< Psalmen 113 >

1 Hallelujah! Looft, gij knechten des HEEREN! looft den Naam des HEEREN.
Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah.
2 De Naam des HEEREN zij geprezen, van nu aan tot in der eeuwigheid.
Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.
3 Van den opgang der zon af tot haar nedergang, zij de Naam des HEEREN geloofd.
Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah.
4 De HEERE is hoog boven alle heidenen, boven de hemelen is Zijn heerlijkheid.
Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny.
5 Wie is gelijk de HEERE, onze God? Die zeer hoog woont.
Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo,
6 Die zeer laag ziet, in den hemel en op de aarde.
Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
7 Die den geringe uit het stof opricht, en den nooddruftige uit den drek verhoogt;
Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika,
8 Om te doen zitten bij de prinsen, bij de prinsen Zijns volks.
Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony.
9 Die de onvruchtbare doet wonen met een huisgezin, een blijde moeder van kinderen. Hallelujah!
Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.

< Psalmen 113 >