< Jeremiah 25 >

1 This is the word that came to Jeremiah concerning all the people of Judah in the fourth year of Jehoiakim son of Josiah king of Judah, which was the first year of Nebuchadnezzar king of Babylon.
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny Joda rehetra tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona
2 So the prophet Jeremiah spoke to all the people of Judah and all the residents of Jerusalem as follows:
dia izay nolazain’ i Jeremia mpaminany tamin’ ny Joda rehetra sy tamin’ ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:
3 “From the thirteenth year of Josiah son of Amon king of Judah until this very day—twenty-three years—the word of the LORD has come to me, and I have spoken to you again and again, but you have not listened.
Hatramin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
4 And the LORD has sent all His servants the prophets to you again and again, but you have not listened or inclined your ear to hear.
Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
5 The prophets told you, ‘Turn now, each of you, from your evil ways and deeds, and you can dwell in the land that the LORD has given to you and your fathers forever and ever.
Samia miala amin’ ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.
6 Do not follow other gods to serve and worship them, and do not provoke Me to anger with the works of your hands. Then I will do you no harm.’
Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ ny asan’ ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
7 ‘But to your own harm, you have not listened to Me,’ declares the LORD, ‘so you have provoked Me to anger with the works of your hands.’
Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin’ ny asan’ ny tananareo hahitanareo loza.
8 Therefore this is what the LORD of Hosts says: ‘Because you have not obeyed My words,
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
9 behold, I will summon all the families of the north, declares the LORD, and I will send for My servant Nebuchadnezzar king of Babylon, whom I will bring against this land, against its residents, and against all the surrounding nations. So I will devote them to destruction and make them an object of horror and contempt, an everlasting desolation.
dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
10 Moreover, I will banish from them the sounds of joy and gladness, the voices of the bride and bridegroom, the sound of the millstones, and the light of the lamp.
Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina, ny feon’ ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ ny jiro.
11 And this whole land will become a desolate wasteland, and these nations will serve the king of Babylon for seventy years.
Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’ i Babylona fito-polo taona.
12 But when seventy years are complete, I will punish the king of Babylon and that nation, the land of the Chaldeans, for their guilt, declares the LORD, and I will make it an everlasting desolation.
Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’ i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
13 I will bring upon that land all the words I have pronounced against it, all that is written in this book, which Jeremiah has prophesied against all the nations.
Ary hotoviko amin’ izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ ity boky ity, izay novinanin’ i Jeremia hamely ny firenena rehetra.
14 For many nations and great kings will enslave them, and I will repay them according to their deeds and according to the work of their hands.’”
Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ ny tànany avy izy.
15 This is what the LORD, the God of Israel, said to me: “Take from My hand this cup of the wine of wrath, and make all the nations to whom I send you drink from it.
Fa izao no nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
16 And they will drink and stagger and go out of their minds, because of the sword that I will send among them.”
Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
17 So I took the cup from the LORD’s hand and made all the nations drink from it, each one to whom the LORD had sent me,
Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan’ i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan’ i Jehovah ahy,
18 to make them a ruin, an object of horror and contempt and cursing, as they are to this day—Jerusalem and the cities of Judah, its kings and officials;
dia Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’ izao anio izao;
19 Pharaoh king of Egypt, his officials, his leaders, and all his people;
ary Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoakany rehetra,
20 all the mixed tribes; all the kings of Uz; all the kings of the Philistines: Ashkelon, Gaza, Ekron, and the remnant of Ashdod;
ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tanin’ ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;
21 Edom, Moab, and the Ammonites;
ary Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona,
22 all the kings of Tyre and Sidon; the kings of the coastlands across the sea;
ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan’ ny nosy any an-dafin’ ny ranomasina;
23 Dedan, Tema, Buz, and all who cut the corners of their hair;
ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
24 all the kings of Arabia, and all the kings of the mixed tribes who dwell in the desert;
ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;
25 all the kings of Zimri, Elam, and Media;
ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,
26 all the kings of the north, both near and far, one after another—all the kingdoms on the face of the earth. And after all of them, the king of Sheshach will drink it too.
ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ ny tany; ary ny mpanjakan’ i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.
27 “Then you are to tell them that this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: ‘Drink, get drunk, and vomit. Fall down and never get up again, because of the sword I will send among you.’
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
28 If they refuse to take the cup from your hand and drink it, you are to tell them that this is what the LORD of Hosts says: ‘You most certainly must drink it!
Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.
29 For behold, I am beginning to bring disaster on the city that bears My Name, so how could you possibly go unpunished? You will not go unpunished, for I am calling down a sword upon all the inhabitants of the earth, declares the LORD of Hosts.’
Fa, indro, ao amin’ ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ ny tany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
30 So you are to prophesy all these words against them and say to them: ‘The LORD will roar from on high; He will raise His voice from His holy habitation. He will roar loudly over His pasture; like those who tread the grapes, He will call out with a shout against all the inhabitants of the earth.
Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ ny fitoerany masìna, eny, hierona mafy amin’ ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ ny tany.
31 The tumult will resound to the ends of the earth because the LORD brings a charge against the nations. He brings judgment on all mankind and puts the wicked to the sword,’”
Mihatra amin’ ny faran’ ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin’ ny firenena; Mifandahatra amin’ ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ ny sabatra, hoy Jehovah.
32 This is what the LORD of Hosts says: “Behold! Disaster is spreading from nation to nation; a mighty storm is rising from the ends of the earth.”
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin’ ny faran’ ny tany;
33 Those slain by the LORD on that day will be spread from one end of the earth to the other. They will not be mourned, gathered, or buried. They will be like dung lying on the ground.
Ary amin’ izany andro izany Ny voavonon’ i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ ny faran’ ny tany anankiray ka hatramin’ ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany.
34 Wail, you shepherds, and cry out; roll in the dust, you leaders of the flock. For the days of your slaughter have come; you will fall and be shattered like fine pottery.
Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin’ ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
35 Flight will evade the shepherds, and escape will elude the leaders of the flock.
Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin’ ny ondry tsy hanam-pahafahana.
36 Hear the cry of the shepherds, the wailing of the leaders of the flock, for the LORD is destroying their pasture.
Injany! misy feo fitarainan’ ny mpiandry ondry sy fidradradradran’ ny zokiny aminy! Satria efa nosimban’ i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
37 The peaceful meadows have been silenced because of the LORD’s burning anger.
Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
38 He has left His den like a lion, for their land has been made a desolation by the sword of the oppressor, and because of the fierce anger of the LORD.
Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan’ ny mpampahory sy noho ny firehetan’ ny fahatezerany.

< Jeremiah 25 >