< Chakruok 10 >

1 Ma e nonro mar Shem, Ham kod Jafeth ma yawuot Nowa ma bende nonywolo yawuowi bangʼ ataro mangʼongo.
Ary izao no taranaky ny zanakalahin’ i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian’ ny safo-drano.
2 Yawuot Jafeth ne gin: Gomer, Magog, Madai, Javan, Tubal, Meshek kod Tiras.
Ny zanakalahin’ i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
3 Yawuot Gomer ne gin: Ashkenaz, Rifath, kod Togarma.
Ary ny zanakalahin’ i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
4 Yawuot Javan ne gin: Elisha, Tarshish, jo-Kitim kod jo-Rodan.
Ary ny zanakalahin’ i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
5 (Kuomgi ema ogendini modak e dho nembe nowuokie kadhi e pinjegi, dhoot ka dhoot, e pinjegi ka moro ka moro wacho dhogi.)
Avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny nosin’ ny firenena tany amin’ ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin’ ny fireneny avy.
6 Yawuot Ham ne gin: Kush, Mizraim, Put kod Kanaan.
Ary ny zanakalahin’ i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
7 Yawuot Kush ne gin: Seba, Havila, Sabta, Rama kod Sabteka. Yawuot Rama ne gin: Sheba kod Dedan.
Ary ny zanakalahin’ i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin’ i Ragama dia Seba sy Dedana.
8 Kush ne en wuon Nimrod, mane en jalweny maratego e piny.
Ary Kosy niteraka an’ i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ ny tany.
9 Ne en jadwar maratego e nyim Jehova Nyasaye. Mano ema omiyo iwacho “Jadwar maratego e nyim Jehova Nyasaye ka Nimrod.”
Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’ i Jehovah, ka izany no nanaovan’ ny olona hoe: Tahaka an’ i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’ i Jehovah.
10 Pinje mokwongo mag pinyruodhe ne gin Babulon, Erek, Akad kod Kalne e piny Shinar.
Ary ny niandohan’ ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin’ ny tany Sinara.
11 Nowuok kuno modhi e piny Asuria kuma nogeroe Nineve, Rehoboth-Ir, gi Kala,
Ary nivoaka avy tamin’ izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an’ i Ninive mbamin’ i Rehobot-ira sy Kala
12 kod Resen, dala maduongʼ, man e kind Nineve kod Kala.
ary Resena teo anelanelan’ i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
13 Mizraim ne en wuon jo-Lud, jo-Anam, jo-Lehab, jo-Naftu,
Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
14 Jo-Pathrus, jo-Kaslu (ma jo-Filistia nowuok kuomgi) kod jo-Kaftor.
sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian’ ny Filistina ary ny Kaftorita.
15 Kanaan nonywolo Sidon wuode makayo kendo jo-Hiti,
Ary Kanana niteraka an’ i Sidona lahimatoany sy Heta,
16 jo-Jebus, jo-Amor, jo-Girgash,
ary ny Jebosita, sy ny Amorita sy ny Girgasita
17 jo-Hivi, jo-Arki, jo-Sini,
sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
18 jo-Arvad, jo-Zemar kod jo-Hamath. (Bangʼe anywola mar jo-Kanaan noke e piny,
sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen’ ny Kananita.
19 kendo tongʼ piny mar Kanaan nochakore Sidon kadhi Gerar nyaka Gaza kendo kadhi Sodom, Gomora, Adma kod Zeboim nyaka Lasha.)
Ary ny fari-tanin’ ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’ i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin’ i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboïma.
20 Magi e yawuot Ham kuom dhoutgi, kod dhogi e pinjegi kod ogandagi.
Ireo no zanak’ i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, amin’ ny fireneny.
21 Shem mane owadgi Jafeth matin ma bende en kwar jo-Eber bende nonywolo yawuowi.
Dia niteraka koa Sema, rain’ ny zanak’ i Ebera rehetra rahalahin’ i Jafeta, izay zokiny.
22 Shem nonywolo: Elam, Ashur, Arfaksad, Lud kod Aram.
Ny zanakalahin’ i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
23 Aram nonywolo: Uz, Hul, Gether kod Meshek.
Ary ny zanakalahin’ i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
24 Arfaksad nonywolo Shela, to Shela nonywolo Eber.
Ary Arpaksada niteraka an’ i Sela; ary Sela niteraka an’ i Ebera.
25 Eber nonywolo yawuowi ariyo: Achiel nochak ni Peleg, nikech e ndalono ema nopogie piny; owadgi to ne nyinge Joktan.
Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ ny iray natao hoe Palega, satria tamin’ ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ ny rahalahiny.
26 Joktan nonywolo: Almodad, Shelef, Hazarmaveth, gi Jera,
Ary Joktana niteraka an’ i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
27 Hadoram, Uzal, Dikla,
sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
28 Obal, Abimael, gi Sheba
sy Obala sy Abimaela sy Sheba
29 Ofir, Havila kod Jobab. Jogo duto ne gin yawuot Joktan.
sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Joktana.
30 (Pinygi mane gi dakie nochakore Mesha kochomo Sefar e gode man yo wuok chiengʼ.)
Ary ny fonenan’ ireo dia hatrany Mesa ao akaikin’ i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
31 Magi e yawuot Shem kuom dhoutgi ka moro ka moro wacho dhogi giwegi.
Ireo no zanak’ i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, araka ny fireneny.
32 Magi e yawuot Nowa kaluwore gi anywolagi e pinjegi. Kuomgi ema ogendini mopogore opogore nochakore bangʼ ataro.
Ireo no mpianakavin’ ny zanak’ i Noa, araka ny taranany, amin’ ny fireneny; ary avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny firenena tambonin’ ny tany taorian’ ny safo-drano.

< Chakruok 10 >