< Numbers 21 >

1 And the Canaanite king of Arad, who dwelt in the south, heard that Israel came by the way of Atharim, and he fought against Israel, and took some of them prisoners.
Ary raha ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo, fa efa mandeha amin’ ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin’ ny Isiraely.
2 Then Israel vowed a vow to Jehovah, and said, If thou give this people wholly into my hand, then I will utterly destroy their cities.
Dia nivoady tamin’ i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
3 And Jehovah listened to the voice of Israel, and delivered up the Canaanites; and they utterly destroyed them, and their cities. And they called the name of the place Hormah.
Ary Jehovah nihaino ny feon’ ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon’ ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Horma.
4 And they journeyed from mount Hor by the way of the Red sea, to go round the land of Edom; and the soul of the people became impatient on the way;
Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin’ ny olona noho ny lalana.
5 and the people spoke against God, and against Moses, Why have ye brought us up out of Egypt that we should die in the wilderness? for there is no bread, and no water, and our soul loathes this light bread.
Ary niteny nanome tsiny an’ Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin’ ny lalan’ ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
6 Then Jehovah sent fiery serpents among the people, which bit the people; and much people of Israel died.
Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran’ afo teny amin’ ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.
7 And the people came to Moses and said, We have sinned, in that we have spoken against Jehovah, and against thee: pray to Jehovah that he take away the serpents from us. And Moses prayed for the people.
Dia nankeo amin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’ i Jehovah sy ianao. Ifony amin’ i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ ny olona Mosesy.
8 And Jehovah said to Moses, Make thee a fiery [serpent], and set it upon a pole; and it shall come to pass, that every one that is bitten, and looketh upon it, shall live.
Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran’ afo, ka ahantòny amin’ ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
9 And Moses made a serpent of brass, and put it upon a pole; and it came to pass, if a serpent had bitten any man, and he beheld the serpent of brass, he lived.
Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin’ ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
10 And the children of Israel journeyed, and encamped in Oboth.
Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
11 And they removed from Oboth, and encamped at Ijim-Abarim, in the wilderness that is before Moab, toward the sun-rising.
Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin’ ny efitra izay mifanolotra amin’ i Moaba, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
12 From thence they removed, and encamped at the torrent Zered.
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin’ ny lohasahan-driaka Zareda.
13 From thence they removed, and encamped on the other side of the Arnon, which is in the wilderness that comes out of the border of the Amorites. For the Arnon is the border of Moab, between Moab and the Amorites.
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’ i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin’ ny fari-tanin’ ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin’ ny Moabita, eo anelanelan’ ny Moabita sy ny Amorita.
14 Therefore it is said in the book of the wars of Jehovah, Vaheb in Suphah, and the brooks of Arnon;
Koa izany no ilazana eo amin’ ny Bokin’ ny Adin’ i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,
15 And the stream of the brooks which turneth to the dwelling of Ar, And inclineth toward the border of Moab.
Ary ny tany kisolosolo amin’ ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin’ ny tanin’ i Ara ka mipaka amin’ ny fari-tanin’ i Moaba.
16 And from thence to Beer: that is the well of which Jehovah spoke to Moses, Assemble the people, and I will give them water.
Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.
17 Then Israel sang this song, Rise up, well! sing unto it:
Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;
18 Well which princes digged, which the nobles of the people hollowed out at [the word of] the lawgiver, with their staves. And from the wilderness [they went] to Mattanah;
Lavaka fantsakana izay nohadin’ ireo mpanao lalàna, ary nolavahan’ ireo manan-kaja amin’ ny firenena. Tamin’ ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
19 and from Mattanah to Nahaliel; and from Nahaliel to Bamoth;
Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;
20 and from Bamoth to the valley that is in the fields of Moab, to the top of Pisgah, which looks over the surface of the waste.
ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin’ ny tany Moaba, ao an-tampon’ i Pisga, izay manatrika ny efitra.
21 And Israel sent messengers to Sihon king of the Amorites, saying,
Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, hanao hoe:
22 Let us pass through thy land; we will not turn into the fields, or into the vineyards; we will not drink water out of the wells; on the king's road will we go until we have passed thy border.
Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin’ ny saha na ho amin’ ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana; ny lalan’ andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
23 But Sihon would not suffer Israel to go through his border; and Sihon gathered all his people, and went out against Israel into the wilderness, and came to Jahaz, and fought against Israel.
Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin’ ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin’ ny Isiraely teo izy.
24 And Israel smote him with the edge of the sword, and took possession of his land from the Arnon to the Jabbok, even unto the children of Ammon; for the border of the children of Ammon was strong.
Ary ny Isiraely namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin’ ny taranak’ i Amona; fa mafy ny fari-tanin’ ny taranak’ i Amona.
25 And Israel took all these cities, and Israel dwelt in all the cities of the Amorites, at Heshbon, and in all its dependent villages.
Dia nalain’ ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan’ ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
26 For Heshbon was the city of Sihon the king of the Amorites; and he had fought against the former king of Moab, and had taken all his land out of his hand, even unto the Arnon.
Hesbona no tanànan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’ i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
27 Therefore the poets say, Come to Heshbon; let the city of Sihon be built and established.
Izany no nanaovan’ ny mpanao oha-teny hoe: Midìra ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan’ i Sihona;
28 For there went forth fire from Heshbon, a flame from the city of Sihon; It consumed Ar of Moab, the lords of the high places of the Arnon.
Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan’ i Sihona, Ka nandevona an’ i Aran’ i Moaba sy ny tompon’ ny havoan’ i Arnona.
29 Woe to thee, Moab! thou art undone, people of Chemosh: He gave his sons that had escaped, and his daughters into captivity to Sihon the king of the Amorites.
Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’ i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita.
30 And we have shot at them; Heshbon is perished even unto Dibon; and we have laid [them] waste even unto Nophah, which reacheth unto Medeba.
Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an’ i Medeba.
31 And Israel dwelt in the land of the Amorites.
Dia nitoetra tao amin’ ny tanin’ ny Amorita ny Isiraely.
32 And Moses sent to spy out Jaazer, and they took its dependent villages, and he dispossessed the Amorites that were there.
Ary Mosesy naniraka olona hisafo an’ i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.
33 And they turned and went up by the way to Bashan; and Og the king of Bashan went out against them, he and all his people, for battle to Edrei.
Ary niverina ny olona ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan’ i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
34 And Jehovah said to Moses, Fear him not! for into thy hand have I given him, and all his people, and his land; and thou shalt do to him as thou didst unto Sihon the king of the Amorites, who dwelt at Heshbon.
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
35 And they smote him, and his sons, and all his people, so that they left him none remaining, and took possession of his land.
Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.

< Numbers 21 >