< Jeremiah 23 >

1 “Woe to the shepherds who destroy and scatter the sheep of My pasture!” declares the LORD.
Lozan’ ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
2 Therefore this is what the LORD, the God of Israel, says about the shepherds who tend My people: “You have scattered My flock and driven them away, and have not attended to them. Behold, I will attend to you for the evil of your deeds, declares the LORD.
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian’ ny ataonareo, hoe Jehovah
3 Then I Myself will gather the remnant of My flock from all the lands to which I have banished them, and I will return them to their pasture, where they will be fruitful and multiply.
Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin’ ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
4 I will raise up shepherds over them who will tend them, and they will no longer be afraid or dismayed, nor will any go missing, declares the LORD.
Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
5 Behold, the days are coming, declares the LORD, when I will raise up for David a righteous Branch, and He will reign wisely as King and will administer justice and righteousness in the land.
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’ i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany.
6 In His days Judah will be saved, and Israel will dwell securely. And this is His name by which He will be called: The LORD Our Righteousness.
Amin’ ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
7 So behold, the days are coming, declares the LORD, when they will no longer say, ‘As surely as the LORD lives, who brought the Israelites up out of the land of Egypt.’
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta;
8 Instead they will say, ‘As surely as the LORD lives, who brought and led the descendants of the house of Israel up out of the land of the north and all the other lands to which He had banished them.’ Then they will dwell once more in their own land.”
Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak’ Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ ny tany avaratra sy avy tany amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin’ ny taniny izy.
9 As for the prophets: My heart is broken within me, and all my bones tremble. I have become like a drunkard, like a man overcome by wine, because of the LORD, because of His holy words.
Ny amin’ ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’ i Jehovah sy noho ny teniny masìna.
10 For the land is full of adulterers— because of the curse, the land mourns and the pastures of the wilderness have dried up— their course is evil and their power is misused.
Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan’ ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon’ ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.
11 “For both prophet and priest are ungodly; even in My house I have found their wickedness,”
Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.
12 “Therefore their path will become slick; they will be driven away into the darkness and fall into it. For I will bring disaster upon them in the year of their punishment,”
Koa dia ho toy ny lala-malama amin’ ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin’ ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
13 “Among the prophets of Samaria I saw an offensive thing: They prophesied by Baal and led My people Israel astray.
Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin’ i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko,
14 And among the prophets of Jerusalem I have seen a horrible thing: They commit adultery and walk in lies. They strengthen the hands of evildoers, so that no one turns his back on wickedness. They are all like Sodom to Me; the people of Jerusalem are like Gomorrah.”
Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’ i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’ i Gomora.
15 Therefore this is what the LORD of Hosts says concerning the prophets: “I will feed them wormwood and give them poisoned water to drink, for from the prophets of Jerusalem ungodliness has spread throughout the land.”
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema no nivoahan’ ny faharatsiana ho any amin’ ny tany rehetra.
16 This is what the LORD of Hosts says: “Do not listen to the words of the prophets who prophesy to you. They are filling you with false hopes. They speak visions from their own minds, not from the mouth of the LORD.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’ i Jehovah.
17 They keep saying to those who despise Me, ‘The LORD says that you will have peace,’ and to everyone who walks in the stubbornness of his own heart, ‘No harm will come to you.’
Milaza mandrakariva amin’ izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin’ izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
18 But which of them has stood in the council of the LORD to see and hear His word? Who has given heed to His word and obeyed it?
Fa iza moa no efa isan’ ny mpihevitra teo amin’ i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?
19 Behold, the storm of the LORD has gone out with fury, a whirlwind swirling down upon the heads of the wicked.
He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy.
20 The anger of the LORD will not turn back until He has fully accomplished the purposes of His heart. In the days to come you will understand this clearly.
Ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
21 I did not send these prophets, yet they have run with their message; I did not speak to them, yet they have prophesied.
Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.
22 But if they had stood in My council, they would have proclaimed My words to My people and turned them back from their evil ways and deeds.”
Fa raha isan’ ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin’ ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin’ ny lalany ratsy sy tamin’ ny faharatsian’ ny nataony.
23 “Am I only a God nearby,” declares the LORD, “and not a God far away?”
Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
24 “Can a man hide in secret places where I cannot see him?” declares the LORD. “Do I not fill the heavens and the earth?” declares the LORD.
Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
25 “I have heard the sayings of the prophets who prophesy lies in My name: ‘I had a dream! I had a dream!’
Efa reko ny nolazain’ ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin’ ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
26 How long will this continue in the hearts of these prophets who prophesy falsehood, these prophets of the delusion of their own minds?
Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon’ ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?
27 They suppose the dreams that they tell one another will make My people forget My name, just as their fathers forgot My name through the worship of Baal.
Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin’ ny nofiny izay lazainy amin’ ny namany avy, toy ny nanadinoan’ ny razany ny anarako noho ny amin’ i Bala?
28 Let the prophet who has a dream retell it, but let him who has My word speak it truthfully. For what is straw compared to grain?” declares the LORD.
Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin’ ny vary? hoy Jehovah.
29 “Is not My word like fire,” declares the LORD, “and like a hammer that smashes a rock?”
Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
30 “Therefore behold,” declares the LORD, “I am against the prophets who steal from one another words they attribute to Me.”
Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin’ ny namany avy.
31 “Yes,” declares the LORD, “I am against the prophets who wag their own tongues and proclaim, ‘The LORD declares it.’”
Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
32 “Indeed,” declares the LORD, “I am against those who prophesy false dreams and retell them to lead My people astray with their reckless lies. It was not I who sent them or commanded them, and they are of no benefit at all to these people,” declares the LORD.
Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
33 “Now when this people or a prophet or priest asks you, ‘What is the burden of the LORD?’ you are to say to them, ‘What burden? I will forsake you, declares the LORD.’
Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan’ i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin’ ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.
34 As for the prophet or priest or anyone who claims, ‘This is the burden of the LORD,’ I will punish that man and his household.
Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan’ i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin’ ny ankohonany.
35 This is what each man is to say to his friend and to his brother: ‘What has the LORD answered?’ or ‘What has the LORD spoken?’
Samia manontany amin’ ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’ i Jehovah? Ary ahoana no nolazain’ i Jehovah?
36 But refer no more to the burden of the LORD, for each man’s word becomes the burden, so that you pervert the words of the living God, the LORD of Hosts, our God.
Fa ny hoe: Ny entan’ i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin’ ny olona avy ihany no ho entan’ ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’ Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitsika.
37 Thus you are to say to the prophet: ‘What has the LORD answered you?’ and ‘What has the LORD spoken?’
Izao no hanontanianareo amin’ ny mpaminany; Ahoana no navalin’ i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain’ i Jehovah?
38 But if you claim, ‘This is the burden of the LORD,’ then this is what the LORD says: Because you have said, ‘This is the burden of the LORD,’ and I specifically told you not to make this claim,
Fa raha hoy ianareo: Entan’ i Jehovah, Dia izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan’ i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan’ i Jehovah,
39 therefore I will surely forget you and will cast you out of My presence, both you and the city that I gave to you and your fathers.
Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;
40 And I will bring upon you everlasting shame and perpetual humiliation that will never be forgotten.”
Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.

< Jeremiah 23 >