< Acts 21 >
1 After we had torn ourselves away from them, we sailed directly to Cos, and the next day on to Rhodes, and from there to Patara.
Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
2 Finding a ship crossing over to Phoenicia, we boarded it and set sail.
ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
3 After sighting Cyprus and passing south of it, we sailed on to Syria and landed at Tyre, where the ship was to unload its cargo.
Ary nony nahatsinjo an’ i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin’ ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan’ ny sambo.
4 We sought out the disciples in Tyre and stayed with them seven days. Through the Spirit they kept telling Paul not to go up to Jerusalem.
Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin’ ny Fanahy hilaza amin’ i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
5 But when our time there had ended, we set out on our journey. All the disciples, with their wives and children, accompanied us out of the city and knelt down on the beach to pray with us.
Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin’ ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan’ ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
6 And after we had said our farewells, we went aboard the ship, and they returned home.
ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
7 When we had finished our voyage from Tyre, we landed at Ptolemais, where we greeted the brothers and stayed with them for a day.
Ary ny niafaran’ ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
8 Leaving the next day, we went on to Caesarea and stayed at the home of Philip the evangelist, who was one of the Seven.
Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon’ i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin’ izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
9 He had four unmarried daughters who prophesied.
Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
10 After we had been there several days, a prophet named Agabus came down from Judea.
Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
11 Coming over to us, he took Paul’s belt, bound his own feet and hands, and said, “The Holy Spirit says: ‘In this way the Jews of Jerusalem will bind the owner of this belt and hand him over to the Gentiles.’”
Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon’ i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan’ ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain’ ny Fanahy Masìna: Toy izao no hamatoran’ ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan’ ny jentilisa izy.
12 When we heard this, we and the people there pleaded with Paul not to go up to Jerusalem.
Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin’ izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
13 Then Paul answered, “Why are you weeping and breaking my heart? I am ready not only to be bound, but also to die in Jerusalem for the name of the Lord Jesus.”
Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Tompo.
14 When he would not be dissuaded, we fell silent and said, “The Lord’s will be done.”
Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon’ ny Tompo no hatao.
15 After these days, we packed up and went on to Jerusalem.
Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
16 Some of the disciples from Caesarea accompanied us, and they took us to stay at the home of Mnason the Cypriot, an early disciple.
Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin’ i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
17 When we arrived in Jerusalem, the brothers welcomed us joyfully.
Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin’ ny fifaliana ny rahalahy.
18 The next day Paul went in with us to see James, and all the elders were present.
Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin’ i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra.
19 Paul greeted them and recounted one by one the things that God had done among the Gentiles through his ministry.
Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa izy.
20 When they heard this, they glorified God. Then they said to Paul, “You see, brother, how many thousands of Jews have believed, and all of them are zealous for the law.
Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an’ Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin’ i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
21 But they are under the impression that you teach all the Jews who live among the Gentiles to forsake Moses, telling them not to circumcise their children or observe our customs.
sady efa novokisan’ olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin’ ny jentilisa hahafoy an’ i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
22 What then should we do? They will certainly hear that you have come.
Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
23 Therefore do what we advise you. There are four men with us who have taken a vow.
Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;
24 Take these men, purify yourself along with them, and pay their expenses so they can have their heads shaved. Then everyone will know that there is no truth to these rumors about you, but that you also live in obedience to the law.
raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
25 As for the Gentile believers, we have written to them our decision that they must abstain from food sacrificed to idols, from blood, from the meat of strangled animals, and from sexual immorality.”
Fa ny amin’ ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
26 So the next day Paul took the men and purified himself along with them. Then he entered the temple to give notice of the date when their purification would be complete and the offering would be made for each of them.
Dia noraisin’ i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan’ ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an’ ny isan-dahy.
27 When the seven days were almost over, some Jews from the province of Asia saw Paul at the temple. They stirred up the whole crowd and seized him,
Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an’ i Paoly teo an-kianjan’ ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an’ i Paoly,
28 crying out, “Men of Israel, help us! This is the man who teaches everywhere against our people and against our law and against this place. Furthermore, he has brought Greeks into the temple and defiled this holy place.”
ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan’ ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masìna.
29 For they had previously seen Trophimus the Ephesian with him in the city, and they assumed that Paul had brought him into the temple.
(fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin’ i Paoly teo an-kianjan’ ny tempoly izy).
30 The whole city was stirred up, and the people rushed together. They seized Paul and dragged him out of the temple, and at once the gates were shut.
Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan’ ny tempoly; ary niaraka tamin’ izay dia narindrina ny vavahady.
31 While they were trying to kill him, the commander of the Roman regiment received a report that all Jerusalem was in turmoil.
Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny antokon’ ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
32 Immediately he took some soldiers and centurions and ran down to the crowd. When the people saw the commander and the soldiers, they stopped beating Paul.
ary niaraka tamin’ izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an’ i Paoly.
33 The commander came up and arrested Paul, ordering that he be bound with two chains. Then he asked who he was and what he had done.
Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin’ ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
34 Some in the crowd were shouting one thing, and some another. And since the commander could not get at the truth because of the uproar, he ordered that Paul be brought into the barracks.
Ary ny sasany tamin’ ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
35 When Paul reached the steps, he had to be carried by the soldiers because of the violence of the mob.
Ary rehefa tonga teo amin’ ny ambaratonga izy, dia nobetain’ ny miaramila noho ny fifanosehan’ ny olona;
36 For the crowd that followed him kept shouting, “Away with him!”
fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
37 As they were about to take Paul into the barracks, he asked the commander, “May I say something to you?” “Do you speak Greek?” he replied.
Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin’ ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao?
38 “Aren’t you the Egyptian who incited a rebellion some time ago and led four thousand members of the ‘Assassins’ into the wilderness?”
Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
39 But Paul answered, “I am a Jew from Tarsus in Cilicia, a citizen of no ordinary city. Now I beg you to allow me to speak to the people.”
Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin’ izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin’ ny olona.
40 Having received permission, Paul stood on the steps and motioned to the crowd. A great hush came over the crowd, and he addressed them in Hebrew:
Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin’ ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin’ ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin’ ny teny Hebreo izy ka nanao hoe: