< Salme 136 >
1 Halleluja! Tak HERREN, thi han er god; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Tak Gudernes Gud; thi hans miskundhed varer evindelig!
Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
3 Tak Herrens Herre; thi hans miskundhed varer evindelig!
Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
4 Han, der ene gør store undere; thi hans miskundhed varer evindelig!
Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
5 Som skabte Himlen med indsigt; thi hans miskundhed varer evindelig!
Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
6 Som bredte jorden på vandet; thi hans miskundhed varer evindelig!
Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
7 Som skabte de store lys; thi hans miskundhed varer evindelig!
Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
8 Sol til at råde om dagen; thi hans miskundhed varer evindelig!
Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
9 Måne og stjerner til at råde om natten; thi hans miskundhed varer evindelig!
Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
10 Som slog Ægyptens førstefødte; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
11 Og førte Israel ud derfra; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
12 Med stærk 'Hånd og udstrakt Arm; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
13 Som kløved det røde Hav; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
14 Og førte tsrael midt igennem det; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
15 Som drev Farao og hans Hær i det røde Hav thi hans Miskundhed varer evindelig!
Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
16 Som førte sit Folk i Ørkenen; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
17 Som fældede store Konger; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
18 Og veg så vældige Konger; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
19 Amoriternes Konge Sion, thi hans Miskundhed varer evindelig!
Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
20 Og Basans Konge Og thi hans Miskundhed varer evindelig!
Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
21 Og gav deres Land i Eje; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
22 I Eje til hans Tjener Israel; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
23 Som kom os i Hu i vor Ringhed; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
24 Og friede os fra vore Fjender; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
25 Som giver alt Kød Føde; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);
26 Tak Himlenes Gud; thi hans Miskundhed varer evindelig!
Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.