< 3 John 1 >
1 The elder, To the beloved Gaius, whom I love in the truth:
Izaho loholona mamangy an’ i Galo, ilay malala, izay tiako amin’ ny fahamarinana.
2 Beloved, I pray that in every way you may prosper and enjoy good health, as your soul also prospers.
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
3 For I was overjoyed when the brothers came and testified about your devotion to the truth, in which you continue to walk.
Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.
4 I have no greater joy than to hear that my children are walking in the truth.
Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
5 Beloved, you are faithful in what you are doing for the brothers, and especially since they are strangers to you.
Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’ inona na amin’ inona ataonao amin’ ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,
6 They have testified to the church about your love. You will do well to send them on their way in a manner worthy of God.
izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin’ Andriamanitra ianao;
7 For they went out on behalf of the Name, accepting nothing from the Gentiles.
fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ ny jentilisa izy.
8 Therefore we ought to support such men, so that we may be fellow workers for the truth.
Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ ny fahamarinana.
9 I have written to the church about this, but Diotrephes, who loves to be first, will not accept our instruction.
Nanoratra tamin’ ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.
10 So if I come, I will call attention to his malicious slander against us. And unsatisfied with that, he refuses to welcome the brothers and forbids those who want to do so, even putting them out of the church.
Koa amin’ izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’ izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin’ ny fiangonana.
11 Beloved, do not imitate what is evil, but what is good. The one who does good is of God; the one who does evil has not seen God.
Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’ Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’ Andriamanitra.
12 Demetrius has received a good testimony from everyone, and from the truth itself. We also testify for him, and you know that our testimony is true.
Demetrio dia tsara laza amin’ ny olona rehetra sy amin’ ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
13 I have many things to write to you, but I would prefer not to do so with pen and ink.
Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin’ ny ranomainty sy ny penina;
14 Instead, I hope to see you soon and speak with you face to face. Peace to you. The friends here send you greetings. Greet each of our friends there by name.
fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin’ ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.