< Daniel 12 >
1 At that time Michael the great prince, the protector of your people, will stand up and there will be a time of trouble like never before, since nations first existed. But at that time your people will be saved, all whose names are written in the book.
Ary amin’ izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ ny firenena ka hatramin’ izany andro izany; ary amin’ izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ ny boky.
2 Millions sleeping in the ground in death will awake, some to eternal life, and some to eternal shame and disgrace.
Ary maro amin’ izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
3 Those who are wise will shine as bright as the sky; those who have shown many the right way to live will shine as bright as the stars forever and ever.
Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
4 But as for you, Daniel, keep this message secret, and seal the book closed until the time of the end. Many will search this way and that way, and knowledge will grow greater and greater.”
Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.
5 Then I, Daniel, noticed two others, each standing on opposite sides of the river.
Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron’ ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
6 One of then asked the man dressed in linen who was above the river's waters, “How long before these outrageous things come to an end?”
Ary hoy ny anankiray tamin’ ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran’ ireo fahagagana ireo?
7 The man dressed in linen, who was above the river's waters, lifted both hands to heaven made a solemn promise by the One who lives eternally. I heard him say, “It will last for a time, times, and half a time. When the scattering of the power of the holy people has come to an end, then all these things will also come to an end.”
Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ ny lanitra ka reko nianiana tamin’ Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ ny olo-masìna, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
8 I heard the answer, but I didn't understand it. So I asked, “My lord, what's the final result of all this?”
Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ ireo zavatra ireo?
9 “Daniel, you can go on your way now,” he replied, “for this message is secret and kept sealed until the time of the end.
Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ ny andro farany.
10 Many will be purified and cleansed and refined, but the wicked will go on being wicked. None of the wicked will understand, but the wise will understand.
Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
11 From the time the continual ministry is stopped in order to set up the idolatry that causes devastation will be one thousand two hundred and ninety days.
Ary hatramin’ ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan’ andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
12 Blessed are those who patiently wait for and reach the one thousand three hundred and thirty-five days.
Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
13 But as for you, go your way until your life ends, and then rest. You will rise to receive your reward at the end of time.”
Fa mandehana ianao mandra-pihavin’ ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin’ ny anjaranao amin’ ny andro farany.