< Esta 5 >

1 Chiengʼ mar adek Esta norwako lawe mar duongʼ kaka mikach ruoth mochungʼ e laru maiye mar dala ruoth, kama omanyore gi ot maduongʼ ma ruoth bedoe; Ruoth ne oyudo obedo e kome mar duongʼ e ot, kama omanyore gi dhoot.
Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, dia teo anoloan’ ny tranon’ ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin’ ny vavahadin’ ny trano.
2 Kane oneno ruoth madhako miluongo ni Esta ma mikache kochungʼ e laru, nomor kode mi otingʼone ludhe mar dhahabu mane ni e lwete. Omiyo Esta nodhi momulo wi luth.
Ary nony hitan’ ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin’ ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an’ i Estera tamin’ ny tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
3 Eka ruoth nopenjo Esta niya, “En angʼo? En angʼo midwaro kwayo? Kwa akwaya kata obed mana nus mar pinya, to ibiro miyi.”
Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
4 Esta nodwoko ruoth niya, “Ka ihera kendo ineno ni ber miya gima akwayo, to yie ibi gi Haman e nyasi maselosonu.”
Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin’ ny fanasana izay efa namboariko ho azy.
5 Ruoth nowacho mondo okel Haman piyo, mondo mi watim gima Esta okwayo. Omiyo ruoth kod Haman ne odhi e nyasi mane Esta oseloso.
Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin’ i Estera. Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.
6 Kane onwangʼo gimadho divai, ruoth nochako openjo Esta niya, “Koro angʼo midwaro kwayo? Ibiro miyigo. En angʼo mikwayo? Kata obed nus mar pinya to oyieni mondo ikawe.”
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany.
7 Eka Esta nodwoko niya, Kwayona gi dwarona ema:
Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
8 Ka ruoth otimona ngʼwono kendo ihera kendo ka iyie mondo itim kwayona, to yie mondo ruoth gi Haman mondo obi e nyasi ma kiny nalosnu. Eka abiro dwoko ruoth penjoneno.
Raha mahita fitia eto imason’ ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin’ ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin’ ny mpanjaka ihany aho.
9 Haman nowuok kanyo kamor kendo ka chunye opongʼ gi ilo. To kane oneno Modekai e dhoranga ruoth ka ok ochungʼ ne kata nyiso luor e nyime, mirima nomake nikech Modekai.
Dia nivoaka tamin’ izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an’ i Mordekay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
10 Kata kamano, Haman nomako chunye mi nodhi dala. Noluongo osiepene kamoro achiel gi Zeresh ma jaode.
Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
11 Haman nosungorenegi kaka en-gi mwandu mathoth, gi yawuowi mangʼeny, to gi kaka ruoth osemiye duongʼ moloyo jotelo gi jodongo mamoko.
Ary nambaran’ i Hamana tamin’ ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan’ ny zanany mbamin’ Izay voninahitra rehetra nomen’ ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon’ ny mpanjaka.
12 Haman nomedo wacho niya, “To ok mano kende, an kenda ema Esta mikach ruoth oluonga mondo adhi gi ruoth e nyasine moloso, to kiny bende oseluonga mondo wadhi gi ruoth.
Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin’ ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin’ ny mpanjaka ho amin’ ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin’ ny mpanjaka aho koa rahampitso.
13 To magi duto ok miya mor kapod aneno ja-Yahudi ma Modekai kobet e dhoranga ruoth.”
Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an’ i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin’ ny mpanjaka aho.
14 Jaode ma Zeresh gi osiepene duto nongʼadone rieko niya, “Gur yath ma borne oromo fut piero abiriyo gabich mi liere ji, kendo ikwa ruoth gokinyi mondo oneg Modekai kolier kanyo. Eka mondo idhi uchiem gi ruoth ka imor.” Parono nomoro Haman, mi nogero gima inegogo ji koliergi.
Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin’ ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin’ ny mpanjaka amin’ ny hafaliana ho any amin’ ny fanasana ianao. Ary sitrak’ i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.

< Esta 5 >