< Romans 12 >
1 Therefore I urge you, brothers, on account of God’s mercy, to offer your bodies as living sacrifices, holy and pleasing to God, which is your spiritual service of worship.
Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
2 Do not be conformed to this world, but be transformed by the renewing of your mind. Then you will be able to test and approve what is the good, pleasing, and perfect will of God. (aiōn )
Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. (aiōn )
3 For by the grace given me I say to every one of you: Do not think of yourself more highly than you ought, but think of yourself with sober judgment, according to the measure of faith God has given you.
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’ Andriamanitra ho anareo avy.
4 Just as each of us has one body with many members, and not all members have the same function,
Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
5 so in Christ we who are many are one body, and each member belongs to one another.
dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
6 We have different gifts according to the grace given us. If one’s gift is prophecy, let him use it in proportion to his faith;
Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
7 if it is serving, let him serve; if it is teaching, let him teach;
raha fanompoana amin’ ny fiangonana, dia aoka ho amin’ ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ ny fampianarana;
8 if it is encouraging, let him encourage; if it is giving, let him give generously; if it is leading, let him lead with diligence; if it is showing mercy, let him do it cheerfully.
raha mananatra, dia aoka ho amin’ ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ ny fifaliana.
9 Love must be sincere. Detest what is evil; cling to what is good.
Aoka ny fitiavana ho amin’ ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ ny tsara.
10 Be devoted to one another in brotherly love. Outdo yourselves in honoring one another.
Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ ny fifanomezam-boninahitra.
11 Do not let your zeal subside; keep your spiritual fervor, serving the Lord.
Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny fanompoana ny Tompo.
12 Be joyful in hope, patient in affliction, persistent in prayer.
Mifalia amin’ ny fanantenana; miareta amin’ ny fahoriana; mahareta amin’ ny fivavahana.
13 Share with the saints who are in need. Practice hospitality.
Miantrà ny olona masìna araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
14 Bless those who persecute you. Bless and do not curse.
Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
15 Rejoice with those who rejoice; weep with those who weep.
Miaraha mifaly amin’ izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’ izay mitomany.
16 Live in harmony with one another. Do not be proud, but enjoy the company of the lowly. Do not be conceited.
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
17 Do not repay anyone evil for evil. Carefully consider what is right in the eyes of everybody.
Aza mamaly ratsy na amin’ iza na amin’ iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ ny olona rehetra.
18 If it is possible on your part, live at peace with everyone.
Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ ny olona rehetra.
19 Do not avenge yourselves, beloved, but leave room for God’s wrath. For it is written: “Vengeance is Mine; I will repay, says the Lord.”
Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.
20 On the contrary, “If your enemy is hungry, feed him; if he is thirsty, give him a drink. For in so doing, you will heap burning coals on his head.”
Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.
21 Do not be overcome by evil, but overcome evil with good.
Aza mety ho resin’ ny ratsy ianao, fa reseo amin’ ny soa ny ratsy.