< 1 Samuel 6 >

1 Now the ark of the Lord was in the country of the Philistines for seven months.
Ary ny fiaran’ i Jehovah dia tany amin’ ny tanin’ ny Filistina fito volana.
2 And the Philistines sent for the priests and those who were wise in secret arts, and said to them, What are we to do with the ark of the Lord? How are we to send it away to its place?
Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin’ ny fiaran’ i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin’ ny fitoerany.
3 And they said, If you send away the ark of the God of Israel, do not send it without an offering, but send him a sin-offering with it: then you will have peace again, and it will be clear to you why the weight of his hand has not been lifted from you.
Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy ialan’ ny tànany aminareo.
4 Then they said, What sin-offering are we to send to him? And they said, Five gold images of the growths caused by your disease and five gold mice, one for every lord of the Philistines: for the same disease came on you and on your lords.
Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ ireo andrianan’ ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.
5 So make images of the growths caused by your disease and of the mice which are damaging your land; and give glory to the God of Israel: it may be that the weight of his hand will be lifted from you and from your gods and from your land.
Koa manaova sarin’ ny vainareo sy sarin’ ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy.
6 Why do you make your hearts hard, like the hearts of Pharaoh and the Egyptians? When he had made sport of them, did they not let the people go, and they went away?
Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian’ ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa?
7 So now, take and make ready a new cart, and two cows which have never come under the yoke, and have the cows yoked to the cart, and take their young ones away from them:
Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin’ ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy.
8 And put the ark of the Lord on the cart, and the gold images which you are sending as a sin-offering in a chest by its side; and send it away so that it may go.
Ary alao ny fiaran’ i Jehovah, ka apetraho eo ambonin’ ny sariety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka ampandehano izany.
9 If it goes by the land of Israel to Beth-shemesh, then this great evil is his work; but if not, then we may be certain that the evil was not his doing, but was the working of chance.
Ary izahao, ka raha miakatra amin’ ny lalana mankany amin’ ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin’ izay hanjo antsika.
10 And the men did so; they took two cows, yoking them to the cart and shutting up their young ones in their living-place:
Dia nataon’ ny olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin’ ny sariety ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano.
11 And they put the ark of the Lord on the cart and the chest with the gold images.
Dia napetrany teo ambonin’ ny sariety ny fiaran’ i Jehovah sy ny vata kely ary ny totozy volamena sy ny sarin’ ny vay.
12 And the cows took the straight way, by the road to Beth-shemesh; they went by the highway, not turning to the right or to the left, and the sound of their voices was clear on the road; and the lords of the Philistines went after them as far as the edge of Beth-shemesh.
Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin’ ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin’ ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary ireo andrianan’ ny Filistina nanaraka azy hatramin’ ny fari-tanin’ i Beti-semesy.
13 And the people of Beth-shemesh were cutting their grain in the valley, and lifting up their eyes they saw the ark and were full of joy when they saw it.
Ary ny Beti-semesita nijinja ny vary tritika teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony izy ka nahita ny fiara, dia faly raha nahita izany.
14 And the cart came into the field of Joshua the Beth-shemite, and came to a stop there by a great stone: and cutting up the wood of the cart they made a burned offering of the cows to the Lord.
Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin’ i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon’ ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah.
15 Then the Levites took down the ark of the Lord and the chest in which were the gold images, and put them on the great stone: and the men of Beth-shemesh made burned offerings and gave worship that day before the Lord.
Ary ny Levita nampidina ny fiaran’ i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran’ ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin’ ny vato lehibe; ary tamin’ izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’ i Jehovah.
16 And the five lords of the Philistines, having seen it, went back to Ekron the same day.
Ary raha hitan’ ireo andriana dimy tamin’ ny Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona androtrizay ihany izy.
17 Now these are the gold images which the Philistines sent as a sin-offering to the Lord; one for Ashdod, one for Gaza, one for Ashkelon, one for Gath, one for Ekron;
Ary izao no sary volamenan’ ny vay naterin’ ny Filistina ho fanati-panonerana ho an’ i Jehovah: an’ i Asdoda iray, an’ i Gaza iray, an’ i Askelona iray, an’ i Gata iray, an’ i Ekrona iray;
18 And the gold mice, one for every town of the Philistines, the property of the five lords, walled towns as well as country places: and the great stone where they put the ark of the Lord is still in the field of Joshua the Beth-shemite to this day.
ary ny totozy volamena dia araka ny isan’ ny tanàna rehetra an’ ny Filistina, izay an’ ireo andriana dimy, an’ ny tanàna mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin’ ny vato lehibe izay nametrahany ny fiaran’ i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin’ i Josoa Beti-semesita mandraka androany izany.
19 But the Lord sent destruction on seventy men of the people of Beth-shemesh for looking into the ark of the Lord; and great was the sorrow of the people for the destruction which the Lord had sent on them.
Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren’ ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian’ i Jehovah, ka be dia be no maty.
20 And the men of Beth-shemesh said, Who is able to keep his place before the Lord, this holy God? and to whom may he go from us?
Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan’ izao Jehovah Andriamanitra masìna izao? Ary ho amin’ iza no hiakarany, rehefa miala amintsika?
21 And they sent men to the people living in Kiriath-jearim, saying, The Philistines have sent back the ark of the Lord; come and take it up to your country.
Dia naniraka olona nankany amin’ ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin’ ny Filistina ny fiaran’ i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.

< 1 Samuel 6 >