< Jonas 3 >

1 And the word of the Lord came to Jonas the second time, saying,
Ary tonga fanindroany tamin’ i Jona ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 Rise, go to Nineve, the great city, and preach in it according to the former preaching which I spoke to you of.
Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.
3 And Jonas arose, and went to Nineve, as the Lord had spoken. Now Nineve was an exceeding great city, of about three days' journey.
Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’ i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’ Andriamanitra, dia lalana hateloana.
4 And Jonas began to enter into the city about a day's journey, and he proclaimed, and said, Yet three days, and Nineve shall be overthrown.
Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.
5 And the men of Nineve believed God, and proclaimed a fast, and put on sackcloths, from the greatest of them to the least of them.
Dia nino an’ Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ ny lehibe ka hatramin’ ny kely.
6 And the word reached the king of Nineve, and he arose from off his throne, and took off his raiment from him, and put on sackcloth, and sat on ashes.
Ary nony efa ren’ ny mpanjakan’ i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona.
7 And proclamation was made, and it was commanded in Nineve by the king an by his great men, saying, Let not men, or cattle, or oxen, or sheep, taste [any thing], nor feed, nor drink water.
Ary nasaina nantsoina sy nambara eran’ i Ninive araka ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman’ osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
8 So men and cattle were clothed with sackcloths, and cried earnestly to God; and they turned every one from their evil way, and from the iniquity that was in their hands, saying,
Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’ Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra.
9 Who knows if God will repent, and turn from his fierce anger, and [so] we shall not perish?
Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?
10 And God saw their works, that they turned from their evil ways; and God repented of the evil which he had said he would do to them; and he did [it] not.
Ary rehefa hitan’ Andriamanitra ny nataon’ ireo ny amin’ ny nialany tamin’ ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.

< Jonas 3 >