< Ezra 10 >

1 Kane Ezra lemo kendo hulo richo, koywak kendo kongʼielore piny e nyim od Nyasaye, oganda maduongʼ mar jo-Israel; chwo, mon kod nyithindo nochokore kolwore. Gin bende ne giywak malit.
Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
2 Eka Shekania wuod Jehiel, achiel kuom nyikwa Elam, nowachone Ezra niya, “Ok wasebedo jo-ratiro ni Nyasachwa kuom kendo nyiri ma ok jo-Yahudi. To kata ka wasetimo kamano, to jo-Israel pod nigi geno.
Dia namaly Sekania, zanak’ i Jehiela, isan’ ny taranak’ i Elama, ka nanao tamin’ i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin’ Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ ny Isiraely ny amin’ izany zavatra izany.
3 Koro we walos singo e nyim Nyasachwa mondo oriemb mon-gi kod nyithindgi duto, kaluwore gi ngʼado rieko mar Ruoth Nyasachwa kod jogo moluoro chike mag Nyasachwa. We time kaluwore gi Chik.
Koa aoka izahay hanao fanekena amin’ Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin’ Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
4 Chungʼ malo; wachni ni e lweti. Wabiro konyi; omiyo jiwri kendo itime.”
Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
5 Omiyo Ezra noa malo mi oketo jonabi gi jo-Lawi ma jotelo kod jo-Israel duto e bwo kwongʼruok mondo otim gima ne osepar. Omiyo negitimo kwongʼruokno.
Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
6 Eka Ezra noa e nyim od Nyasaye mi odhi e agoch Jehohanan wuod Eliashib. E sa mane en kanyo, ne ok ochamo chiemo kendo ne ok omodho pi, nikech nodhi nyime kokuyo kuom bedo maonge ratiro mar joma noa e twech.
Dia nitsangana niala teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra Ezra ka nankany amin’ ny efi-trano nitoeran’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana.
7 Eka nogo milome e Juda kod Jerusalem ni jogo duto mane oa e twech mondo ochokre Jerusalem.
Dia nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin’ ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
8 Ngʼato angʼata ma ok onenore e thuolo mar ndalo adek biro lalo gige duto, kaluwore gi gima jotelo kod jodongo ongʼado, kendo enodire oko mar chokruok mar joma noa e twech.
ary na iza na iza no tsy tonga amin’ ny hateloana araka ny tenin’ ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin’ ny fiangonan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana izy.
9 Kuom thuolo mar ndalo adek joma chwo moa Juda kod Benjamin duto nochokore Jerusalem. To e odiechiengʼ mar piero ariyo mar dwe mar ochiko, ji nobet e laru manie nyim od Nyasaye, ka gionge gi kwe nikech wachno kendo nikech koth ne goyogi.
Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin’ ny tranon’ Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
10 Eka Ezra ma jadolo noa malo kendo owachonegi niya, “Usebedo joma ok nikare; usekendo mond dhoudi mamoko, mumedo ketho mar jo-Israel.
Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan’ ny Isiraely.
11 Koro miuru Jehova Nyasaye, ma Nyasach kwereu duongʼ, kendo utim dwarone. Thegreuru gi joma ni butu kod mondeu mag dhoudi mamoko.”
Koa mitsora amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
12 Chokruok mar ogandani duto nodwoko gi dwol maduongʼ niya, “In kare! Nyaka watim kaka iwacho.
Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
13 To nitiere ji mangʼeny kae kendo en kinde koth, omiyo ok wanyal chungʼ oko. Ewi mano wachni ok nyal losi gi ndalo achiel kata ariyo, nikech wasetimo richo maduongʼ e gini.
nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin’ izany zavatra izany;
14 We jotendwa otime e lo chokruokni duto. Eka we ngʼato ka ngʼato mosekendo nyi joma ok jo-Yahudi obi e sa moketi, kaachiel gi jodongo kod jongʼad bura moa dala ka dala, nyaka mirima mager mar Nyasachwa kuom wachni ogol kuomwa.”
koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon’ ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin’ ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin’ izay fotoan’ andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan’ izany raharaha izany sy ny hialan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitsika amintsika.
15 Ji duto noyie timo kamano, makmana Jonathan wuod Asahel gi Jazeya wuod Tikva, koriwe lwedo gi Meshulam kod Shabethai ja-Lawi, ema notamore.
Jonatana, zanak’ i Asahela, sy Jahaza, zanak’ i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
16 Omiyo joma noa e twech notimo kaka nochan. Ezra jadolo noyiero chwo mane jotend dhoudi, achiel koa e migawo mar dhoot ka dhoot, kendo giduto noluongogi gi nying-gi. E odiechiengʼ mokwongo mar dwe mar apar negibedo piny mondo ginon wechegi,
Fa ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ ny lohan’ ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo.
17 kendo kochopo odiechiengʼ mokwongo mar dwe mokwongo negitieko gi chwo mane okendo mon moa e dhoudi mamoko.
Ary nony tonga ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin’ ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
18 Kuom nyikwa jodolo, magi ema nokendo nyi joma ok jo-Yahudi. Koa e nyikwa Jeshua wuod Jozadak, kod owetene: Maseya, Eliezer, Jarib gi Gedalia.
Ary ny hita teo amin’ ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin’ ny taranak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
19 Negitingʼo bedegi kaka singruok mar riembo mondegi, kendo kuom ketho mag-gi negichiwo im ngʼato ka ngʼato koa e kweth kaka misango mar pwodhruok e ketho.
dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
20 Koa e nyikwa Imer: Hanani gi Zebadia.
Ary ny avy tamin’ ny taranak’ Imera dia Hanany sy Zebedia;
21 Koa e nyikwa Harim: Maseya, Elija, Shemaya, Jehiel gi Uzia.
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
22 Koa e nyikwa Pashur: Elioenai, Maseya, Ishmael, Nethanel, Jozabad gi Elasa.
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
23 Kuom jo-Lawi ne gin: Jozabad, Shimei, Kelaya (tiende ni Kelita), Pethahia, Juda gi Eliezer.
Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
24 Koa kuom jower: Eliashib. Koa kuom jorit dhorangach: Shalum, Telem gi Uri.
ary ny avy tamin’ ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin’ ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
25 To kuom jo-Israel mamoko: Koa kuom nyikwa Parosh: Ramia, Izia, Malkija, Mijamin, Eliazar, Malkija gi Benaya.
Ary ny avy tamin’ ny Isiraely koa: ny avy tamin’ ny taranak’ i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
26 Koa kuom nyikwa Elam: Matania, Zekaria, Jehiel, Abdi, Jeremoth gi Elija.
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
27 Koa kuom nyikwa Zatu: Elioenai, Eliashib, Matania, Jeremoth, Zabad gi Aziza.
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
28 Koa kuom nyikwa Bebai: Jehohanan, Hanania, Zabai gi Athlai.
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
29 Koa kuom nyikwa Bani: Meshulam, Maluk, Adaya, Jashub, Shil gi Jeremoth.
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
30 Koa kuom nyikwa Pahath-Moab: Adna, Kelal, Benaya, Maseya, Matania, Bezalel, Binui gi Manase.
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
31 Koa kuom nyikwa Harim: Eliezer, Ishija, Malkija, Shemaya, Shimeon,
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
32 Benjamin, Maluk gi Shemaria.
sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;
33 Koa kuom nyikwa Hashum: Matenai, Matata, Zabad, Elifelet, Jeremai, Manase gi Shimei.
ny avy tamin’ ny taranak’ i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
34 Koa kuom nyikwa Bani: Madai, Amram, Uel,
ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
35 Benaya, Bedeya, Keluhi,
sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
36 Vania, Meremoth, Eliashib,
sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
37 Matania, Matenai gi Jasu.
sy Matania sy Matenay sy Jasao
38 Koa kuom nyikwa Binui: Shimei,
sy Bany sy Binoy sy Simey
39 Shelemia, Nathan, Adaya,
sy Selemia sy Natana sy Adaia
40 Maknadebai, Shashai, Sharai,
sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
41 Azarel, Shelemia, Shemaria,
sy Azarela sy Selemia sy Semaria
42 Shalum, Amaria gi Josef.
sy Saloma sy Amaria ary Josefa;
43 Koa kuom nyikwa Nebo: Jeyel, Matithia, Zabad, Zebina, Jadai, Joel gi Benaya.
ny avy tamin’ ny taranak’ i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.
44 Magi duto nokendo nyi joma ok jo-Yahudi, kendo moko kuomgi nonywolo nyithindo gi mon-gi.
Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin’ ireny

< Ezra 10 >