< Genesis 45 >
1 Then Joseph could no longer control himself before all his attendants, and he cried out, “Send everyone away from me!” So none of them were with Joseph when he made himself known to his brothers.
Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’ izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’ i Josefa, raha nanao izay hahafantaran’ ny rahalahiny azy izy.
2 But he wept so loudly that the Egyptians heard him, and Pharaoh’s household soon heard of it.
Dia nitomany mafy izy, ka ren’ ny Egyptiana, ary ren’ ny tao an-tranon’ i Farao koa.
3 Joseph said to his brothers, “I am Joseph! Is my father still alive?” But they were unable to answer him, because they were terrified in his presence.
Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
4 Then Joseph said to his brothers, “Please come near me.” And they did so. “I am Joseph, your brother,” he said, “the one you sold into Egypt!
Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
5 And now, do not be distressed or angry with yourselves that you sold me into this place, because it was to save lives that God sent me before you.
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
6 For the famine has covered the land these two years, and there will be five more years without plowing or harvesting.
Fa roa taona izao no efa nisian’ ny mosary teto amin’ ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
7 God sent me before you to preserve you as a remnant on the earth and to save your lives by a great deliverance.
Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ ny tany, fa hamelona anareo amin’ ny famonjena lehibe.
8 Therefore it was not you who sent me here, but God, who has made me a father to Pharaoh—lord of all his household and ruler over all the land of Egypt.
Ary amin’ izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain’ i Farao, sy ho tompon’ ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
9 Now return quickly to my father and tell him, ‘This is what your son Joseph says: God has made me lord of all Egypt. Come down to me without delay.
Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin’ ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’ i Josefa zanakao: Efa nataon’ Andriamanitra ho tompon’ i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
10 You shall settle in the land of Goshen and be near me—you and your children and grandchildren, your flocks and herds, and everything you own.
dia honina eo amin’ ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao mbamin’ izay rehetra anananao.
11 And there I will provide for you, because there will be five more years of famine. Otherwise, you and your household and everything you own will come to destitution.’
Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
12 Behold! You and my brother Benjamin can see that I, Joseph, am the one speaking with you.
Ary, indro, hitan’ ny masonareo sy ny mason’ i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
13 Tell my father about all my splendor in Egypt and everything you have seen. And bring my father down here quickly.”
Dia hambaranareo amin’ ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midìna atỳ ikaky.
14 Then Joseph threw his arms around his brother Benjamin and wept, and Benjamin wept as they embraced.
Dia namihina ny vozon’ i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin’ ny vozony.
15 Joseph kissed each of his brothers as he wept over them. And afterward his brothers talked with him.
Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
16 When the news reached Pharaoh’s house that Joseph’s brothers had come, Pharaoh and his servants were pleased.
Ary re tao an-tranon’ i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin’ i Josefa; dia sitrak’ i Farao sy ny mpanompony izany.
17 Pharaoh said to Joseph, “Tell your brothers, ‘Do as follows: Load your animals and return to the land of Canaan.
Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Lazao amin’ ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin’ ny bibinareo, ka mankanesa any amin’ ny tany Kanana;
18 Then bring your father and your families and return to me. I will give you the best of the land of Egypt, and you shall eat from the fat of the land.’
ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin’ ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin’ ny tany ianareo.
19 You are also directed to tell them: ‘Take wagons from the land of Egypt for your young children and your wives, and bring your father and come back.
Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin’ ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
20 But pay no regard to your belongings, for the best of all the land of Egypt is yours.’”
Aza malahelo ny amin’ ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
21 So the sons of Israel did as they were told. Joseph gave them wagons as Pharaoh had instructed, and he also gave them provisions for their journey.
Ary nataon’ ny zanak’ Isiraely izany, ka dia nomen’ i Josefa sariety izy, araka ny tenin’ i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
22 He gave new garments to each of them, but to Benjamin he gave three hundred shekels of silver and five sets of clothes.
Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
23 And he sent to his father the following: ten donkeys loaded with the best of Egypt, and ten female donkeys loaded with grain and bread and provisions for his father’s journey.
Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an’ ny rainy ho entiny eny an-dalana.
24 Then Joseph sent his brothers on their way, and as they were leaving, he said to them, “Do not quarrel on the way!”
Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
25 So the brothers went up out of Egypt and came to their father Jacob in the land of Canaan.
Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin’ i Jakoba rainy tany amin’ ny tany Kanana.
26 “Joseph is still alive,” they said, “and he is ruler over all the land of Egypt!” But Jacob was stunned, for he did not believe them.
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon’ i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
27 However, when they relayed all that Joseph had told them, and when he saw the wagons that Joseph had sent to carry him back, the spirit of their father Jacob was revived.
Dia nolazain’ izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain’ i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain’ i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin’ i Jakoba rainy
28 “Enough!” declared Israel. “My son Joseph is still alive! I will go to see him before I die.”
Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.