< Makko 7 >
1 BaFalisi abamwi bayiisyi bamulawu bakali bazwa ku Jelusalema bakamubunganina
Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema
2 Mpawo bakabona bamwi basikwiiya bakwe kabanikulya chakulya amaboko “atasalali,” nkukuti, atasambide.
ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin’ ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
3 (BaFalisi abaJuda boonse tabalyi chakulya kabatasambide maboko pe mbuli kuchiyanza chabo, nkaambo bajisi mbuli tunsiyasiya twabapati.
(Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.
4 Nibazwa kuzisambalilo ba Falisi tabalyi pe kabatasambide. Balalondola atumwi tunsiyansiya twiingi, tuli mbuli kusanzya nkomechi, nongo zyameenda azilongo nzikbalida.)
Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin’ izay fanaka varahina.)
5 Lino baFalisi abayiisyi bamulawu bakabuzya Jesu bati, “Nkaamboonzi basikwiiya bako nibatalondoli tunsiyansiya twabapati, balalya kabatasambide?”
Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin’ ny tanana tsy misasa izy?
6 Wakabasandula wati, “Isaya wakasinsima kabotu aatala andinywe nibasikuupawupa; mbuli mbaakalemba kuti: 'Aba bantu bandilemeka amilomo yabo, pesi myoyo yabo ilikule andime.
Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’ Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
7 Nkombyo zyabo tazikwe nchizyaamba, bayiisya milawu yabantu aziyanza zyabo.'
Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, Raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy.
8 Mwakalekezya milawu yaLeza, mpawo mwajatisya ziyanza zyabantu.”
Mahafoy ny didin’ Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’ ny olona.
9 Mpawo wakabaambila wati, “Mujisi nzila inembene yakusunzulusya mulawu waLeza akuubikka kumbali kuti mulondole kabotu tunsiyansiya twanu!
Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’ Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
10 Mozesi wakati, 'Lemeka wuso abanyoko,' akuti 'kufumbwa muntu utukila wisi abayina, weelede kujeegwa.'
Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa.
11 Pesi nywe mulati, 'Na muntu waamba kuli wisi abanyina, kuti “Kufumbwa zilibiyeni nzimwakagwasigwa kulindime ngu ‘Kkobbani’ (nkukuti, 'Nchilumbyo cha Leza', ) -
Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ ny rainy na amin’ ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’ Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,
12 elyo tamumuzumizyi kuti achitile wisi abanyina chimwi chintu.
dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ ny rainy sy ny reniny intsony izy,
13 Mulalobya ijwi lya Leza nkaambo katunsiyansiya twanu ntumwakabamba. Alimwi mulachita zintu zyiingi zili mbuli eezyo.”
ka dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’ izany koa no ataonareo.
14 Mpawo Jesu wakayita makamumakamu abantu wati kulimbabo, “Amundiswilizye, moonse, mumvwisisisye.
Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
15 Takwe chili kunze amuntu chikonzya kumuninaania kuti chanjila mulinguwe. Chininaania muntu ncheecho chizwa mukati mumoyo wamuntu nchimuninaania.”
Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ ny olona no mahaloto azy.
17 Jesu kali wasiya makamumakamu aabantu akunjila mung'anda, basikwiiya bakwe bakamubuzya atala achikozyano eechi.
Ary rehefa niala teo amin’ ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’ izany fanoharana izany.
18 Jesu wakati, “Tamunaaba akumvwisisisya pe?” Tamubwene na kuti taakwe chinjila mumuntu chili kunze kwamuntu chinga chilamuninaania chanjila mukati mulinguwe, mbukunga
Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
19 tachinjili mumoyo wakwe pesi muubula biyo mpawo chazwa kunze.” Mukwaamba oobu Jesu wakasalazya zyakulya zyoonse.
satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
20 Wakati, “Chizwa mumuntu nchichita kuti aninaane.
Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ ny olona, dia izany no mahaloto azy.
21 Nkaambo mukati ka myoyo ya bantu, muzwa mizeezo mibi, buyangwe, kubba, bujayi,
Fa avy ao anatin’ ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’ olona,
22 bwamu, bwaanka, luuni, lweeno, cheendwe, ibbivwe, kusinga, kulipunayizya abufubafuba.
ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana:
23 Zibi eezi zyoonse zizwa mumoyo nzizininaania muntu.”
izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ ny olona ka mahaloto azy.
24 Wakanyampuka aabusena oobo akuya kuchlikiti cha chaTaya a Sidon. Wakanjila mung'anda alimwi tewakayanda kuti azibinkane kuti mpali amuntu naba omwe, nekuba boobo wakakachilwa kuyuba kuti bantu batamuboni.
Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
25 Mpawaawo umwi mwanakazi wakali amwana wakanjidwe muuya mubi, mbakamvwa biyo aatala aJesu wakaza wawida kumawulu aakwe.
Fa niaraka tamin’ izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ ny tongony.
26 Mwanakazi oyu wakali wamusyobo waba Gilikki wakazyalilwa kuSiliya Fonisiya. Wakakumbila Jesu kuti atande muuya mubi uzwe mumwana wakwe.
Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ ny zananivavy.
27 Wakamwaambila wati, “Weelede kulekela bana kuti balye saansi. Nkaambo tachili kabotupe kubweza chakulya chabana mpawo usowele bankala.”
Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely.
28 Pesi wakamuvwiila wati, “Iiyi, Mwami, nekubaboobo alabo bankala balabwezelela bumbulumbulu bulosya bana munsi lyatafula.”
Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ ny mofon-jaza ihany.
29 Mpawo wakamwaambila kuti, “Mbwasandula obo, enda biyo, muuya mubi wazwa kale mumwana wako.”
Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin’ ny zanakao-vavy ny demonia.
30 Mpawo wakajoka kung'anda wajana mwana ulilede abulo, muuya mubi kali wazwa kale.
Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
31 Lino Jesu wakazwa kubusena bwaTaya wakeenda wayinda muSidoni, katozya kulwizi lwaGalili mpawo wanjila muchilikiti chaDekkapolisi.
Ary Jesosy niala indray tamin’ ny sisin-tanin’ i Tyro, dia namaky an’ i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia.
32 Ooku, bamwi bantu bakamweetela mwaalumi musinkematwi kali sichilimilimi, mpawo bakamukumbila kuti amubikke luboko lwakwe amuponisye.
Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana.
33 Wakamubweza wakamugwisya mubantu biingi wamutola kumbali, wakamunjizya minwe mumatwi. naakaswida wamudompa alulimi.
Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;
34 Mpawo wakalungumana walanga kujulu, woompomoka wati kulinguwe, “Efata,” nkukwaamba kuti, “Sinkuka!”.
ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
35 Nizyakachitwa eezi mwaalumi oolya akasinkuka matwi aakwe, lulimi lwakwe lwakaangunuka mpawo watanguna kwaambuula kabotu.
Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.
36 Wakabalayilila kuti bataambili bantu. Pesi nakanoonga wabalayilila oobu, bantu nibakayindilila loko kwaambuula azyakachitika.
Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin’ iza na amin’ iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
37 Bantu bakazula kugamba kabaamba kuti, “Uchita kabotu loko muzintu zyoonse ulaponia basinkematwi abasichilimilimi.”
Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.