< Príslovia 18 >
1 Svémyslný hledá toho, což se jemu líbí, a ve všelijakou věc plete se.
Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
2 Nezalibuje sobě blázen v rozumnosti, ale v tom, což zjevuje srdce jeho.
Ny adala tsy mba finaritra amin’ ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
3 Když přijde bezbožný, přichází také pohrdání, a s lehkomyslným útržka.
Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin’ ny fahafaham-baraka ny henatra.
4 Slova úst muže vody hluboké, potok rozvodnilý pramen moudrosti.
Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ ny fahendrena,
5 Přijímati osobu bezbožného není dobré, abys převrátil spravedlivého v soudu.
Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ ny fitsarana.
6 Rtové blázna směřují k svadě, a ústa jeho bití se domluví.
Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
7 Ústa blázna k setření jemu, a rtové jeho osídlem duši jeho.
Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
8 Slova utrhače jsou jako ubitých, ale však sstupují do vnitřností života.
Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
9 Také ten, kdož jest nedbalý v práci své, bratr jest mrhače.
Ary izay malaina amin’ ny asany Dia rahalahin’ ny mpanimba.
10 Věže pevná jest jméno Hospodinovo; k němu se uteče spravedlivý, a bude povýšen.
Ny anaran’ i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.
11 Zboží bohatého jest město pevné jeho, a jako zed vysoká v mysli jeho.
Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
12 Před setřením vyvyšuje se srdce člověka, ale před povýšením bývá ponížení.
Ny fireharehan’ ny fon’ ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
13 Kdož odpovídá něco, prvé než vyslyší, počítá se to za bláznovství jemu a za lehkost.
Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
14 Duch muže snáší nemoc svou, ducha pak zkormouceného kdo snese?
Ny faharariany dia zakan’ ny fanahin’ ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
15 Srdce rozumného dosahuje umění, a ucho moudrých hledá umění.
Ny fon’ ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin’ ny hendry mitady izany.
16 Dar člověka uprostranňuje jemu, a před oblíčej mocných přivodí jej.
Ny fanomezan’ ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan’ ny lehibe.
17 Spravedlivý zdá se ten, kdož jest první v své při, ale když přichází bližní jeho, tedy stihá jej.
Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
18 Los pokojí svady, a mezi silnými rozeznává.
Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
19 Bratr křivdou uražený tvrdší jest než město nedobyté, a svárové jsou jako závora u hradu.
Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ ny lapan’ ny mpanjaka.
20 Ovocem úst jednoho každého nasyceno bývá břicho jeho, úrodou rtů svých nasycen bude.
Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
21 Smrt i život jest v moci jazyka, a ten, kdož jej miluje, bude jísti ovoce jeho.
Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
22 Kdo nalezl manželku, nalezl věc dobrou, a navážil lásky od Hospodina.
Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’ i Jehovah.
23 Poníženě mluví chudý, ale bohatý odpovídá tvrdě.
Fitarainana no ataon’ ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.
24 Ten, kdož má přátely, má se míti přátelsky, poněvadž přítel bývá vlastnější než bratr.
Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.