< 2 Ruodhi 19 >

1 Kane ruoth Hezekia owinjo wachno, noyiecho lepe morwako pien gugru mi odhi e hekalu mar Jehova Nyasaye.
Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah,
2 Ne ooro Eliakim ma jatend od ruoth, gi Shebna jagoro kod jodolo madongo ir janabi Isaya wuod Amoz ka giduto girwako piende gugru.
Ary izy naniraka an’ i Eliatima, lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan’ ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza.
3 Negiwachone niya, “Ma e gima Hezekia wacho: Odiechiengni en odiechieng kuyo, siem kod wichkuot machalo gi nyithindo ma ndalogi mar nywol osechopo to onge teko minywologigo.
Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain’ i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
4 Nyalo bedo ni Jehova Nyasaye ma Nyasachi biro winjo weche duto mag Rabshake jatend lweny, ma jatende ma ruodh Asuria oseoro mondo oyany Nyasaye mangima, kendo obiro kwere kuom weche mane Jehova Nyasaye ma Nyasachu osewinjo kowacho. Kuom mano, in Isaya, lamne ji mane otony ma pod ngima.”
Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
5 Kane jodong Ruoth Hezekia nobiro ir Isaya,
Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
6 Isaya nowachonegi niya, “Nyisuru ruodhu ni, ‘Jehova Nyasaye wacho kama: Kik ibed maluor kuom weche misewinjo, wechego ma ruodh Asuria oseyanyago.
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
7 Winji! Abiro goyo chunye gi kihondko ma kowinjo wach moro to noring odog e pinygi, to kuno ema nachiwe mondo onege gi ligangla.’”
Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin’ ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8 Kane Rabshake jatend lweny owinjo ni ruodh Asuria osewuok Lakish, ne oringo oa kanyo moyudo ka ruoth kedo gi jo-Libna.
Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ ny mpanjakan’ i Asyria fahirano tamin’ izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9 Senakerib noyudo wach ni Tirhaka, ja-Kush ruodh Misri obiro monje. Kuom mano, nooro joote ir Hezekia kowacho kama:
Ary nony ren’ i Sankeriba ny amin’ i Tiraka, mpanjakan’ i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin’ i Hezekia izy nanao hoe:
10 “Wachne Hezekia ruodh Juda kama: Kik iyie nyasaye migeno kuomeno wuondi kowacho ni, ‘Jerusalem ok nochiw e lwet ruodh Asuria.’
Izao no holazainareo amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: Aza mety hofitahin’ ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria.
11 Adier isewinjo gik ma ruodhi mag Asuria osetimo ni pinjeruodhi duto kotiekogi chuth. In to iparo ni ibiro tony?
Indro, ianao efa nandre izay nataon’ ireo mpanjakan’ i Asyria tamin’ ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
12 Bende nyiseche mag ogendini mane kwerena oketho pinygi kaka nyiseche mag Gozan, Haran, Rezef kod jo-Eden man Tel Assar nokonyogi?
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak’ i Edena, izay tao Telasara?
13 Tinde ere ruodh Hamath, ruodh Arpad, gi ruodh dala maduongʼ mar Sefarvaim, kata ruodh Hena kod Iva?”
Aiza ny mpanjakan’ i Hamata sy ny mpanjakan’ i Arpada ary ny mpanjakan’ ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14 Hezekia noyudo baruwano mane joote okelone mosome. Bangʼe nodhi e hekalu mar Jehova Nyasaye moyaro baruwano e nyim Jehova Nyasaye.
Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.
15 Kendo Hezekia nolamo Jehova Nyasaye kowacho kama: “Yaye Jehova Nyasaye, ma Nyasach Israel, modak e kind kerubi, in kendi e Nyasaye mar pinjeruodhi duto manie piny, kendo in ema ne ichweyo polo gi piny.
Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
16 Yaye Jehova Nyasaye, chik iti mondo iwinji, yaw wangʼi, yaye Jehova Nyasaye mondo ine, kendo winjie weche duto ma Senakerib oseoro joge kayanyigo in Nyasaye mangima.
Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin’ i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’ Andriamanitra velona.
17 “En adier, yaye Jehova Nyasaye, ni ruodhi mag Asuria osetieko ogendini mangʼenygi ma giweyo pinjegi gunda.
Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
18 Gisewito nyisechegi e mach mi gitiekogi, nikech ne ok gin nyiseche to ne gin mana yien kod kidi molos gi lwet dhano.
ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
19 Yaye Jehova Nyasaye ma Nyasachwa, koro reswa e lwet Senakerib mondo pinjeruodhi duto manie piny ongʼe ni in kendi e Jehova Nyasaye, ma Nyasaye.”
Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ ny tànany, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
20 Eka Isaya wuod Amoz ne ooro wach ne Hezekia kama: “Ma e gima Jehova Nyasaye, ma Nyasach Israel wacho: Asewinjo lamoni kuom Senakerib ruodh Asuria.
Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, dia efa nohenoiko.
21 Ma e wach ma Jehova Nyasaye osewacho kuom Senakerib: “‘Nyar Sayun Mangili ochayi kendo jari. Nyar Jerusalem kino wiye koneni kiringo.
Koa izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
22 En ngʼa misejaro kendo yanyo? Koso en ngʼa ma isegone koko kijowo wangʼi, gi sunga. Donge en mana Jal Maler mar Israel!
Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.
23 Kokalo kuom jooteni usegango weche mag ayany kuom Ruoth Nyasaye. Bende usewacho niya, “Gi gechena mangʼeny mag lweny aseidho gode maboyo mag Lebanon mi achopo ewi got mabor moloyo. Asetongʼo yiendene mag sida maboyo kendo mabeyo. Asechopo nyaka e chuny bungu ma iye mogik kuma yien odiche.
Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin’ ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon’ ny tendrombohitra, tao afovoan’ i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin’ ny faran’ ny azo iakarana ao aho sy any amin’ ny alany midokadoka.
24 Asekunyo sokni e pinje mamoko, mi amodho pige man kuno. Asemiyo aore duto mag Misri bende oduono ka anyonogi gi tienda.”
Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin’ ny lahin-drano rehetra any Egypta.
25 “‘Donge usewinjo ni an ema ne achano chon mondo gigo otimre? An ema ne achanogi chon, to koro amiyo gitimore; kendo an ema ne achanogi chon mondo imuk mier madongo mochiel motegno mondo olokre pidhe mag kite.
Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
26 Joge teko orumonegi mi gibuok kendo gidongʼ gi wichkuot. Gichalo gi cham manie puodho kata ka maua mangʼich mathiewo, kata ka lum madongo ewi tado, to ner kapok odongo.
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
27 “‘To angʼeyo kama idakie, bende angʼeyo sa ma idonjo kata sa ma iwuok, kata kaka iwuoyo marach kuoma.
Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
28 Nikech iwuoyo kuoma marach, kendo wechegi maricho osechopo e ita, abiro keto chuma e umi kod mbedona e dhogi kendo abiro miyo idog gi yo mane ibirogo.’
Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin’ ny lalana izay nihavianao ianao.
29 “Ma ema nobedni ranyisi, yaye Hezekia: “E higa mokwongoni, unucham gik matwi kendgi, kendo e higa mar ariyo unucham orowe moloth bangʼ keyo e higa mokwongono. To e higa mar adek unuchwo kodhi kendo unuka cham, bende unupidh mzabibu mi ucham olembegi.
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin’ ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
30 Jo-Juda modongʼ biro chalo gi yath matero tiendene piny kendo nyago olemo e bedene.
Ary izay sisa amin’ ny taranak’ i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
31 Nimar joma nok modongʼ nowuog Jerusalem kendo oganda mar joma otony nowuogi koa e Got Sayun. Jehova Nyasaye Maratego notim ma kuom tekone owuon.
Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hanao izany.
32 “Kuom mano ma e gima Jehova Nyasaye wacho ewi ruodh Asuria: “‘Ok nodonji e dala maduongʼni kata diro asere. Ok nomonj dalano kotingʼo kuot kata lwore gi jolweny mondo omonje.
Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
33 Enodogi mana gi yo mane obirogo; kendo ok enodonj e dala maduongʼni, Jehova Nyasaye ema owacho.
Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
34 Abiro kedone dala maduongʼni, kendo rese; nikech nyinga kod nying Daudi jatichna.’”
Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
35 Otienono malaika mar Jehova Nyasaye ne owuok mi odhi onego ji alufu mia achiel gi piero aboro gabich e kambi mar jo-Asuria. Kane ji ochiewo gokinyi negiyudo mana ringre joma otho.
Ary tamin’ ny alin’ io dia avy ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
36 Omiyo Senakerib ruodh Asuria noweyo lweny moloro kambi kendo nodok Nineve kuma nodakie.
Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
37 Chiengʼ moro achiel kane olemo e hekalu mar Nisrok nyasache, yawuote miluongo ni Adramelek gi Shareza nonege gi ligangla, bangʼe negiringo gidhi e piny Ararat. Kendo Esarhadon wuode nobedo ruoth kare.
Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.

< 2 Ruodhi 19 >