< Daniel 5 >
1 Later, King Belshazzar held a great feast for a thousand of his nobles, and he drank wine with them.
Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan’ ireny no nisotroany divay.
2 Under the influence of the wine, Belshazzar gave orders to bring in the gold and silver vessels that Nebuchadnezzar his father had taken from the temple in Jerusalem, so that the king could drink from them, along with his nobles, his wives, and his concubines.
Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’ i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan’ ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin’ ny vaditsindranony.
3 Thus they brought in the gold vessels that had been taken from the temple, the house of God in Jerusalem, and the king drank from them, along with his nobles, his wives, and his concubines.
Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin’ ny tempolin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin’ ny vaditsindranony nisotro taminy.
4 As they drank the wine, they praised their gods of gold and silver, bronze and iron, wood and stone.
Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.
5 At that moment the fingers of a human hand appeared and wrote on the plaster of the wall, near the lampstand in the royal palace. As the king watched the hand that was writing,
Tamin’ izay dia nisy rantsan-tànan’ olona niseho ka nanoratra tandrifin’ ny jiro tamin’ ny lalotra sokay teo amin’ ny rindrin’ ny lapan’ ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
6 his face grew pale and his thoughts so alarmed him that his hips gave way and his knees knocked together.
Dia nivaloarika ny tarehin’ ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
7 The king called out for the enchanters, astrologers, and diviners to be brought in, and he said to these wise men of Babylon, “Whoever reads this inscription and tells me its interpretation will be clothed in purple and have a gold chain placed around his neck, and he will be made the third highest ruler in the kingdom.”
Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana izy.
8 So all the king’s wise men came in, but they could not read the inscription or interpret it for him.
Dia niditra avokoa ny olon-kendrin’ ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.
9 Then King Belshazzar became even more terrified, his face grew even more pale, and his nobles were bewildered.
Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolo-tsainy.
10 Hearing the outcry of the king and his nobles, the queen entered the banquet hall. “O king, may you live forever!” she said. “Do not let your thoughts terrify you, or your face grow pale.
Ary ny renin’ ny mpanjaka niditra tao amin’ ny trano fanasana noho ny tenin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao.
11 There is a man in your kingdom who has the spirit of the holy gods in him. In the days of your father he was found to have insight, intelligence, and wisdom like that of the gods. Your father, King Nebuchadnezzar, appointed him chief of the magicians, enchanters, astrologers, and diviners. Your own father, the king,
Misy lehilahy ato amin’ ny fanjakanao izay manana fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren’ ireo andriamanitra; ka nataon’ i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben’ ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;
12 did this because Daniel, the one he named Belteshazzar, was found to have an extraordinary spirit, as well as knowledge, understanding, and the ability to interpret dreams, explain riddles, and solve difficult problems. Summon Daniel, therefore, and he will give you the interpretation.”
fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin’ izany Daniela izany, izay nomen’ ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.
13 So Daniel was brought before the king, who asked him, “Are you Daniel, one of the exiles my father the king brought from Judah?
Dia nampidirina teo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan’ ny babo avy amin’ ny taranak’ i Joda, izay nentin’ ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
14 I have heard that the spirit of the gods is in you, and that you have insight, intelligence, and extraordinary wisdom.
Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin’ ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
15 Now the wise men and enchanters were brought before me to read this inscription and interpret it for me, but they could not give its interpretation.
Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
16 But I have heard about you, that you are able to give interpretations and solve difficult problems. Therefore, if you can read this inscription and give me its interpretation, you will be clothed in purple and have a gold chain placed around your neck, and you will be made the third highest ruler in the kingdom.”
ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana ianao.
17 In response, Daniel said to the king, “You may keep your gifts for yourself and give your rewards to someone else. Nevertheless, I will read the inscription for the king and interpret it for him.
Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin’ ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
18 As for you, O king, the Most High God gave your father Nebuchadnezzar sovereignty and greatness, glory and honor.
Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an’ i Nebokadnezara rainao;
19 Because of the greatness that He bestowed on him, the people of every nation and language trembled in fear before him. He killed whom he wished and kept alive whom he wished; he exalted whom he wished and humbled whom he wished.
ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
20 But when his heart became arrogant and his spirit was hardened with pride, he was deposed from his royal throne, and his glory was taken from him.
Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin’ ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
21 He was driven away from mankind, and his mind was like that of a beast. He lived with the wild donkeys and ate grass like an ox, and his body was drenched with the dew of heaven until he acknowledged that the Most High God rules over the kingdom of mankind, setting over it whom He wishes.
dia noroahina niala tamin’ ny zanak’ olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an’ ny biby, ary ny fonenany tany amin’ ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan’ ny andon’ ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
22 But you his son, O Belshazzar, have not humbled your heart, even though you knew all this.
Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany;
23 Instead, you have exalted yourself against the Lord of heaven. The vessels from His house were brought to you, and as you drank wine from them with your nobles, wives, and concubines, you praised your gods of silver and gold, bronze and iron, wood and stone, which cannot see or hear or understand. But you have failed to glorify the God who holds in His hand your very breath and all your ways.
fa niavonavona tamin’ ny Tompon’ ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin’ ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
24 Therefore He sent the hand that wrote the inscription.
Ary noho izany dia Izy no nihavian’ ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
25 Now this is the inscription that was written: MENE, MENE, TEKEL, PARSIN.
Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina.
26 And this is the interpretation of the message: MENE means that God has numbered the days of your reign and brought it to an end.
Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan’ Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’ izao;
27 TEKEL means that you have been weighed on the scales and found deficient.
Tekela, efa voalanja tamin’ ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
28 PERES means that your kingdom has been divided and given over to the Medes and Persians.”
Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ ny Mediana sy ny Persiana.
29 Then Belshazzar gave the command, and they clothed Daniel in purple, placed a gold chain around his neck, and proclaimed him the third highest ruler in the kingdom.
Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana.
30 That very night Belshazzar king of the Chaldeans was slain,
Ary tamin’ io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan’ ny Kaldeana.
31 and Darius the Mede received the kingdom at the age of sixty-two.
Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.