< Izaiáš 2 >
1 Slovo, kteréž viděl Izaiáš syn Amosův o Judovi a Jeruzalému.
Ny teny izay hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny Joda sy Jerosalema.
2 I stane se v posledních dnech, že utvrzena bude hora domu Hospodinova na vrchu hor, a vyvýšena nad pahrbky, i pohrnou se k ní všickni národové.
Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
3 A půjdou lidé mnozí, říkajíce: Poďte, a vstupme na horu Hospodinovu, do domu Boha Jákobova, a bude nás vyučovati cestám svým, i budeme choditi po stezkách jeho. Nebo z Siona vyjde zákon, a slovo Hospodinovo z Jeruzaléma.
Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
4 Onť bude souditi mezi národy, a trestati bude lidi mnohé. I zkují meče své v motyky, a oštípy své v srpy. Nepozdvihne národ proti národu meče, a nebudou se více učiti boji.
Ary hitsara ny adin’ ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
5 Dome Jákobův, poďtež, a choďme v světle Hospodinově.
Ry taranak’ i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin’ ny fahazavan’ i Jehovah.
6 Ale ty jsi opustil lid svůj, dům Jákobův, proto že jsou naplněni ohavnostmi národů východních, a jsou pověrní jako Filistinští, a smyšlínky cizozemců že sobě libují.
Fa efa nanary ny taranak’ i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.
7 K tomu naplněna jest země jejich stříbrem a zlatem, tak že není konce pokladům jejich; naplněna jest země jejich i koňmi, vozům pak jejich počtu není.
Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
8 Naplněna jest také země jejich modlami; klanějí se dílu rukou svých, kteréž učinili prstové jejich.
Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
9 Klaní se obecný člověk, a ponižuje se i přední muž; protož neodpouštěj jim.
Koa ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
10 Vejdi do skály, a skrej se v prachu před hrůzou Hospodinovou, před slávou důstojnosti jeho.
Midìra ao amin’ ny vatolampy, Ary miere ao amin’ ny vovoka Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
11 Tuť oči vysoké člověka sníženy budou, a skloněna bude vysokost lidská, ale Hospodin sám vyvýšen bude v ten den.
Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
12 Nebo den Hospodina zástupů se blíží na každého pyšného a zpínajícího se, i na každého vyvýšeného, i bude ponížen,
Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
13 I na všecky cedry Libánské vysoké a vyvýšené, i na všecky duby Bázanské,
Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
14 I na všecky hory vysoké, i na všecky pahrbky vyvýšené,
Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
15 I na všelikou věži vysokou, i na všelikou zed pevnou,
Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
16 I na všecky lodí mořské, i na všecka malování slibná.
Sy ny sambon’ i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
17 A sehnuta bude pýcha člověka, a snížena bude vysokost lidská, ale vyvýšen bude Hospodin sám v ten den,
Ary ny fireharehan’ ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan’ ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
18 Modly pak docela vymizejí.
Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
19 Tehdy půjdou do jeskyní skal a do roklí země, před hrůzou Hospodinovou a slávou důstojnosti jeho, když povstane, aby potřel zemi.
Ary hiditra ao amin’ ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
20 V ten den zavrže člověk modly své stříbrné a modly své zlaté, kterýchž mu nadělali, aby se klaněl, totiž krtům a netopýřům.
Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
21 I vejde do slují skal a do vysedlin jejich před hrůzou Hospodinovou, a před slávou důstojnosti jeho, když povstane, aby potřel zemi.
Mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
22 Přestaňtež doufati v člověku, jehož dýchání v chřípích jeho jest. Nebo zač má jmín býti?
Mitsahara, fa aza mitoky amin’ ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?