< Job 29 >

1 Og Job vedblev at fremsætte sit Tankesprog:
Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2 Ak, havde jeg det som tilforn, som dengang Gud tog sig af mig,
Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy!
3 da hans Lampe lyste over mit Hoved, og jeg ved hans Lys vandt frem i Mørke,
Fony mbola nazava teo ambonin’ ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ ny maizina;
4 som i mine modne Aar, da Guds Fortrolighed var over mit Telt,
Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra;
5 da den Almægtige end var hos mig og mine Drenge var om mig,
Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;
6 da mine Fødder vaded i Fløde, og Olie strømmede, hvor jeg stod,
Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
7 da jeg gik ud til Byens Port og rejste mit Sæde paa Torvet.
Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
8 Naar Ungdommen saa mig, gemte den sig, Oldinge rejste sig op og stod,
Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
9 Høvdinger standsed i Talen og lagde Haand paa Mund,
Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
10 Stormænds Røst forstummed, deres Tunge klæbed til Ganen;
Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ ny lanilaniny.
11 Øret hørte og priste mig lykkelig, Øjet saa og tilkendte mig Ære.
Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
12 Thi jeg redded den arme, der skreg om Hjælp, den faderløse, der savned en Hjælper;
Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
13 den, det gik skævt, velsignede mig, jeg frydede Enkens Hjerte;
Ny fisaoran’ izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ ny mpitondratena nampifaliko.
14 jeg klædte mig i Retfærd, og den i mig, i Ret som Kappe og Hovedbind.
Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
15 Jeg var den blindes Øje, jeg var den lammes Fod;
Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa.
16 jeg var de fattiges Fader, udreded den mig ukendtes Sag;
Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
17 den lovløses Tænder brød jeg, rev Byttet ud af hans Gab.
Namaky ny nifin’ ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
18 Saa tænkte jeg da: »Jeg skal dø i min Rede, leve saa længe som Føniksfuglen;
Dia hoy izaho: Eo amin’ ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
19 min Rod kan Vand komme til, Duggen har Nattely i mine Grene;
Ny fakako ho azon’ ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ ny sampako mandritra ny alina.
20 min Ære er altid ny, min Bue er altid ung i min Haand!«
Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
21 Mig hørte de paa og bied, var tavse, mens jeg gav Raad;
Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy.
22 ingen tog Ordet, naar jeg havde talt, mine Ord faldt kvægende paa dem;
Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.
23 de bied paa mig som paa Regn, spærred Munden op efter Vaarregn.
Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
24 Mistrøstige smilte jeg til, mit Aasyns Lys fik de ej til at svinde.
Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo.
25 Vejen valgte jeg for dem og sad som Høvding, troned som Konge blandt Hærmænd, som den, der gav sørgende Trøst.
Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.

< Job 29 >