< Nehemiáš 10 >
1 Kteříž pak potvrzovali, byli tito: Nehemiáš Tirsata, syn Chachaliášův, a Sedechiáš,
Ary ny nanisy tombo-kase dia Nehemia governora, zanak’ i Hakalia, sy Zedekia,
2 Saraiáš, Azariáš, Jeremiáš,
ary Seraia, Azaria, Jeremia,
3 Paschur, Amariáš, Malkiáš,
Pasora, Amaria, Malkia,
4 Chattus, Sebaniáš, Malluch,
Hatosy, Sebania, Maloka,
5 Charim, Meremot, Abdiáš,
Harima, Meremota, Obadia,
6 Daniel, Ginneton, Báruch,
Daniela, Ginetona, Baroka,
7 Mesullam, Abiáš, Miamin,
Mesolama, Abia, Miamina,
8 Maaseiáš, Bilkai, Semaiáš. To kněží.
Mazia, Bilgay, Semaia; samy mpisorona ireo.
9 Levítové pak: Jesua syn Azaniášův, Binnui z synů Chenadad, Kadmiel.
Ary ny Levita kosa dia Jesoa, zanak’ i Azania, Binoy isan’ ny zanak’ i Henadada, ary Kadmiela;
10 Bratří pak jejich: Sebaniáš, Hodiáš, Kelita, Pelaiáš, Chanan,
ary ny rahalahin’ ireo dia Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,
11 Mícha, Rechob, Chasabiáš,
Mika, Rehoba, Hasabia,
12 Zakur, Serebiáš, Sebaniáš,
Zakora, Serebia, Sebania,
14 Přední z lidu: Paros, Pachat Moáb, Elam, Zattu, Báni,
Ary ny loholona kosa dia Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,
16 Adoniáš, Bigvai, Adin,
Adonia, Bigvay, Adina,
18 Hodiáš, Chasum, Bezai,
Hodia, Hasoma, Bezay,
19 Charif, Anatot, Nebai,
Harifa, Anatota, Nebay,
20 Magpias, Mesullam, Chezir,
Magpiasy, Mesolama, Hezira,
21 Mesezabel, Sádoch, Jaddua,
Mesezabela, Zadoka, Jadoa,
22 Pelatiáš, Chanan, Anaiáš,
Pelatia, Hanana, Anaia,
23 Ozeáš, Chananiáš, Chasub,
Hosea, Hanania, Hasoba,
24 Loches, Pilcha, Sobek,
Halohesy, Pila, Sobeka,
25 Rechum, Chasabna, Maaseiáš,
Rehoma, Hasabna, Mahaseia,
27 Malluch, Charim, Baana.
Maloka, Harima, Bana.
28 Tak i jiní z lidu, kněží, Levítů, vrátných, zpěváků, Netinejských i všickni, kteříž se oddělili od národů zemí k zákonu Božímu, ženy jejich, synové jejich i dcery jejich, každý umělý a rozumný,
Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin’ ny tompon-tany hanaraka ny lalàn’ Andriamanitra mbamin’ ny vadin’ ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino,
29 Chopivše se téhož s bratřími svými a těmi, kteříž byli přednější, přistupovali, prokletím a přísahou se zavazujíce: Že budeme choditi v zákoně Božím, kterýž vydán jest skrze Mojžíše služebníka Božího, a ostříhati i plniti všecka přikázaní Hospodina Pána našeho, i soudy jeho, i ustanovení jeho;
dia samy nikambana tsara tamin’ ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan’ Andriamanitra, izay nampilazaina an’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’ i Jehovah Tompontsika mbamin’ ny fitsipika sy ny lalàny;
30 Také že nebudeme dávati dcer svých národům zemí, ani dcer jejich bráti synům svým,
ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin’ ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakai-lahy;
31 Ani od cizozemců, kteříž by nám přinášeli jaké koupě a jakékoli potravy v den sobotní na prodaj, přijímati v sobotu aneb v sváteční den, a že necháme rolí sedmého léta, i všelikého dobývání dluhu.
tsy hividy zavatra amin’ ny andro Sabata, na amin’ izay andro masìna, raha misy entana na vary entin’ ny tompon-tany hamidy amin’ ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin’ ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
32 I to nařídili jsme mezi sebou, abychom dávali třetí díl lotu na každý rok k službě domu Boha našeho,
Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’ Andriamanitsika:
33 Na chleby zpořádaní, i obět ustavičnou, i na zápal ustavičný k sobotám, novměsícům a slavnostem, i na věci svaté, i oběti za hříchy k očištění Izraele, i na všecko přisluhování domu Boha našeho.
dia ho amin’ ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ ny zava-masìna sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’ Andriamanitsika.
34 Metali jsme i losy s strany kněží, Levítů i lidu, příčinou dříví nošení, aby ho dodávali do domu Boha našeho, čeledem otců našich časy vyměřenými, rok po roku, aby hořelo na oltáři Hospodina Boha našeho, jakž psáno jest v zákoně.
Ary nanao filokana izahay ny amin’ ny hanateran’ ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon’ Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin’ ny fotoan’ andro isan-taona, handoroana eo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna,
35 Také, že chceme přinášeti prvotiny země své, i prvotiny všelikého ovoce každého stromu, rok po roku do domu Hospodinova.
ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon’ i Jehovah isan-taona isan-taona;
36 K tomu i prvorozené syny své, i hovádka svá, (jakož psáno jest v zákoně), i prvorozené z skotů i bravů svých, že přinášeti budeme do domu Boha svého, kněžím přisluhujícím v domě Boha našeho.
ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’ osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon’ i Jehovah Andriamanitsika, ho an’ ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitsika;
37 A prvotiny těsta svého i obětí svých, i ovoce všelijakého stromu, mstu i oleje nového, aby přinášeli kněžím do pokojů domu Boha našeho, a desátky země naší Levítům. A Levítové desátky ty vybírati budou po všech městech, v nichž pracovati budeme.
ary mba hitondranay ho an’ ny mpisorona koa ny voalohan’ ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ ny vokatry ny taninay ho an’ ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin’ ny fambolenay.
38 Bude pak při tom kněz, syn Aronův, s Levíty, když Levítové ty desátky vyberou, a Levítové sami vnesou desátek z desátků do domu Boha našeho, do pokojů v domě skladu.
Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’ i Arona, hiaraka amin’ ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ ny fahafolon-karena dia ho entin’ ny Levita miakatra ho ao an-tranon’ Andriamanitsika, ho ao amin’ ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.
39 Nebo do těch pokojů donášeti budou synové Izraelští i synové Léví oběti obilé, mstu a oleje nového, (kdež jsou nádoby svatyně), i kněží přisluhující, vrátní i zpěváci, abychom neopouštěli domu Boha svého.
Fa ho ao amin’ ireo efi-trano ireo no hitondran’ ny Zanak’ Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ ilay itoeran’ ny fanaky ny fitoerana masìna sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon’ Andriamanitsika izahay.