< Psalms 114 >
1 When Israel departed from Egypt, the house of Jacob from a people of foreign tongue,
Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny,
2 Judah became God’s sanctuary, and Israel His dominion.
Joda no fitoerany masìna, Isiraely no fanjakany.
3 The sea observed and fled; the Jordan turned back;
Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
4 the mountains skipped like rams, the hills like lambs.
Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak’ ondry.
5 Why was it, O sea, that you fled, O Jordan, that you turned back,
Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?
6 O mountains, that you skipped like rams, O hills, like lambs?
Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak’ ondry?
7 Tremble, O earth, at the presence of the Lord, at the presence of the God of Jacob,
Mihorohoroa eo anatrehan’ ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Jakoba.
8 who turned the rock into a pool, the flint into a fountain of water!
Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.