< Žalmy 124 >

1 Píseň stupňů, Davidova. Byť Hospodina s námi nebylo, rciž nyní, Izraeli,
Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida.
2 Byť Hospodina s námi nebylo, když lidé povstali proti nám:
Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
3 Tehdáž by nás byli za živa sehltili v rozpálení hněvu svého proti nám;
Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4 Tehdáž by nás byly přikvačily vody, proud zachvátil by byl duši naši;
Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
5 Tehdáž zachvátily by byly duši naši ty vody zduté.
Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
6 Požehnaný Hospodin, kterýž nás nevydal v loupež zubům jejich.
Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny.
7 Duše naše jako ptáče znikla osídla ptáčníků; osídlo se ztrhalo, i vynikli jsme.
Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.
8 Pomoc naše jest ve jménu Hospodinovu, kterýž učinil nebe i zemi.
Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

< Žalmy 124 >