< Ezra 8 >
1 Magi e jotend dhoudi kod jogo mane obiro koda koa Babulon e kinde loch Ruoth Artaksases:
Ary izao no lohan’ ny fianakaviana sy filazana ny firazanan’ ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka:
2 nyikwa Finehas, Gershom; nyikwa Ithamar, Daniel; nyikwa Daudi, Hatush
Gersoma, avy tamin’ ny taranak’ i Finehasa; Daniela, avy tamin’ ny taranak’ Itamara; Hatosy, avy tamin’ ny taranak’ i Davida;
3 nyikwa Shekania; nyikwa Parosh, Zekaria, kaachiel kode ji mia achiel gi piero abich;
Zakaria, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania (avy tamin’ ny zanak’ i Parosy), mbamin’ ny namany dimam-polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
4 nyikwa Pahath-Moab, Elihoyanai wuod Zerahia, kaachiel kode ji mia ariyo;
Elihoenay, zanak’ i Zerahia, avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba, mbamin’ ny namany roan-jato lahy;
5 nyikwa Zatu, Shekania wuod Jahaziel, kaachiel kode ji mia adek;
ny zanak’ i Jahaziela, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania, mbamin’ ny namany telon-jato lahy;
6 nyikwa Adin, Ebed wuod Jonathan, kaachiel kode ji piero abich;
Ebeda, zanak’ i Jonatana, avy tamin’ ny taranak’ i Adina, mbamin’ ny namany dimam-polo lahy;
7 nyikwa Elam, Jeshaya wuod Athalia, kaachiel kode ji piero abiriyo;
Jesaia, zanak’ i Atalia, avy tamin’ ny taranak’ i Elama, mbamin’ ny namany fito-polo lahy;
8 nyikwa Shefatia, Zebadia wuod Mikael, kaachiel kode ji piero aboro;
Zebadia, zanak’ i Mikaela, avy tamin’ ny taranak’ i Sefatia, mbamin’ ny namany valo-polo lahy;
9 nyikwa Joab, Obadia wuod Jehiel, kaachiel kode ji mia ariyo gi apar gaboro;
Obadia, zanak’ i Jehiela, avy tamin’ ny taranak’ i Joaba, mbamin’ ny namany valo ambin’ ny folo amby roan-jato lahy;
10 nyikwa Bani, Shelomith wuod Josifia, kaachiel kode ji mia achiel gi piero auchiel;
ny zanak’ i Josifia, avy tamin’ ny taranak’ i Selomita, mbamin’ ny namany enim-polo amby zato lahy;
11 nyikwa Bebai, Zekaria wuod Bebai, kaachiel kode ji piero ariyo gaboro;
Zakaria, zanak’ i Bebay, avy tamin’ ny taranak’ i Bebay, mbamin’ ny namany valo amby roa-polo lahy,
12 nyikwa Azgad, Johanan wuod Hakatan, kaachiel kode ji mia achiel gapar;
Johanana, zanak’ i Hakatana, avy tamin’ ny taranak’ i Azgada, mbamin’ ny namany folo amby zato lahy;
13 nyikwa Adonikam, mago mogik, nyingegi ne Elifelet, Jeuel kod Shemaya, kaachiel kodgi ji piero auchiel;
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin’ ny namany enim-polo lahy,
14 nyikwa Bigvai, Uthai kod Zakur, kaachiel kodgi ji piero abiriyo.
Otahy sy Zaboda, avy tamin’ ny taranak’ i Bigvay, mbamin’ ny namany fito-polo lahy.
15 Ne achokogi e bath aora mamol kochiko Ahava, kendo ne wabuoro kanyo kuom ndalo adek. Kane arango e dier ji kod jodolo, ne ok ayudo jo-Lawi kanyo.
Ary novoriko teo amoron’ ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak’ i Levy teo na dia iray akory aza.
16 Omiyo ne aluongo Eliezer, Ariel, Shemaya, Elnathan, Jarib, Elnathan, Nathan, Zekaria kod Meshulam, mane gin jotelo, kod Joyiarib gi Elnathan, mane gin joma osomo,
Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
17 kendo ne aorogi ir Ido, jatelo Kasifia. Ne anyisogi gima giwachne Ido kod joge, jotij hekalu man Kasifia, mondo omi gikelnwa ji ne od Nyasachwa.
Ary nampitondraiko teny ho any amin’ Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’ Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitray.
18 Nikech lwet Nyasachwa mar ngʼwono ne ni kuomwa, ne gikelonwa Sherebia, ngʼatno man-gi nyalo, koa e nyikwa Mali wuod Lawi, wuod Israel, kod yawuot Sherebia gi owetene, ji apar gaboro;
Ary araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin’ ny taranak’ i Maly, zanak’ i Levy, zanak’ Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin’ ny rahalahiny, valo ambin’ ny folo lahy,
19 kod Hashabia, kanyakla gi Jeshaya ma nyikwa Merari, kod owetene gi yawuot owetene, ji piero ariyo.
ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin’ ny taranak’ i Merary, mbamin’ ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
20 Bende negikelo jotije hekalu mia ariyo gi piero ariyo, ma en riwruok mane Daudi kod jotelo nochako mondo okony jo-Lawi. Giduto nondik nying-gi piny.
ary avy tamin’ ny Netinima, izay notendren’ i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
21 Bangʼ mano, ne agolo chik mondo watwe chiemo e dho aora Ahava ka wahore wawegi e nyim Nyasachwa kendo wakwaye wuoth maber ni wan gi nyithindwa, gi giwa duto.
Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron’ ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan’ Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an’ ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
22 Wiya nokuot mar kwayo ruodh jolweny kod joriemb farese mondo ogengʼwa kuom wasikwa manie yo, nikech ne wasenyiso ruoth niya, “Lwet Nyasachwa mar ngʼwono nitie kuom ji duto moketo genogi kuome, to mirimbe mager ni kuom jogo mojwangʼe.”
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ ny mpanjaka hiaro anay amin’ ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan’ Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
23 Omiyo ne watweyo chiemo kendo wakwayo Nyasachwa kuom ma, kendo nodwoko lamowa.
Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’ Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
24 Eka ne awalo jodolo motelo apar gariyo, kanyakla gi Sherebia, Hashabia kod owetegi apar,
Ary nanokana roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
25 kendo ne apimonegi pek chiwo mar fedha gi dhahabu kod gik mane ruoth, jongʼadne rieko, jotende kod jo-Israel duto mane ni kanyo nosechiwo ne od Nyasachwa.
ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon’ Andriamanitray, izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
26 Ne apimonegi pek mar fedha mane en talanta mia auchiel gi piero abich, gige fedha pekgi ne en talanta mia achiel, pek dhahabu ne en talanta mia achiel,
eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan’ ny talenta zato, ary talenta volamena zato
27 bakunde piero ariyo mar dhahabu ma nengogi romo darik alufu achiel, kod gik moko ariyo mag nyinyo mowir mongʼith, bende maber ka dhahabu.
sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan’ ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.
28 Ne awachonegi niya, “In kaachiel gi gigi owalu tenge ne Jehova Nyasaye. Fedha gi dhahabu gin chiwo mar hera ne Jehova Nyasaye, ma Nyasach kwereu.
Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masìna ho an’ i Jehovah, sady masìna koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
29 Ritgiuru ka utangʼ nyaka chop upimgi e agola mar od Jehova Nyasaye man Jerusalem e nyim jodolo motelo gi jo-Lawi kod jotend anywola mag Israel.”
Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Isiraely any Jerosalema, dia amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ i Jehovah.
30 Bangʼe jodolo kod jo-Lawi noyudo fedha gi dhahabu kod gik mowal mane osepim pekgi mondo ter e od Nyasachwa e Jerusalem.
Dia noraisin’ ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon’ Andriamanitray.
31 E odiechiengʼ mar apar gariyo e dwe mokwongo ne wawuok ka waa e aora mar Ahava mondo wadhi Jerusalem. Lwet Nyasachwa ne ni kuomwa, nogengʼonwa wasigu gi jonjore mane ni e wangʼ yo.
Dia niala teo amin’ ny ony Ahava izahay tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan’ Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
32 Omiyo ne wachopo Jerusalem, kama ne wayweyoe kuom ndalo adek.
Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
33 E odiechiengʼ mar angʼwen, e od Nyasachwa, ne wapimo pek fedha gi dhahabu kod gigo mowal ma waketo e lwet Meremoth wuod Uria, ma jadolo, Eliazar wuod Finehas ne ni kode, kod jo-Lawi bende kaka Jozabad wuod Jeshua gi Noadia wuod Binui.
Ary tamin’ ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan’ i Meremota, zanak’ i Oria mpisorona, tao an-tranon’ Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak’ i Finehasa; ary teo amin’ izy roa lahy koa Jozabada, zanak’ i Jesoa, sy Noadia, zanak’ i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
34 Gik moko nokwan mongʼe kar kwan-gi kod pek mag-gi, kendo pek mag-gi nondik piny e sechego.
an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin’ izany andro izany ny lanjany rehetra.
35 Eka joma ne otwe mane odwogo koa e twech nochiwo misango mar misengini miwangʼo pep ni Nyasach Israel mane gin, rwedhi apar gariyo ne jo-Israel duto, imbe piero ochiko gauchiel, nyithi rombe machwo piero abiriyo gabiriyo, to gi nywogi apar gariyo kaka misango mar golo richo. Magi duto ne gin misango miwangʼo pep ni Jehova Nyasaye.
Ary ny olona izay niverina avy tamin’ ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo ho an’ ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
36 Bende ne gitero chike mane ruoth ochiwo ni jotend gwenge kod jotend Yufrate, bangʼe negichiwo kony ni ji kod ni od Nyasaye.
Ary ny didin’ ny mpanjaka dia natolony tamin’ ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon’ Andriamanitra.