< Judges 21 >

1 Now the men of Israel had sworn an oath at Mizpah, saying, “Not one of us will give his daughter in marriage to a Benjamite.”
Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin’ ny Benjamita.
2 So the people came to Bethel and sat there before God until evening, lifting up their voices and weeping bitterly.
Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra mandra-paharivan’ ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
3 “Why, O LORD God of Israel,” they cried out, “has this happened in Israel? Today in Israel one tribe is missing!”
nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin’ ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin’ ny Isiraely?
4 The next day the people got up early, built an altar there, and presented burnt offerings and peace offerings.
Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
5 The Israelites asked, “Who among all the tribes of Israel did not come to the assembly before the LORD?” For they had taken a solemn oath that anyone who failed to come up before the LORD at Mizpah would surely be put to death.
Ary hoy ny Zanak’ Isiraely: Iza amin’ ny ferenen’ Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin’ ny fiangonana hanatona an’ i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’ izay tsy niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
6 And the Israelites grieved for their brothers, the Benjamites, and said, “Today a tribe is cut off from Israel.
Ary ny Zanak’ Isiraely nanenina ny amin’ i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin’ ny Isiraely ankehitriny.
7 What should we do about wives for the survivors, since we have sworn by the LORD not to give them our daughters in marriage?”
Ahoana no hataontsika amin’ ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin’ i Jehovah tsy hanome vady azy amin’ ny zanakavavintsika?
8 So they asked, “Which one of the tribes of Israel failed to come up before the LORD at Mizpah?” And, in fact, no one from Jabesh-gilead had come to the camp for the assembly.
Dia hoy izy: Iza amin’ ny firenen’ Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ ny fiangonana.
9 For when the people were counted, none of the residents of Jabesh-gilead were there.
Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin’ ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
10 So the congregation sent 12,000 of their most valiant men and commanded them: “Go and put to the sword those living in Jabesh-gilead, including women and children.
Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin’ ny lelan-tsabatra mbamin’ ny zaza amim-behivavy.
11 This is what you are to do: Devote to destruction every male, as well as every female who has had relations with a man.”
Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.
12 So they found among the inhabitants of Jabesh-gilead four hundred young women who had not had relations with a man, and they brought them to the camp at Shiloh in the land of Canaan.
Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ ny tany Kanana.
13 Then the whole congregation sent a message of peace to the Benjamites who were at the rock of Rimmon.
Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin’ ny taranak’ i Benjamina, izay tao amin’ ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
14 And at that time the Benjamites returned and were given the women who were spared from Jabesh-gilead. But there were not enough women for all of them.
Dia niverina tamin’ izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
15 The people grieved for Benjamin, because the LORD had made a void in the tribes of Israel.
Ary ny olona nanenina noho ny amin’ i Benjamina, satria nisy nobangain’ i Jehovah ny firenen’ Isiraely.
16 Then the elders of the congregation said, “What should we do about wives for those who remain, since the women of Benjamin have been destroyed?”
Dia hoy ny loholon’ ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an’ ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin’ ny Benjamita?
17 They added, “There must be heirs for the survivors of Benjamin, so that a tribe of Israel will not be wiped out.
Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin’ ny Isiraely.
18 But we cannot give them our daughters as wives.” For the Israelites had sworn, “Cursed is he who gives a wife to a Benjamite.”
Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an’ ny Benjamita.
19 “But look,” they said, “there is a yearly feast to the LORD in Shiloh, which is north of Bethel east of the road that goes up from Bethel to Shechem, and south of Lebonah.”
Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’ i Jehovah any Silo, izay avaratr’ i Betela, atsinanan’ ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’ i Lebona.
20 So they commanded the Benjamites: “Go, hide in the vineyards
Ary nandidy ny taranak’ i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin’ ny tanim-boaloboka,
21 and watch. When you see the daughters of Shiloh come out to perform their dances, each of you is to come out of the vineyards, catch for himself a wife from the daughters of Shiloh, and go to the land of Benjamin.
ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin’ ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin’ ny tanin’ ny Benjamina indray.
22 When their fathers or brothers come to us to complain, we will tell them, ‘Do us a favor by helping them, since we did not get wives for each of them in the war. Since you did not actually give them your daughters, you have no guilt.’”
Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
23 The Benjamites did as instructed and carried away the number of women they needed from the dancers they caught. They went back to their own inheritance, rebuilt their cities, and settled in them.
Dia nanao izany ny taranak’ i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin’ ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
24 And at that time, each of the Israelites returned from there to his own tribe and clan, each to his own inheritance.
Dia samy nandeha niala teo ny Zanak’ Isiraely tamin’ izany andro izany, samy ho any amin’ ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin’ ny lovany avy ny olona rehetra.
25 In those days there was no king in Israel; everyone did what was right in his own eyes.
Tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.

< Judges 21 >