< Skutky Apoštolů 24 >
1 Po pěti pak dnech sstoupil nejvyšší kněz Ananiáš s staršími a s nějakým Tertullem řečníkem; kteřížto postavili se před vladařem proti Pavlovi.
Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin’ ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin’ ny mpanapaka ny niampangany an’ i Paoly.
2 A když povolán byl, počal naň žalovati Tertullus, řka:
Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
3 Kterak mnohý pokoj způsoben jest nám skrze tebe a mnohé věci v tomto národu výborně se dějí skrze tvou opatrnost, to my i všelijak i všudy se vším děkováním vyznáváme, výborný Felix.
Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin’ ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô.
4 Ale abych tě déle nezaměstnával, prosím, vyslyšiž nás maličko podle obyčeje přívětivosti své.
Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin’ ny faharetana izahay.
5 Nalezli jsme zajisté člověka tohoto nešlechetného, a vzbuzujícího různice mezi všemi Židy po všem světě, a vůdci té sekty nazaretské;
Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan’ ilay antoko atao hoe Nazarena.
6 Jenž také i o to se pokoušel, aby chrámu poskvrnil; a kteréhožto javše, vedle Zákona našeho chtěli jsme souditi.
Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy;
7 Ale přišed k tomu hejtman Lyziáš s mocí velikou, vzal ho z rukou našich,
8 Rozkázav, aby žalobníci jeho šli k tobě. Od něhožto ty sám budeš moci, vyptaje se, zvěděti o všem o tom, z čeho my jej viníme.
ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
9 A k tomu se přimluvili i Židé, pravíce, že to tak jest.
Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
10 Tedy Pavel odpověděl, když mu návěští dal vladař, aby mluvil: Od mnohých let věda tebe býti soudcím národu tomuto představeným, s lepší myslí k tomu, což se mne dotýče, odpovídati budu,
Ary rehefa notondroin’ ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
11 Poněvadž ty můžeš to věděti, že není tomu dní více než dvanácte, jakž jsem přišel do Jeruzaléma, abych se modlil.
fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin’ ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
12 A aniž jsou mne nalezli v chrámě s někým se hádajícího, aneb činícího roty v zástupu, ani v školách, ani v městě,
Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’ olona teo an-kianjan’ ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin’ ny synagoga, na tao an-tanàna;
13 Aniž toho prokázati mohou, což na mne žalují.
ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
14 Ale totoť já před tebou vyznávám, že podle té cesty, kterouž oni nazývají kacířstvím, tak sloužím Bohu otců svých, věře všemu, cožkoli psáno jest v Zákoně a v Prorocích,
Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’ Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ ny lalàna sy ny mpaminany,
15 Maje naději v Bohu, že bude, jehož i oni čekají, vzkříšení z mrtvých, i spravedlivých i nespravedlivých.
ary manantena amin’ Andriamanitra aho, izay antenain’ izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka.
16 A tak se chovati hledím, abych měl dobré svědomí bez úrazu před Bohem i před lidmi vždycky
Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva.
17 Po mnohých pak letech přišel jsem, almužny nesa národu svému a oběti.
Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ ny fireneko.
18 Při čemž mne nalezli v chrámě očištěného, ne s zástupem, ani s bouřkou, někteří Židé z Azie,
Ary tamin’ izay dia hitany voadio teo an-kianjan’ ny tempoly aho, tsy tamin’ ny olona maro anefa, na tamin’ ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
19 Kteříž by měli tuto také před tebou státi a žalovati, měli-li by co proti mně.
― tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
20 Anebo nechať tito sami povědí, nalezli-li jsou na mně jakou nepravost, když jsem stál v radě,
Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan’ ny Synedriona aho,
21 Leč to jedno promluvení, že jsem zavolal, stoje mezi nimi: Pro vzkříšení z mrtvých já k soudu potažen jsem dnes od vás.
afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
22 A vyslyšav to Felix, odložil jim, až by o té cestě něco místnějšího vyzvěděl, řka: Až hejtman Lyziáš sem přijede, posoudím té pře vaší.
Ary satria fantatr’ i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin’ izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.
23 I poručil setníkovi, aby Pavla ostříhal a polehčil mu vězení a nebránil žádnému z přátel jeho posluhovati jemu anebo navštěvovati ho.
Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an’ i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin’ ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
24 Po několika pak dnech přišed Felix s Druzillou, manželkou svou, kteráž byla Židovka, zavolal Pavla, a slyšel od něho o víře v Krista.
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an’ i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’ i Kristy Jesosy.
25 A když on vypravoval o spravedlnosti a o zdrželivosti a o budoucím soudu, ulekl se Felix, a odpověděl: Nyní odejdi, a v čas příhodný zavolám tě.
Ary raha nitory ny amin’ ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.
26 Nadál se pak, že jemu Pavel dá nějaké peníze, aby jej propustil, pročež i tím častěji, povolávaje ho, mluvíval s ním.
Sady nanantena koa izy fa homen’ i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.
27 Po dvou pak letech měl po sobě náměstka Felix, Festa Porcia, a chtěje se zalíbiti Židům Felix, nechal Pavla v vězení.
Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an’ i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin’ ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.