< Romans 14 >

1 Now him that is weak in faith, take unto you: not in disputes about thoughts.
Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza, mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
2 For one believeth that he may eat all things: but he that is weak, let him eat herbs.
Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
3 Let not him that eateth, despise him that eateth not: and he that eateth not, let him not judge him that eateth. For God hath taken him to him.
Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
4 Who art thou that judgest another man’s servant? To his own lord he standeth or falleth. And he shall stand: for God is able to make him stand.
Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ ny hafa? Amin’ ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
5 For one judgeth between day and day: and another judgeth every day: let every man abound in his own sense.
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ ny sainy avy izy.
6 He that regardeth the day, regardeth it unto the Lord. And he that eateth, eateth to the Lord: for he giveth thanks to God. And he that eateth not, to the Lord he eateth not, and giveth thanks to God.
Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ ny Tompo, satria misaotra an’ Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ ny Tompo, sady misaotra an’ Andriamanitra koa izy.
7 For none of us liveth to himself; and no man dieth to himself.
Fa tsy misy velon-ko an’ ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ ny tenany.
8 For whether we live, we live unto the Lord; or whether we die, we die unto the Lord. Therefore, whether we live, or whether we die, we are the Lord’s.
Fa raha velona isika, dia velona ho an’ ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ ny Tompo; koa amin’ izany, na velona na maty isika, dia an’ ny Tompo ihany.
9 For to this end Christ died and rose again; that he might be Lord both of the dead and of the living.
Fa izany no nahafatesan’ i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ ny maty sy ny velona Izy.
10 But thou, why judgest thou thy brother? or thou, why dost thou despise thy brother? For we shall all stand before the judgment seat of Christ.
Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ ny fitsaran’ Andriamanitra isika rehetra.
11 For it is written: As I live, saith the Lord, every knee shall bow to me, and every tongue shall confess to God.
Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’ Andriamanitra.
12 Therefore every one of us shall render account to God for himself.
Koa samy hampamoahin’ Andriamanitra ny amin’ ny tenany avy isika rehetra.
13 Let us not therefore judge one another any more. But judge this rather, that you put not a stumblingblock or a scandal in your brother’s way.
Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ ny rahalahy.
14 I know, and am confident in the Lord Jesus, that nothing is unclean of itself; but to him that esteemeth any thing to be unclean, to him it is unclean.
Mahalala sady matoky ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
15 For if, because of thy meat, thy brother be grieved, thou walkest not now according to charity. Destroy not him with thy meat, for whom Christ died.
Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
16 Let not then our good be evil spoken of.
Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy ny fahasoavana azonareo.
17 For the kingdom of God is not meat and drink; but justice, and peace, and joy in the Holy Ghost.
Fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy amin’ ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ ny Fanahy Masìna.
18 For he that in this serveth Christ, pleaseth God, and is approved of men.
Fa izay manompo an’ i Kristy amin’ izany zavatra izany no sitrak’ Andriamanitra sy eken’ ny olona fa tsara.
19 Therefore let us follow after the things that are of peace; and keep the things that are of edification one towards another.
Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
20 Destroy not the work of God for meat. All things indeed are clean: but it is evil for that man who eateth with offence.
Aza izay hanina no andravanao ny asan’ Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ ny olona izay mihinana amin’ ny fahatafintohinana.
21 It is good not to eat flesh, and not to drink wine, nor any thing whereby thy brother is offended, or scandalized, or made weak.
Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
22 Hast thou faith? Have it to thyself before God. Blessed is he that condemneth not himself in that which he alloweth.
Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’ Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’ izay zavatra ekeny.
23 But he that discerneth, if he eat, is condemned; because not of faith. For all that is not of faith is sin.
Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ ny finoana.

< Romans 14 >