< Ezekiel 29 >
1 In the tenth year, on the twelfth day of the tenth month, the word of the LORD came to me, saying,
Tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 “Son of man, set your face against Pharaoh king of Egypt and prophesy against him and against all Egypt.
Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin’ i Egypta rehetra.
3 Speak to him and tell him that this is what the Lord GOD says: Behold, I am against you, O Pharaoh king of Egypt, O great monster who lies among his rivers, who says, ‘The Nile is mine; I made it myself.’
Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’ i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an’ ny tenako.
4 But I will put hooks in your jaws and cause the fish of your streams to cling to your scales. I will haul you up out of your rivers, and all the fish of your streams will cling to your scales.
Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin’ ny kiranao ny hazandrano ao amin’ ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan’ ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin’ ny Neilinao dia hiraikitra amin’ ny kiranao.
5 I will leave you in the desert, you and all the fish of your streams. You will fall on the open field and will not be taken away or gathered for burial. I have given you as food to the beasts of the earth and the birds of the air.
Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin’ ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
6 Then all the people of Egypt will know that I am the LORD. For you were only a staff of reeds to the house of Israel.
dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an’ ny taranak’ Isiraely izy.
7 When Israel took hold of you with their hands, you splintered, tearing all their shoulders; when they leaned on you, you broke, and their backs were wrenched.
(Nony mandray anao amin’ ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik’ izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan’ izy rehetra.)
8 Therefore this is what the Lord GOD says: I will bring a sword against you and cut off from you man and beast.
Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
9 The land of Egypt will become a desolate wasteland. Then they will know that I am the LORD. Because you said, ‘The Nile is mine; I made it,’
Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,
10 therefore I am against you and against your rivers. I will turn the land of Egypt into a ruin, a desolate wasteland from Migdol to Syene, and as far as the border of Cush.
Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin’ ny sisin’ i Etiopia.
11 No foot of man or beast will pass through, and it will be uninhabited for forty years.
Tsy hodiavin-tongotr’ olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.
12 I will make the land of Egypt a desolation among desolate lands, and her cities will lie desolate for forty years among the ruined cities. And I will disperse the Egyptians among the nations and scatter them throughout the countries.
Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin’ ny tany samy hafa.
13 For this is what the Lord GOD says: At the end of forty years I will gather the Egyptians from the nations to which they were scattered.
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin’ ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:
14 I will restore Egypt from captivity and bring them back to the land of Pathros, the land of their origin. There they will be a lowly kingdom.
Ary haveriko avy amin’ ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin’ ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;
15 Egypt will be the lowliest of kingdoms and will never again exalt itself above the nations. For I will diminish Egypt so that it will never again rule over the nations.
Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin’ ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.
16 Egypt will never again be an object of trust for the house of Israel, but will remind them of their iniquity in turning to the Egyptians. Then they will know that I am the Lord GOD.”
Dia tsy ho tokin’ ny taranak’ Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin’ ny andehanan’ ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
17 In the twenty-seventh year, on the first day of the first month, the word of the LORD came to me, saying,
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
18 “Son of man, Nebuchadnezzar king of Babylon caused his army to labor strenuously against Tyre. Every head was made bald and every shoulder made raw. But he and his army received no wages from Tyre for the labor they expended on it.
Ry zanak’ olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny miaramilany tamin’ ny namelezany an’ i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ ny namelezany azy.
19 Therefore this is what the Lord GOD says: I will give the land of Egypt to Nebuchadnezzar king of Babylon, who will carry off its wealth, seize its spoil, and remove its plunder. This will be the wages for his army.
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, homeko an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ ny miaramilany.
20 I have given him the land of Egypt as the reward for his labor, because it was done for Me, declares the Lord GOD.
Ho valin’ ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.
21 In that day I will cause a horn to sprout for the house of Israel, and I will open your mouth to speak among them. Then they will know that I am the LORD.”
Amin’ izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an’ ny taranak’ Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.