Isaac's servants also dug a new well in the valley and found spring water.
Dia nihady teo amin’ ny lohasaha ny mpanompon’ Isaka ka nahita loharano velona teo.
20 But the herdsmen from Gerar argued with Isaac's herdsmen, claiming, “That's our water!” So Isaac named the well, “Argument,” because they argued with him.
Ary niady tamin’ ny mpiandry ombin’ Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran’ ny lavaka fantsakana dia nataon’ Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.
21 He had another well dug, and they argued over that one too. He named the well, “Opposition.”
Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna.
22 So they moved on from there and he had another well dug. This time there was no argument so he named the well, “Freedom,” saying, “Now the Lord has given us freedom to expand and be successful in this land.”
Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen’ i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin’ ny tany.
23 From there he moved on to Beersheba.
Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.
24 That night the Lord appeared to him and said, “I am the God of Abraham your father. Don't be afraid, for I am with you. I will bless you and give you many descendants for the sake of my servant Abraham.”
Ary Jehovah niseho taminy tamin’ iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin’ i Abrahama mpanompoko.
25 Isaac built an altar and worshiped the Lord. He also set up his tent, and his servants dug a well there.
Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran’ i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon’ Isaka.
26 Sometime later Abimelech came from Gerar to see Isaac, along with Ahuzzath his advisor, and Phicol the commander of his army.
Ary Abimeleka mbamin’ i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin’ Isaka.
27 “Why have you come to see me?” Isaac asked them. “Previously you hated me and told me to leave!”
Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo?
28 “Now we realize that the Lord is with you,” they replied. “So we agreed that we should make a sworn agreement with you.
Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,
29 You'll promise not to harm us in the same way we've never hurt you. You'll agree that we've always treated you well, and when we asked you to leave we did so kindly. Now look at how the Lord is blessing you!”
fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin’ i Jehovah.
30 So Isaac had a special meal prepared to celebrate the agreement. They ate and drank,
Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
31 and got up early in the morning and they each swore oaths to one other. Then Isaac sent them on their way, and they left in peace.
Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin’ Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.
32 It was that very day when Isaac's servants who'd been digging a well came and told him, “We've found water!”
Ary tamin’ izany andro izany dia avy ny mpanompon’ Isaka ka nanambara taminy ny amin’ ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.
33 So Isaac named the well, “Oath,” and that's why the name of the town is “Well of the Oath” (Beersheba) to this day.
Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran’ ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.
34 When Esau was 40, he married Judith, daughter of Beeri the Hittite, as well as Basemath, daughter of Elon the Hittite.
Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an’ i Jodita, zanakavavin’ i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin’ i Elona Hetita, izy.
35 They caused Isaac and Rebekah a great deal of grief.
Dia nangidy tamin’ ny fanahin’ Isaka sy Rebeka indrindra ireny.

< Genesis 26 >