< Nehemia 1 >

1 Magi e weche Nehemia wuod Hakalia: E dwe mar Kislev e higa mar piero ariyo, kane pod antiere kama ochiel gi ohinga motegno mar Susa,
Ny tantaran’ i Nehemia, zanak’ i Hakalia. Tamin’ ny volana Kisleo tamin’ ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
2 Hanani, ma en achiel kuom owetena, nobiro koa Juda kaachiel gi joma moko, kendo ne apenjogi kuom jo-Yahudi mane otony, bende ne apenjogi kuom Jerusalem.
dia tonga Hanany, anankiray amin’ ny rahalahiko, mbamin’ ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin’ ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin’ ny fahababoana, ary ny amin’ i Jerosalema.
3 Ne giwachona niya, “Jogo mane otony oa e twech kendo modwogo e gwengʼni nigi chandruok malich to gi wichkuot. Ohinga mar Jerusalem osemukore kendo dhorangeyege osewangʼ gi mach.”
Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin’ ny fahababoana izay any amin’ ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’ i Jerosalema sady nodoran’ ny afo ny vavahadiny.
4 Kane awinjo wechegi, to ne abet piny mi aywak. Kuom ndalo manok nakuyo kendo natweyo chiemo kalamo e nyim Nyasach polo.
Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitra
5 Bangʼe ne alemo kama: “Jehova Nyasaye, ma Nyasach Polo, in Nyasaye maduongʼ kendo malich miwuoro, marito singruok mare mar hera gi jogo mohere kendo morito chikene.
ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
6 Yie ichik iti kendo iyaw wangʼi mondo iwinj lemo ma jatichni lamo odiechiengʼ gotieno ne jotichni, ma gin jo-Israel. Ahulo richowa ma wan jo-Israel, kaachiel gi an kod od wuora wasetimoni;
aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’ alina ho an’ ny Zanak’ Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ ny Zanak’ Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
7 waseketho e nyimi adier kendo ok waseluoro chike kod puonj mane imiyo jatichni Musa.
Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao.
8 “Parie puonj mane imiyo jatichni Musa, kiwacho ni, ‘Ka ok ubedo jo-ratiro, to abiro keyou e dier ogendini,
Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin’ ny firenena maro Aho;
9 to ka udwogo ira kendo urito chikena, to kata obedo ni jou oke e tungʼ piny ka tungʼ piny, abiro chokogi ka agologi kuondego mi akelgi kama aseyiero kaka kar dak mar Nyinga.’
nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
10 “Gin jotichgi kendo jogi, mane ireso gi tekoni maduongʼ kod badi maratego.
Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin’ ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
11 Yaye, Ruoth Nyasaye, mad ichik iti ne lamo mar jatichnini kendo bende ni lamo mag jotichni man-gi ilo mar miyo nyingi luor. Mi jatichni odhi maber ka inyise ngʼwono e nyim ngʼatni.” Ne an jatingʼ divai mar ruoth.
Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason’ io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.

< Nehemia 1 >