< Salme 144 >

1 Af David. Lovet være HERREN, min Klippe, som oplærer mine hænder til Strid, mine Fingre til Krig,
Nataon’ i Davida.
2 min Miskundhed og min Fæstning, min Klippeborg, min Frelser, mit Skjold og den, jeg lider paa, som underlægger mig Folkeslag!
Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy
3 HERRE, hvad er et Menneske, at du kendes ved det, et Menneskebarn, at du agter paa ham?
Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no iheveranao azy?
4 Mennesket er som et Aandepust, dets Dage som svindende Skygge.
Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
5 HERRE, sænk din Himmel, stig ned og rør ved Bjergene, saa at de ryger;
Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.
6 slyng Lynene ud og adsplit Fjenderne, send dine Pile og indjag dem Rædsel;
Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;
7 udræk din Haand fra det høje, fri og frels mig fra store Vande,
Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny rano be, Dia amin’ ny tanan’ ny hafa firenena,
8 fra fremmedes Haand, de, hvis Mund taler Løgn, hvis højre er Løgnehaand.
Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.
9 Gud, jeg vil synge dig en ny Sang, lege for dig paa tistrenget Harpe,
Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin’ ny valiha tory folo no hankalazako Anao,
10 du, som giver Konger Sejr og udfrier David, din Tjener.
Izay manome famonjena ho an’ ireo mpanjaka, Sady mamonjy an’ i Davida mpanompony tsy ho voan’ ny sabatra mandratra.
11 Fri mig fra det onde Sværd, frels mig fra fremmedes Haand, de, hvis Mund taler Løgn, hvis højre er Løgnehaand.
Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny tanan’ ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;
12 I Ungdommen er vore Sønner som højvoksne Planter, vore Døtre er som Søjler, udhugget i Tempelstil;
Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ ny lapan’ andriana ny zanakai-vavy.
13 vore Forraadskamre er fulde, de yder Forraad paa Forraad, vore Hjorde føder Tusinder, Titusinder paa vore Marker,
Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;
14 fede er vore Okser; intet Murbrud, ingen Udvandring, ingen Skrigen paa Torvene.
Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.
15 Saligt det Folk, der er saaledes stedt, saligt det Folk, hvis Gud er HERREN!
Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny.

< Salme 144 >