< Genesis 21 >

1 And the Lord visited Sara, as he had promised: and fulfilled what he had spoken.
Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny.
2 And she conceived and bore a son in her old age, at the time that God had foretold her.
Dia nanan’ anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin’ i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin’ ny fotoana izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy.
3 And Abraham called the name of his son, whom Sara bore him, Isaac.
Ary ny anaran’ ny zanany izay teraka, ilay naterak’ i Saraha taminy dia nataon’ i Abrahama hoe Isaka.
4 And he circumcised him the eighth day, as God had commanded him,
Dia noforan’ i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian’ Andriamanitra azy.
5 When he was a hundred years old: for at this age of his father was Isaac born.
Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an’ i Isaka zanany izy.
6 And Sara said: God hath made a laughter for me: whosoever shall hear of it will laugh with me.
Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin’ Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
7 And again she said: Who would believe that Abraham should hear that Sara gave suck to a son, whom she bore to him in his old age.
Ary hoy koa izy: Nampoizin’ iza akory moa no hilaza amin’ i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
8 And the child grew and was weaned: and Abraham made a great feast on the day of his weaning.
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin’ ny andro nanotazana an’ Isaka.
9 And when Sara had seen the son of Agar the Egyptian playing with Isaac her son, she said to Abraham:
Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak’ i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin’ i Abrahama.
10 Cast out this bondwoman, and her son: for the son of the bondwoman shall not be heir with my son Isaac.
Dia hoy izy tamin’ i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’ io andevovavy io tsy hiray lova amin’ ny zanako, dia amin’ Isaka.
11 Abraham took this grievously for his son.
Fa ratsy teo imason’ i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin’ ny zanany.
12 And God said to him: Let it not seem grievous to thee for the boy, and for thy bondwoman: in all that Sara hath said to thee, hearken to her voice: for in Isaac shall thy seed be called.
Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’ i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
13 But I will make the son also of the bondwoman a great nation, because he is thy seed.
Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
14 So Abraham rose up in the morning, and taking bread and a bottle of water, put it upon her shoulder, and delivered the boy, and sent her away. And she departed, and wandered in the wilderness of Bersabee.
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.
15 And when the water in the bottle was spent, she cast the boy under one of the trees that were there.
Ary rehefa lany ny rano tao amin’ ny siny hoditra, dia nariany teo am-pototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
16 And she went her way, and sat over against him a great way off as far as a bow can carry, for she said: I will not see the boy die: and sitting over against, she lifted up her voice and wept.
Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan’ ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
17 And God heard the voice of the boy: and an angel of God called to Agar from heaven, saying: What art thou doing, Agar? fear not: for God hath heard the voice of the boy, from the place wherein he is.
Ary ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza, dia niantso an’ i Hagara Ilay Anjelin’ Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza eo amin’ ny itoerany.
18 Arise, take up the boy, and hold him by the hand: for I will make him a great nation.
Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
19 And God opened her eyes: and she saw a well of water, and went and filled the bottle, and gave the boy to drink.
Dia nampahiratin’ Andriamanitra ny mason’ i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20 And God was with him: and he grew, and dwelt in the wilderness, and became a young man, an archer.
Ary nomban’ Andriamanitra ny zaza, dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
21 And he dwelt in the wilderness of Pharan, and his mother took a wife for him out of the land of Egypt.
Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan’ ny reniny vady avy tany amin’ ny tany Egypta izy.
22 At the same time Abimelech, and Phicol the general of his army said to Abraham: God is with thee in all that thou dost.
Ary tamin’ izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, dia niteny tamin’ i Abrahama ka nanao hoe: Omban’ Andriamanitra ianao amin’ izay rehetra ataonao;
23 Swear therefore by God, that thou wilt not hurt me, nor my posterity, nor my stock: but according to the kindness that I have done to thee, thou shalt do to me, and to the land wherein thou hast lived a stranger.
koa ankehitriny ianiano amin’ Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ ny tany izay ivahinianao.
24 And Abraham said: I will swear.
Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
25 And he reproved Abimelech for a well of water, which his servants had taken away by force.
Ary Abrahama nananatra an’ i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain’ ny mpanompon’ i Abimeleka an-keriny
26 And Abimelech answered: I knew not who did this thing: and thou didst not tell me, and I heard not of it till today.
Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
27 And Abraham took sheep and oxen and gave them to Abimelech: and both of them made a league.
Ary Abrahama naka ondry aman’ osy sy omby, ka nomeny an’ i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
28 And Abraham set apart seven ewe lambs of the flock.
Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin’ ny ondry.
29 And Abimelech said to him: What mean these seven ewe lambs which thou hast set apart?
Ary hoy Abimeleka tamin’ i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
30 But he said: Thou shalt take seven ewe lambs at my hand: that they may be a testimony for me, that I dug this well.
Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin’ ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
31 Therefore that place was called Bersabee: because there both of them did swear.
Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’ izy roa lahy.
32 And they made a league for the well of oath.
Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ ny tanin’ ny Filistina.
33 And Abimelech, and Phicol the general of his army arose and returned to the land of the Palestines. But Abraham planted a grove in Bersabee, and there called upon the name of the Lord God eternal.
Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’ i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
34 And he was a sojourner in the land of the Palestines many days.
Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.

< Genesis 21 >