< Ezekiel 17 >

1 And the word of the Lord came to me, saying:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 Son of man, put forth a riddle, and speak a parable to the house of Israel,
Ry zanak’ olona, manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin’ ny taranak’ Isiraely,
3 And say: Thus saith the Lord God: A large eagle with great wings, long-limbed, full of feathers, and of variety, came to Libanus, and took away the marrow of the cedar.
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon’ elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin’ ny rantsan’ ny sedera;
4 He cropped off the top of the twigs thereof: and carried it away into the land of Chanaan, and he set it in a city of merchants.
ny tendron’ ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin’ ny tany fandrantoana; eny, tao an-tanànan’ ny mpandranto no namboleny azy.
5 And he took of the seed of the land, and put it in the ground for seed, that it might take a firm root over many waters: he planted it on the surface of the earth.
Nangalany koa ny voan-javatra tamin’ ny tany ka namboleny tao amin’ ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron’ ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin’ ny hazomalahelo.
6 And it sprung up and grew into a spreading vine of low stature, and the branches thereof looked towards him: and the roots thereof were under him. So it became a vine, and grew into branches, and shot forth sprigs.
Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan’ ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
7 And there was another large eagle, with great wings, and many feathers: and behold this vine, bending as it were her roots towards him, stretched forth her branches to him, that he might water it by the furrows of her plantation.
Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin’ ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
8 It was planted in a good ground upon many waters, that it might bring forth branches, and bear fruit, that it might become a large vine.
Voavoly tao amin’ ny saha tsara teo amoron’ ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.
9 Say thou: Thus saith the Lord God: Shall it prosper then? shall he not pull up the roots thereof, and strip off its fruit, and dry up all the branches it hath shot forth, and make it wither: and this without a strong arm, or many people, to pluck it up by the root?
Ataovinao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin’ ny fakany intsony.
10 Behold, it is planted: shall it prosper then? shall it not be dried up when the burning wind shall touch it, and shall it not wither in the furrows where it grew?
Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian’ ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin’ ny tany voafaritra naniriany izy.
11 And the word of the Lord came to me, saying:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
12 Say to the provoking house: Know you not what these things mean? Tell them: Behold the king of Babylon cometh to Jerusalem: and he shall take away the king and the princes thereof, and carry them with him to Babylon.
Lazao amin’ ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr’ ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’ i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
13 And he shall take one of the king’s seed, and make a covenant with him, and take an oath of him. Yea, and he shall take away the mighty men of the land,
Ary naka ny anankiray tamin’ ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin’ ny tany dia nentiny nandeha,
14 That it may be a low kingdom and not lift itself up, but keep his covenant, and observe it.
mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
15 But he hath revolted from him and sent ambassadors to Egypt, that it might give him horses, and much people. And shall he that hath done thus prosper, or be saved? and shall he escape that hath broken the covenant?
Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
16 As I live, saith the Lord God: In the place where the king dwelleth that made him king, whose oath he hath made void, and whose covenant he broke, even in the midst of Babylon shall he die.
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin’ ny tanin’ ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin’ io, any Babylona, no hahafatesany.
17 And not with a great army, nor with much people shall Pharao fight against him: when he shall cast up mounts, and build forts, to cut off many souls.
Ary amin’ ny hanandratan’ ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin’ ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.
18 For he had despised the oath, breaking his covenant, and behold he hath given his hand: and having done all these things, he shall not escape.
Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin’ ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
19 Therefore thus saith the Lord God: As I live, I will lay upon his head the oath he hath despised, and the covenant he hath broken.
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
20 And I will spread my net over him, and he shall be taken in my net: and I will bring him into Babylon, and will judge him there for the transgression by which he hath despised me.
Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan’ ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
21 And all his fugitives with all his bands shall fall by the sword: and the residue shall be scattered into every wind: and you shall know that I the Lord have spoken.
Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon’ ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin’ ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
22 Thus saith the Lord God: I myself will take of the marrow of the high cedar, and will set it: I will crop off a tender twig from the top of the branches thereof, and I will plant it on a mountain high and eminent.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin’ ny rantsana avo indrindra amin’ ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin’ ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
23 On the high mountains of Israel will I plant it, and it shall shoot forth into branches, and shall bear fruit, and it shall become a great cedar: and all birds shall dwell under it, and every fowl shall make its nest under the shadow of the branches thereof.
Ao amin’ ny tendrombohitra avon’ ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin’ ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
24 And all the trees of the country shall know that I the Lord have brought down the high tree, and exalted the low tree: and have dried up the green tree, and have caused the dry tree to flourish. I the Lord have spoken and have done it.
Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.

< Ezekiel 17 >