< John 6 >
1 After this, Jesus crossed to the other side of the Sea of Galilee (that is, the Sea of Tiberias).
Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin’ i Galilia, dia ny Ranomasin’ i Tiberiasy izany.
2 A large crowd followed Him because they saw the signs He was performing on the sick.
Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ ny marary.
3 Then Jesus went up on the mountain and sat down with His disciples.
Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin’ ny mpianany.
4 Now the Jewish Feast of the Passover was near.
Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ ny Jiosy.
5 When Jesus looked up and saw a large crowd coming toward Him, He said to Philip, “Where can we buy bread for these people to eat?”
Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’ i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo?
6 But He was asking this to test him, for He knew what He was about to do.
Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
7 Philip answered, “Two hundred denarii would not buy enough bread for each of them to have a small piece.”
Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
8 One of His disciples, Andrew, Simon Peter’s brother, said to Him,
Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
9 “Here is a boy with five barley loaves and two small fish. But what difference will these make among so many?”
Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’ izao olona betsaka izao?
10 “Have the people sit down,” Jesus said. Now there was plenty of grass in that place, so the men sat down, about five thousand of them.
Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
11 Then Jesus took the loaves and the fish, gave thanks, and distributed to those who were seated as much as they wanted.
Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’ izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
12 And when everyone was full, He said to His disciples, “Gather the pieces that are left over, so that nothing will be wasted.”
Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
13 So they collected them and filled twelve baskets with the pieces of the five barley loaves left over by those who had eaten.
Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin’ ny folo ny sombintsombin’ ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin’ ny nihinana.
14 When the people saw the sign that Jesus had performed, they began to say, “Truly this is the Prophet who is to come into the world.”
Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’ i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’ izao tontolo izao.
15 Then Jesus, realizing that they were about to come and make Him king by force, withdrew again to a mountain by Himself.
Ary rehefa fantatr’ i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
16 When evening came, His disciples went down to the sea,
Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin’ ny ranomasina ny mpianany.
17 got into a boat, and started across the sea to Capernaum. It was already dark, and Jesus had not yet gone out to them.
Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin’ izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
18 A strong wind was blowing, and the sea grew agitated.
Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon’ ny rivotra.
19 When they had rowed about three or four miles, they saw Jesus approaching the boat, walking on the sea—and they were terrified.
Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an’ i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin’ ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.
20 But Jesus spoke up: “It is I; do not be afraid.”
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
21 Then they were willing to take Him into the boat, and at once the boat reached the shore where they were heading.
Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin’ izay ny sambokely dia tonga tamin’ ny tany izay nalehany.
22 The next day, the crowd that had remained on the other side of the sea realized that only one boat had been there, and that Jesus had not boarded it with His disciples, but they had gone away alone.
Nony ampitson’ iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan’ ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
23 However, some boats from Tiberias landed near the place where the people had eaten the bread after the Lord had given thanks.
kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo, ―
24 So when the crowd saw that neither Jesus nor His disciples were there, they got into the boats and went to Capernaum to look for Him.
koa nony hitan’ ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an’ i Jesosy.
25 When they found Him on the other side of the sea, they asked Him, “Rabbi, when did You get here?”
Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
26 Jesus replied, “Truly, truly, I tell you, it is not because you saw these signs that you are looking for Me, but because you ate the loaves and had your fill.
Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
27 Do not work for food that perishes, but for food that endures to eternal life, which the Son of Man will give you. For on Him God the Father has placed His seal of approval.” (aiōnios )
Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase. (aiōnios )
28 Then they inquired, “What must we do to perform the works of God?”
Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’ Andriamanitra?
29 Jesus replied, “The work of God is this: to believe in the One He has sent.”
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
30 So they asked Him, “What sign then will You perform, so that we may see it and believe You? What will You do?
Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
31 Our fathers ate the manna in the wilderness, as it is written: ‘He gave them bread from heaven to eat.’”
Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny.
32 Jesus said to them, “Truly, truly, I tell you, it was not Moses who gave you the bread from heaven, but it is My Father who gives you the true bread from heaven.
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
33 For the bread of God is He who comes down from heaven and gives life to the world.”
Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midìna avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao.
34 “Sir,” they said, “give us this bread at all times.”
Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
35 Jesus answered, “I am the bread of life. Whoever comes to Me will never hunger, and whoever believes in Me will never thirst.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’ aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
36 But as I stated, you have seen Me and still you do not believe.
Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
37 Everyone the Father gives Me will come to Me, and the one who comes to Me I will never drive away.
Izay rehetra omen’ ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
38 For I have come down from heaven, not to do My own will, but to do the will of Him who sent Me.
Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
39 And this is the will of Him who sent Me, that I shall lose none of those He has given Me, but raise them up at the last day.
Ary izao no sitrapon’ izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ ny andro farany izy.
40 For it is My Father’s will that everyone who looks to the Son and believes in Him shall have eternal life, and I will raise him up at the last day.” (aiōnios )
Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. (aiōnios )
41 At this, the Jews began to grumble about Jesus because He had said, “I am the bread that came down from heaven.”
Dia nimonomonona tamin’ i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
42 They were asking, “Is this not Jesus, the son of Joseph, whose father and mother we know? How then can He say, ‘I have come down from heaven?’”
Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’ i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
43 “Stop grumbling among yourselves,” Jesus replied.
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
44 “No one can come to Me unless the Father who sent Me draws him, and I will raise him up at the last day.
Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
45 It is written in the Prophets: ‘And they will all be taught by God.’ Everyone who has heard the Father and learned from Him comes to Me—
Voasoratra ao amin’ ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy.
46 not that anyone has seen the Father except the One who is from God; only He has seen the Father.
Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin’ Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47 Truly, truly, I tell you, he who believes has eternal life. (aiōnios )
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. (aiōnios )
48 I am the bread of life.
Izaho no mofon’ aina.
49 Your fathers ate the manna in the wilderness, yet they died.
Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
50 This is the bread that comes down from heaven, so that anyone may eat of it and not die.
Ity no mofo izay midìna avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51 I am the living bread that came down from heaven. If anyone eats of this bread, he will live forever. And this bread, which I will give for the life of the world, is My flesh.” (aiōn )
Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao. (aiōn )
52 At this, the Jews began to argue among themselves, “How can this man give us His flesh to eat?”
Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
53 So Jesus said to them, “Truly, truly, I tell you, unless you eat the flesh and drink the blood of the Son of Man, you have no life in you.
Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
54 Whoever eats My flesh and drinks My blood has eternal life, and I will raise him up at the last day. (aiōnios )
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. (aiōnios )
55 For My flesh is real food, and My blood is real drink.
Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
56 Whoever eats My flesh and drinks My blood remains in Me, and I in him.
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
57 Just as the living Father sent Me and I live because of the Father, so also the one who feeds on Me will live because of Me.
Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
58 This is the bread that came down from heaven. Unlike your fathers, who ate the manna and died, the one who eats this bread will live forever.” (aiōn )
Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. (aiōn )
59 Jesus said this while teaching in the synagogue in Capernaum.
Izany teny izany no nolazainy tao amin’ ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
60 On hearing it, many of His disciples said, “This is a difficult teaching. Who can accept it?”
Koa maro tamin’ ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
61 Aware that His disciples were grumbling about this teaching, Jesus asked them, “Does this offend you?
Ary fantatr’ i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin’ izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
62 Then what will happen if you see the Son of Man ascend to where He was before?
Mainka raha mahita ny Zanak’ olona miakatra ho any amin’ izay nitoerany taloha ianareo.
63 The Spirit gives life; the flesh profits nothing. The words I have spoken to you are spirit and they are life.
Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
64 However, there are some of you who do not believe.” (For Jesus had known from the beginning which of them did not believe and who would betray Him.)
Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr’ i Jesosy hatramin’ ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
65 Then Jesus said, “This is why I told you that no one can come to Me unless the Father has granted it to him.”
Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ ny Ray azy izany.
66 From that time on many of His disciples turned back and no longer walked with Him.
Hatramin’ izany dia maro tamin’ ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
67 So Jesus asked the Twelve, “Do you want to leave too?”
Dia hoy Jesosy tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
68 Simon Peter replied, “Lord, to whom would we go? You have the words of eternal life. (aiōnios )
Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios )
69 We believe and know that You are the Holy One of God.”
Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.
70 Jesus answered them, “Have I not chosen you, the Twelve? Yet one of you is a devil!”
Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
71 He was speaking about Judas, the son of Simon Iscariot. For although Judas was one of the Twelve, he was later to betray Jesus.
Fa Izy nilaza an’ i Jodasy, zanak’ i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy.