< Jeremia 40 >

1 Wach nobiro ne Jeremia koa kuom Jehova Nyasaye bangʼ ka Nebuzaradan ma jatend lweny mar piny nosegonye Rama. Noyudo ka Jeremia otwe gi nyororo e dier joma nomak duto mane oa Jerusalem kod Juda mane oter e twech Babulon.
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, taorian’ ny nandefasan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin’ ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin’ ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.
2 Ka jatend lweny noyudo Jeremia, nowachone niya, “Jehova Nyasaye ma Nyasachi nochiko masirani ne pinyni.”
An’ ny lehiben’ ny mpiambina dia naka an’ i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanàna ity.
3 Kendo koro Jehova Nyasaye osemiyo otimore; osetimo kaka ne owacho ni obiro timo. Magi duto notimore nikech nutimo richo ne Jehova Nyasaye kendo ne ok gitimo dwaro mare.
Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’ i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
4 To kawuononi aweyi thuolo ka agonyo nyoroche manie ngʼut lweti. Dhi koda Babulon, ka ihero, kendo anariti; to ka ok idwar, to kik ibi. Ne, piny ngima ni e lweti; dhi kamoro amora midwaro.
Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin’ ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
5 Kata kamano, ka Jeremia ne pod ok owuok, Nebuzaradan nomedo kawacho niya, “Dog ir Gedalia wuod Ahikam, ma wuod Shafan, ma ruodh Babulon oseyiero mondo orit mier mag Juda, kendo idag kode kaachiel gi ji, ka ok kamano to idhi kamoro amora mihero.” Eka jatend lweny nomiye gik moko kod mich bangʼe noweye odhi.
Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, izay voatendrin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tanànan’ ny Joda ka tomoera aminy ao amin’ ny olona, na mandehana any amin’ izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen’ ny lehiben’ ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
6 Omiyo Jeremia nodhi Mizpa ir Gedalia wuod Ahikam mi odak kode kaachiel gi ji mane odongʼ e pinyno.
Ary Jeremia nankany amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin’ ny vahoaka izay sisa velona tamin’ ny tany.
7 Ka jotend jolweny duto kod jogi mane pod ni e piny ma tambarare nowinjo ni ruodh Babulon noseyiero Gedalia wuod Ahikam kaka jatelo maduongʼ kendo okete jatelo mar chwo, mon kod nyithindo mane odhier moloyo e piny kendo mago mane ok oter e twech Babulon,
Ary raha ren’ ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’ i Babylona efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin’ ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
8 negibiro ir Gedalia e dala miluongo ni Mizpa. Jogo ne gin Ishmael wuod Nethania, Johanan gi Jonathan ma yawuot Karea, Seraya wuod Tanhumeth, yawuot Efai ma ja-Netofath, kod Jazania wuod ja-Maakath, kod jogi.
dia tonga tany amin’ i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak’ i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak’ i Karea, sy Seraia, zanak’ i Tanometa, sy ny zanak’ i Efay Netofatita ary Jazania, zanak’ ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
9 Gedalia wuod Ahikam, ma wuod Shafan, nokwongʼore kosingorenegi kaachiel gi jogo mane ni kodgi kawacho niya, “Kik uluor tiyone jo-Babulon. Daguru e pinyni kendo uti ne ruodh Babulon, to unudhi maber.
Ary Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nianiana taminy sy tamin’ ny olona-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin’ ny tany, ka manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, dia hahita soa ianareo.
10 An awuon anadag Mizpa mondo achungʼ karu e nyim jo-Babulon mabiro irwa, to un onego uka olembe, divai, olembe mag ndalo oro gi mo, kendo uketgi e agulniu mag keno, kendo udag e dala ma usekawo.”
Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin’ ny fitehirizanareo, dia monena amin’ izay tanàna nidiranareo.
11 Ka jo-Yahudi duto man Moab, Amon, Edom kod pinje mamoko nowinjo ni ruodh Babulon noweyo joma notony ei Juda kendo noyiero Gedalia wuod Ahikam, ma wuod Shafan, kaka jatendgi,
Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin’ ny taranak’ i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, ho mpanapaka azy,
12 giduto negibiro e piny Juda, e Mizpa ir Gedalia, ka gia e pinje duto mane okegie. Kendo negikayo divai mathoth kod olembe mag ndalo oro.
dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ ny tanin’ ny Joda ho any amin’ i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
13 Johanan wuod Karea kod jotend lweny duto ma pod ne nitiere e piny ma tambarare nodhi Mizpa ir Gedalia
Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin’ i Gedalia tany Mizpa
14 kendo owachone niya, “Bende ingʼeyo ni Baalis ruodh jo-Amon oseoro Ishmael wuod Nethania mondo okaw ngimani?” To Gedalia wuod Ahikam ne ok oyie gi wachgino.
ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, dia naniraka an’ Isimaela, zanak’ i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama.
15 Eka Johanan wuod Karea nowachone Gedalia malingʼ-lingʼ ka en Mizpa niya, “Weya adhi kendo aneg Ishmael wuod Nethania, to onge ngʼama nongʼe. Angʼo momiyo odwaro kawo ngimani kendo omi jo-Yahudi duto mochokore buti oke kendo jo-Juda motony olal nono?”
Ary Johanana, zanak’ i Karea, nilaza mangingina tamin’ i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an’ Isimaela, zanak’ i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ ny Joda?
16 To Gedalia wuod Ahikam nowachone Johanan wuod Karea niya, “Kik itim gima chalo kamano! Gima iwacho kuom Ishmael ok adiera.”
Fa hoy Gedalia, zanak’ i Ahikama, tamin’ i Johanana, zanak’ i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an’ Isimaela ianao.

< Jeremia 40 >