< Job 38 >
1 And Jehovah answered Job out of the whirlwind and said,
Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe:
2 Who is this that darkeneth counsel by words without knowledge?
Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ ny teny tsy misy fahalalana?
3 Gird up now thy loins like a man; and I will demand of thee, and inform thou me.
Misikìna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
4 Where wast thou when I founded the earth? Declare, if thou hast understanding.
Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
5 Who set the measures thereof — if thou knowest? or who stretched a line upon it?
Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6 Whereupon were the foundations thereof sunken? or who laid its corner-stone,
Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7 When the morning stars sang together, and all the sons of God shouted for joy?
Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra?
8 And who shut up the sea with doors, when it burst forth, issuing out of the womb?
Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9 When I made the cloud its garment, and thick darkness a swaddling band for it;
Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
10 When I cut out for it my boundary, and set bars and doors,
Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
11 And said, Hitherto shalt thou come and no further, and here shall thy proud waves be stayed?
Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
12 Hast thou since thy days commanded the morning? hast thou caused the dawn to know its place,
Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro,
13 That it might take hold of the ends of the earth, and the wicked might be shaken out of it?
Mba horaisiny ny sisin’ ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
14 It is changed like the signet-clay; and [all things] stand forth as in a garment:
Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,
15 And from the wicked their light is withholden, and the uplifted arm is broken.
Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
16 Hast thou entered as far as the springs of the sea? and hast thou walked in the recesses of the deep?
Moa efa niditra hatrany amin’ ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ ny fanambanin’ ny lalina?
17 Have the gates of death been revealed unto thee? and hast thou seen the gates of the shadow of death?
Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana?
18 Hath thine understanding compassed the breadths of the earth? Declare if thou knowest it all.
Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
19 Where is the way to where light dwelleth? and the darkness, where is its place,
Aiza ary no lalana ho any amin’ ny fonenan’ ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ ny maizina?
20 That thou shouldest take it to its bound, and that thou shouldest know the paths to its house?
Mba hitondranao izany ho amin’ ny faran’ ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
21 Thou knowest, for thou wast then born, and the number of thy days is great!
Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’ izay, ary maro ny isan’ ny andronao!
22 Hast thou entered into the storehouses of the snow, and hast thou seen the treasuries of the hail,
Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
23 Which I have reserved for the time of distress, for the day of battle and war?
Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
24 By what way is the light parted, [and] the east wind scattered upon the earth?
Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ ny tany?
25 Who hath divided a channel for the rain-flood, and a way for the thunder's flash;
Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana,
26 To cause it to rain on the earth, where no one is; on the wilderness wherein there is not a man;
Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina,
27 To satisfy the desolate and waste [ground], and to cause the sprout of the grass to spring forth?
Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
28 Hath the rain a father? or who begetteth the drops of dew?
Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ ando?
29 Out of whose womb cometh the ice? and the hoary frost of heaven, who bringeth it forth?
Kibon’ iza moa no nihavian’ ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ ny lanitra, iza no niteraka azy?
30 When the waters lie hidden as in stone, and the face of the deep holdeth fast together.
Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ ny lalina.
31 Canst thou fasten the bands of the Pleiades, or loosen the cords of Orion?
Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
32 Dost thou bring forth the constellations each in its season? or dost thou guide the Bear with her sons?
Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao?
33 Knowest thou the ordinances of the heavens? dost thou determine their rule over the earth?
Fantatrao va ny lalàn’ ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ ireny ny tany va ianao?
34 Dost thou lift up thy voice to the clouds, that floods of waters may cover thee?
Mahasandratra ny feonao ho amin’ ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
35 Dost thou send forth lightnings that they may go, and say unto thee, Here we are?
Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
36 Who hath put wisdom in the inward parts? or who hath given understanding to the mind?
Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
37 Who numbereth the clouds with wisdom? or who poureth out the bottles of the heavens,
Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra,
38 When the dust runneth as into a molten mass, and the clods cleave fast together?
Hitambaran’ ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
39 Dost thou hunt the prey for the lioness, and dost thou satisfy the appetite of the young lions,
Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora,
40 When they crouch in [their] dens, [and] abide in the thicket to lie in wait?
Raha mamitsaka ao amin’ ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ ny kirihitrala?
41 Who provideth for the raven his food, when his young ones cry unto God, [and] they wander for lack of meat?
Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’ Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?