< Zechariah 8 >

1 And the word of Jehovah of hosts came to me, saying,
Ary tonga ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, nanao hoe:
2 Thus says Jehovah of hosts: I am jealous for Zion with great jealousy, and I am jealous for her with great wrath.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin’ ny fahatezerana mafy Aho.
3 Thus says Jehovah: I am returned to Zion, and will dwell in the midst of Jerusalem. And Jerusalem shall be called The city of truth, and the mountain of Jehovah of hosts, The holy mountain.
Izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’ i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masìna.
4 Thus says Jehovah of hosts: There shall yet old men and old women dwell in the streets of Jerusalem, every man with his staff in his hand for very age.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben’ i Jerosalema, samy hitehina amin’ ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;
5 And the streets of the city shall be full of boys and girls playing in the streets of it.
ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe.
6 Thus says Jehovah of hosts: If it is marvelous in the eyes of the remnant of this people in those days, should it also be marvelous in my eyes? says Jehovah of hosts.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Raha mahagaga izany eo imason’ ny sisa amin’ ity firenena ity amin’ izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
7 Thus says Jehovah of hosts: Behold, I will save my people from the east country, and from the west country.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ ny tany atsinanana sy amin’ ny tany andrefana Aho;
8 And I will bring them, and they shall dwell in the midst of Jerusalem. And they shall be my people, and I will be their God, in truth and in righteousness.
ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
9 Thus says Jehovah of hosts: Let your hands be strong, ye who hear in these days these words from the mouth of the prophets who were in the day that the foundation of the house of Jehovah of hosts was laid, even the temple, that it might be built.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin’ izao andro izao avy amin’ ny vavan’ ny mpaminany, izay teo tamin’ ny andro nanaovana ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.
10 For before those days there was no wage for man, nor any wage for beast, nor was there any peace to him who went out or came in, because of the adversary. For I set all men each one against his neighbor.
Fa talohan’ izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an’ ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin’ ny namany avy ny olona rehetra.
11 But now I will not be to the remnant of this people as in the former days, says Jehovah of hosts.
Fa amin’ izay kosa dia tsy ho toy ny tamin’ ny fahiny intsony amin’ ny sisa amin’ ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
12 For there shall be the seed of peace. The vine shall give its fruit, and the ground shall give its increase, and the heavens shall give their dew. And I will cause the remnant of this people to inherit all these things.
Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
13 And it shall come to pass that, as ye were a curse among the nations, O house of Judah and house of Israel, so I will save you, and ye shall be a blessing. Fear not. Let your hands be strong.
Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ ny firenena, ry taranak’ i Joda sy ry taranak’ Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
14 For thus says Jehovah of hosts: As I thought to do evil to you, when your fathers provoked me to wrath, says Jehovah of hosts, and I did not relent,
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ ny nampahatezeran’ ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy nanenina Aho,
15 so again I have thought in these days to do good to Jerusalem and to the house of Judah. Fear ye not.
dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an’ i Jerosalema sy ny taranak’ i Joda amin’ izao andro izao: aza matahotra ianareo.
16 These are the things that ye shall do: Speak ye every man the truth with his neighbor. Execute the judgment of truth and peace in your gates.
Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;
17 And let none of you devise evil in your hearts against his neighbor, and love no false oath. For all these are things that I hate, says Jehovah.
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
18 And the word of Jehovah of hosts came to me, saying,
Ary ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe:
19 Thus says Jehovah of hosts: The fast of the fourth month, and the fast of the fifth, and the fast of the seventh, and the fast of the tenth, shall be to the house of Judah, joy and gladness, and cheerful feasts. Therefore love truth and peace.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny fifadian-kanina amin’ ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ ny taranak’ i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
20 Thus says Jehovah of hosts: Peoples shall yet come, and the inhabitants of many cities.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ ny tanàna maro ho avy;
21 And the inhabitants of one city shall go to another, saying, Let us go speedily to entreat the favor of Jehovah, and to seek Jehovah of hosts. I will go also.
ary ny mponina ao amin’ ny anankiray hankany amin’ ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’ i Jehovah sy hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; izaho koa mba handeha.
22 Yea, many peoples and strong nations shall come to seek Jehovah of hosts in Jerusalem, and to entreat the favor of Jehovah.
Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any Jerosalema sy hifona amin’ i Jehovah.
23 Thus says Jehovah of hosts: In those days, ten men shall take hold, out of all the languages of the nations, they shall take hold of the skirt of him who is a Jew, saying, We will go with you, for we have heard that God is with you.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Amin’ izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.

< Zechariah 8 >