< Zachariáš 10 >
1 Žádejte od Hospodina deště v čas příhodný, i způsobí Hospodin pršku, a dá vám déšť hojný, a každému bylinu na poli.
Mangataha ranonorana amin’ i Jehovah ianareo amin’ ny andro fara-orana, Dia amin’ i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
2 Nebo obrazové mluví marnost, a věšťci prorokují faleš, a sny marné mluví, marností potěšují. Protož šli jako stádo, ztrestáni jsou, proto že žádného nebylo pastýře.
Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.
3 Proti pastýřům takovým zažžen jest hněv můj, a kozly ty trestati budu, ale stádo své, dům Judský, navštíví Hospodin zástupů, a učiní je jako koně ozdobného k boji.
Amin’ ny mpiandry ondry no irehetan’ ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, efa namangy ny taranak’ i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin’ ny ady.
4 Od něho úhel, od něho hřeb, od něho lučiště válečné, od něho též pojde všeliký úředník.
Avy ao aminy no hihavian’ ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian’ ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian’ ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian’ ny mpampahory rehetra.
5 A budou podobni rekům, pošlapávajíce do bláta na ulicích v boji, když bojovati budou; nebo Hospodin s nimi, a zahanbí ty, kteříž jedou na koních.
Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
6 Posilním zajisté domu Judova, a dům Jozefův vysvobodím, a bezpečně je osadím. Nebo lítost mám nad nimi, i budou, jako bych jich nezahnal; nebo já jsem Hospodin Bůh jejich, a vyslyším je.
Hampahery ny taranak’ i Joda Aho, Ary ny taranak’ i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
7 I budou Efraimští jako silný rek, a veseliti se bude srdce jejich jako od vína. I jejich synové vidouce to, rozveselí se, a zpléše srdce jejich v Hospodinu.
Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon’ ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin’ i Jehovah ny fony.
8 Šeptati jim budu, a tak je shromáždím; nebo je vykoupím, a rozmnoženi budou, jakož rozmnoženi byli.
Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
9 Nadto rozseji je mezi národy, aby na místech dalekých rozpomínali se na mne, a živi jsouce s syny svými, navrátili se.
Ary hafafiko any amin’ ny firenena izy, Ka any amin’ ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin’ ny zanany ka hiverina
10 A tak je zase přivedu z země Egyptské, i z Assyrské shromáždím je, a do země Galád a k Libánu přivedu je, ale nepostačí jim.
Dia hampody azy avy any amin’ ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin’ ny tany Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
11 Protož pro těsnost přejde přes moře, a prorazí na moři vlnobití, i vyschnou všecky hlubiny řeky, budeť snížena i pýcha Assyrie, a berla Egypta odjata bude.
Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin’ i Neily rehetra, Haetry ny avonavon’ i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan’ i Egypta.
12 A posilním jich v Hospodinu, aby ve jménu jeho ustavičně chodili, praví Hospodin.
Dia hampahereziko ao amin’ i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.