< Príslovia 9 >
1 Moudrost vystavěla dům svůj, vytesavši sloupů svých sedm.
Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
2 Zbila dobytek svůj, smísila víno své, stůl také svůj připravila.
Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
3 A poslavši děvečky své, volá na vrchu nejvyšších míst v městě:
Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
4 Kdožkoli jest hloupý, uchyl se sem. Až i bláznivým říká:
Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy:
5 Poďte, jezte chléb můj, a píte víno, kteréž jsem smísila.
Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
6 Opusťte hloupost a živi buďte, a choďte cestou rozumnosti.
Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.
7 Kdo tresce posměvače, dochází hanby, a kdo přimlouvá bezbožnému, pohanění.
Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
8 Nedomlouvej posměvači, aby tě nevzal v nenávist; přimlouvej moudrému, a bude tě milovati.
Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9 Učiň to moudrému, a bude moudřejší; pouč spravedlivého, a bude umělejší.
Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
10 Počátek moudrosti jest bázeň Hospodinova, a umění svatých rozumnost.
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina.
11 Nebo skrze mne rozmnoží se dnové tvoji, a přidánoť bude let života.
Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
12 Budeš-li moudrý, sobě moudrý budeš; pakli posměvač, sám vytrpíš.
Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany.
13 Žena bláznivá štěbetná, nesmyslná, a nic neumí.
Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
14 A sedí u dveří domu svého na stolici, na místech vysokých v městě,
Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna,
15 Aby volala jdoucích cestou, kteříž přímo jdou stezkami svými, řkuci:
Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe:
16 Kdo jest hloupý, uchyl se sem. A bláznivému říká:
Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy:
17 Voda kradená sladší jest, a chléb pokoutní chutnější.
Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana,
18 Ale neví hlupec, že mrtví jsou tam, a v hlubokém hrobě ti, kterýchž pozvala. (Sheol )
Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. (Sheol )