< Job 25 >
1 Then Baldad the Suhite answered, and I said:
Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
2 Power and terror are with him, who maketh peace in his high places.
Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin’ ny avo Izy.
3 Is there any numbering of his soldiers? and upon whom shall not his light arise?
Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan’ iza no tsy ihoaran’ ny Azy?
4 Can man be justified compared with God, or he that is born of a woman appear clean?
Ary aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
5 Behold even the moon doth not shine, and the stars are not pure in his sight.
Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;
6 How much less man that is rottenness and the son of man who is a worm?
Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak’ olombelona, izay olitra.