< Job 10 >

1 My soul is weary of my life: I will give free course to my complaint; I will speak in the bitterness of my soul.
Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ ny fanahiko
2 I will say unto God, Do not condemn me; shew me wherefore thou strivest with me.
Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho.
3 Doth it please thee to oppress, that thou shouldest despise the work of thy hands, and shine upon the counsel of the wicked?
Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy?
4 Hast thou eyes of flesh? or seest thou as man seeth?
Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ ny zanak’ olombelona?
5 Are thy days as the days of a mortal? are thy years as a man's days,
Tahaka ny andron’ ny zanak’ olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ ny olombelona ny taonanao,
6 That thou searchest after mine iniquity, and inquirest into my sin;
No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
7 Since thou knowest that I am not wicked, and that there is none that delivereth out of thy hand?
Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ ny tananao?
8 Thy hands have bound me together and made me as one, round about; yet dost thou swallow me up!
Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
9 Remember, I beseech thee, that thou hast made me as clay, and wilt bring me into dust again.
Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ ny vovoka indray Hianao!
10 Hast thou not poured me out as milk, and curdled me like cheese?
Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
11 Thou hast clothed me with skin and flesh, and knit me together with bones and sinews;
Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra.
12 Thou hast granted me life and favour, and thy care hath preserved my spirit;
Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
13 And these things didst thou hide in thy heart; I know that this was with thee.
Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
14 If I sinned, thou wouldest mark me, and thou wouldest not acquit me of mine iniquity.
Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko.
15 If I were wicked, woe unto me! and righteous, I will not lift up my head, being [so] full of shame, and beholding mine affliction; —
Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
16 And it increaseth: thou huntest me as a fierce lion; and ever again thou shewest thy marvellous power upon me.
Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
17 Thou renewest thy witnesses before me and increasest thy displeasure against me; successions [of evil] and a time of toil are with me.
Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
18 And wherefore didst thou bring me forth out of the womb? I had expired, and no eye had seen me.
Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
19 I should be as though I had not been; I should have been carried from the womb to the grave.
Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
20 Are not my days few? cease then and let me alone, that I may revive a little,
Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
21 Before I go, and never to return, — to the land of darkness and the shadow of death;
Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ ny tanin’ ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
22 A land of gloom, as darkness itself; of the shadow of death, without any order, where the light is as thick darkness.
Ho any amin’ ny tany maizim-pito, dia ny an’ ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.

< Job 10 >