< Žalmy 95 >

1 Poďte, zpívejme Hospodinu, prokřikujme skále spasení našeho.
Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika.
2 Předejděme oblíčej jeho s díkčiněním, žalmy prozpěvujme jemu.
Aoka hankeo anatrehany amin’ ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ ny fihirana isika.
3 Nebo Hospodin jest Bůh veliký, a král veliký nade všecky bohy,
Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy.
4 V jehož rukou základové země, a vrchové hor jeho jsou.
Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
5 Jehož jest i moře, nebo on je učinil, i země, kterouž ruce jeho sformovaly.
Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin’ ny tànany.
6 Poďte, sklánějme se, a padněme před ním, klekejme před Hospodinem stvořitelem naším.
Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan’ i Jehovah, Mpanao antsika;
7 Onť jest zajisté Bůh náš, a my jsme lid pastvy jeho, a stádo rukou jeho. Dnes uslyšíte-li hlas jeho,
Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
8 Nezatvrzujte srdce svého, jako při popuzení, a v den pokušení na poušti,
Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra,
9 Kdežto pokoušeli mne otcové vaši, zkusiliť jsou mne, a viděli skutky mé.
Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
10 Za čtyřidceti let měl jsem nesnáz s národem tím, a řekl jsem: Lid tento bloudí srdcem, a nepoznali cest mých.
Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
11 Jimž jsem přisáhl v hněvě svém, že nevejdou v odpočinutí mé.
Ka dia nianiana tamin’ ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy.

< Žalmy 95 >