< Rapar Mar Chik 2 >

1 Eka ne wachako wuoth kwangʼado thim kwachomo Nam Makwar mana kaka Jehova Nyasaye nochika. Kuom kinde mangʼeny ne wadigni e piny gode mag Seir.
Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra tamin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain’ i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seïra ela ihany isika.
2 Eka Jehova Nyasaye ne owachona niya,
Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
3 “Usedigni bangʼ kinde mangʼeny kulwororu e pinyni, omiyo wuothuru kuchomo yor nyandwat.
Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra ianareo.
4 Nyis ji wechegi kiwachonegi ni, ‘Uchiegni kalo e piny joweteu ma nyikwa Esau modak Seir. Gibiro bedo gi kibaji nikech un, to beduru motangʼ.
Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin’ ny taranak’ i Esao rahalahinareo, izay monina any Seïra; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo,
5 Kik udwar kodgi lweny nimar ok anamiu pinygi kata mana kama uketo e tiendu kende. Asemiyo Esau pinje mag gode man Seir kaka girkeni mare.
ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra.
6 Ubiro chulogi fedha kuom chiemo ma uchamo kod pi ma umodho.’”
Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo.
7 Jehova Nyasaye ma Nyasachu osegwedho tich lwetu. Oseritou ka uwuotho e thim malichni kendo kuom higni piero angʼwen-gi duto Jehova Nyasaye ma Nyasachu osebedo kodu mi ok uchando gimoro.
Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’ izay rehetra nataon’ ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
8 Eka ne wakalo Seir kama jowetewa ma nyikwa Esau nodakie. Bangʼe ne waa Araba kwachomo Elath kod Ezion Geber mi wawuotho kwachomo thim Moab.
Ary raha nandalo ny taranak’ i Esao rahalahintsika izay monina any Seïra isika ary niala tamin’ ny lalana amin’ ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Moaba.
9 Eka Jehova Nyasaye ne owachona niya, “Kik umonj jo-Moab kata kwinyogi mondo gitug lweny kodu, nimar ok anamiu dir pinygi moro amora. Kanyo asemiyo joka Ar ma nyikwa Lut kaka girkeni margi.”
Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan’ ny taranak’ i Lota.
10 (Jo-Emi osebedo ka odak kanyo, ma gin joma rateke, mangʼeny kendo ma roboche mana ka jo-Anak.
(Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
11 Jo-Emi kod jo-Anak ji ne luongogiga ni jo-Refai, to jo-Moab to ne luongogi ni jo-Emi.
Ireo koa no natao ho Refaïta tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima.
12 Chon jo-Hori nodak e piny Seir, to nyikwa Esau noriembogi oko. Negitieko jo-Hori mane ni kanyo mi gidak kuondegi mana kaka jo-Israel notimo e piny mane Jehova Nyasaye omiyogi kaka girkeni.)
Ary ny tany Seïra dia nonenan’ ny Horita, fa ny taranak’ i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon’ ny Isiraely tao amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy ho lovany.)
13 Kendo Jehova Nyasaye nowacho niya, “Koro chungi mondo ingʼad Holo mar Zered.” Omiyo ne wangʼado holono.
Ary miaingà ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika.
14 E kinde mane wawuok Kadesh Barnea nyaka wangʼado Holo mar Zered nokawowa higni piero adek gaboro. E kindeno tiengʼ mar jolweny duto notho e kambi, mana kaka Jehova Nyasaye ne osesingorenegi.
Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin’ ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran’ ny mpanafika rehetra tamin’ izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby, araka izay efa nianianan’ i Jehovah taminy.
15 Lwet Jehova Nyasaye ne mon kodgi nyaka ne otiekogi duto e kambi.
Ary koa, ny tànan’ i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby.
16 Kane joma odongʼ ma jolweny osetho,
Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
17 Jehova Nyasaye ne owachona niya,
dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
18 “Kawuononi ubiro kalo e gwenge mag Moab manie piny Ar.
Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,
19 Ka ubiro ir jo-Amon, to kik uchandgi kata dwaro tugo kodgi lweny, nimar ok anamiu gimoro amora e piny jo-Amon. Asechiwe kaka girkeni ne nyikwa Lut.”
dia ho tonga ao akaikin’ ny taranak’ i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin’ ny taranak’ i Amona, satria nomeko ho lovan’ ny taranak’ i Lota izany.
20 (Pinyno bende ne okwan kaka piny jo-Refai mane osebedo kodak kuno, to jo-Amon to ne luongogi ni jo-Zamzumi.
(Izany koa no natao ho tanin’ ny Refaïta; fa ny Refaïta no nitoetra tao tany aloha ka nataon’ ny Amonita hoe Zamzomita.
21 Gin oganda marateke, mangʼeny kendo ma roboche mana ka jo-Anak. Jehova Nyasaye ne otiekogi e nyim jo-Amon, mane oriembogi mi gidak kuondegigo.
Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,
22 Jehova Nyasaye ne osetimo mano ne nyikwa Esau, mane odak Seir, e kinde mane otieko jo-Hori ka gineno. Negiriembogi oko kendo gidak kanyo nyaka chil kawuono.
araka izay nataony koa ho an’ ny taranak’ i Esao, izay mitoetra any Seïra, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;
23 To jo-Kaftor mane oa Kaftor noriembo jo-Avi mabor nyaka e gwenge mag Gaza, mi koro gidak kanyo.)
ary ny amin’ ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan’ ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
24 “Koro ikreuru kendo ukadh holo mar Arnon. Neuru, asechiwo e lwetu Sihon ja-Amor ma ruodh Heshbon kod pinye. Chakuru kedo kodgi mondo ukawe.
Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan’ i Hesbona, mbamin’ ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
25 Kochakore odiechiengni abiro kelo luoro kod kibaji ne ogendini duto modak e piny. E kinde ma giniwinjie humbu, gibiro kirni kendo kihondko biro makogi.”
Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
26 Koa e thim mar Kedemoth, ne aoro joote ne Sihon ma ruodh Heshbon kakwaye mondo kwe obedie kawachone niya,
Dia naniraka olona avy tany an-efitr’ i Kedemota aho hankany amin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:
27 “Yienwauru wakal e pinyu nikech wabiro luwo yo tir kendo ok wanabar e bat korachwich kata koracham.
Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;
28 Yie iusnwa chiemo mwachamo kod pi mwamodho nikech nengogi romre gi fedha, kendo iwewa aweya wakadhi kwawuotho gi tiendwa,
vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho
29 mana kaka nyikwa Esau mane odak Seir kod jo-Moab modak Ar ne jotimonwa, negiweyo wangʼado Jordan miwadonjo e piny ma Jehova Nyasaye ma Nyasachwa miyowa.”
(araka izay nataon’ ny taranak’ i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitray anay.
30 To Sihon ruodh Heshbon ne otamowa kadho e pinygi nimar Jehova Nyasaye ma Nyasachwa nosemiye wich teko, kendo chunye odoko matek mondo ochiwe e lwetu mana kaka osetimo.
Fa Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
31 Jehova Nyasaye nowachona niya, “Neuru, koro achiwo Sihon kod pinye e lwetu, koro monjeuru mondo ukaw pinyeno.”
Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an’ i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.
32 Kane Sihon kod jolwenje duto nobiro mondo ochak kodwa lweny e piny Jahaz,
Dia nivoaka Sihona mbamin’ ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.
33 Jehova Nyasaye ma Nyasachwa nochiwe e lwetwa kendo ne watieke gi nyithinde kod jolwenje duto.
Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.
34 E kindeno ne wakawo mieche duto, mi wanego, chwo, mon kod nyithindo duto, kendo onge ngʼama ne waweyo kangima.
Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin’ izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin’ ny isan-tanàna mbamin’ ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.
35 To jamni kod gik moyaki mane oa e miechgi mane wakawo ne wadhi godo.
Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin’ ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.
36 Onge dala mane nyalo sirowa e lweny chakre Aroer, e dho holo mar Arnon kod dala manie holo hie nyaka chop Gilead kendo onge kata mana dala achiel mane ok wanyal kawo. Jehova Nyasaye ma Nyasachwa nochiwogi duto e lwetwa.
Hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin’ ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.
37 To kaluwore gi chik Jehova Nyasaye ma Nyasachwa, ne ok ukawo piny jo-Amon moro amora kata mana piny mokiewo gi Jabok kata mago molworo dalane manie gode.
Kanefa ny tanin’ ny taranak’ i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron’ ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin’ ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran’ i Jehovah Andriamanitsika antsika.

< Rapar Mar Chik 2 >